Minceur
Limônady amboarina, mampihena vetivety !
18/11/2019
Manafaingana ny fampihenan-tena hatao ny sakamalaho. Fomba mahomby hihinanana azy ny manao azy ho zava-pisotro. Ireto misy misy karazany roa mandaitra :
Limonady amin’ny sakamalaho sy voasarimakirana
Akora ilaina :
· Sakamalaho 1 sm
· Voasarimakirana 1
Fikarakarana
Afanaina ny rano 2 kaopy ka rehefa mangotraka dia vonoina ny afo. Alefa ao ny sakamalaho efa nosilantsilahana. Saronana ny vilany dia miandry 5 minitra. Dila izay vao alefa ao ny ranom-boasarimakirana. Sotroina avy hatrany.
Vao mifoha raha mbola tsy misy na inona na inona ao anaty vavony no tena tsara isotroana azy.
Tombontsoa azo
Mandaitra izy ity satria mampiakatra ny maripana ao anaty ity dite ity noho ny fiasan’ny sakamalaho, noho ny hafanan’ilay zava-pisotro ihany koa ary ny otrikaina entin’ny voasarimakirana. Manafaingana ny metabolisma sady mandoro kaloria izy ity. Be mpanala arafesina koa ny voasarimakirana . Ankoatra izay dia manadio ny taova ao anaty no manala ny mibontsina amin’ny kibo ihany koa izy ity.
Saosy vinaingitra amin’ny sakamalaho
Akora ilaina :
· Sakamalaho vovony na tsotra
· Voasarimakirana 1
· Vovon-tsakay
Fikarakarana :
Voasana ny sakamalaho dia totoina amin’ny mixeur miaraka amin’n y ranom-boasarimakirana. Io no hanomezan-tsiro ny salady.