Jejoo

Dans la même rubrique

Ireo fambara fa mila entina hopitaly ny zaza!

16/12/2019

Misy toe-javatra, indraindray no tsy voajerintsika ray aman-dreny amin'ny zazakely, kanefa tena ilaina fahamalinana tanteraka,

 Lire la suite...

Ady gasy manadio rà !

06/12/2019

Ho an’ny ntaolo malagasy, sy amin’ny ady gasy, dia ambara ho maloto rà matetika ireo olona mora misy vay, mora marefo, ela vao sitram-pery sns.

 Lire la suite...

Legioma lo, « mayonnaise » : tandremo rehefa andro mafana !

02/12/2019

Mafana ny andro ary isan’ny lasibatr’io hafanana io ihany koa ny voankazo sy legioma.

 Lire la suite...

Nify maty ny miloko volon-tany na mangana

25/11/2019

Rehefa tsy voakarakara ny nify, rehefa misy dona nahazo azy, dia mety hivadika ny lokony.

 Lire la suite...

Aferontany : ody mamy ho an’ny ankizikely !

22/11/2019

Ho an’ireo ray aman-dreny fahiny, rehefa sendra manavy na mikohoka ny ankizikely, na koa diso nihinana zava-mamy loatra, dia aferotany no fanafody. Tantely, vatomaty “pecto” sns maro karazana ireo afangaro aminy, raha ny fanaon’ny olona.

 Lire la suite...

Salade de pates à la sauce caramel

21/11/2019

Akora ilaina · Paty 500g · Katsaka amin’ny boaty 150g · Voatabia 2 · Fraomazy 200g · Nofon-kenan-kisoa 500g · Tongolo be 2 · Menaka

 Lire la suite...

Fivaviana sy andro mafana…tandremo ny aretina!

21/11/2019

Mety hampiova ny fahasalaman’ny vatana ny hafanana ary isan’ireo mety hiantefan’izany ny fivaviana. Hoy ny dokotera.

 Lire la suite...

Santé

Zava-maniry « ofika » : manasitrana vay !

15/11/2019

Fanafody nentim-paharazana, tena fampiasa foana ny ofika rehefa misy vay ny olona iray. Eny amin’ireny mpivarotra tapa-kazo ireny no ahitana azy. Toy izao kosa ny fampiasana an’io akora io, raha misy vay.

 

 

 

Vay : volo, sakafo tsy zaka, maloto rà …

Maro dia maro ny antony mahatonga ny vay raha ny fomba fisainana nentim-paharazana no jerena. Tsy fahazakana sakafo, rà maloto, volo niongotra ka nitarika otrikaretina, fihinanana sakay be loatra ka tsy zakan’ny vatana, fihinanana hazan-dranomasina. Ofika no fampiasan’ireo ntaolo fahiny ary tena mandaitra tokoa, hanasitranana ny vay.

Mampipotsaka ny nana ao anaty fery

Noho izy mampipotsaka ny nana miandrona ao anaty fery no mahatsara ny fampiasana ny ofika. Teren’ny ranon’ity akora ity mantsy ilay fery ary mivoaka ho azy avy eo ireo nana sy rà maloto miandrona ao anatiny. Mila vakiana anefa ny lohan’ilay vay.

Akora ilaina :

·         Vato

·         Ofika

Fampiasana azy :

·         Diovina tsara amin’ny savony nosy sy rano ny fery.

·         Sasana tsara hadio ny vato sy ny ofika. Raha efa izay dia kikisana amin’ilay vato ilay ofika mba hivoahan’ny nofony, izay somary miloko maitso. Rehefa somary mandranondranoka dia ahosotra manodidina ny lohan’ilay fery. Tandremana tsy ho tratra io lohan’ny fery io.

·         Tanterahana isan’andro, mialohan’ny hatoriana sy ny marina.

Marihina fa raha mbola tsy miala na sitrana ao anatin’ny telo andro ilay vay dia aleo manatona dokotera. Tokony hanatona dokotera ihany koa raha vao sendra manavy be na tsy zaka intsony ny fanaintainana ary raha vao afaka ilay vay.

Vidin’ny ofika : 500 Ariary

Nelly-Bri

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo