Jejoo

Dans la même rubrique

Inona no menaka tarehy mety aminao?

03/07/2020

Miantoka ny fahasalaman’ny hodi-tava sady mitazona ny hatsaran’ny tarehy tsy ho antitra aloha loatra ny fanadiovana azy isan’andro sy ny fanosorana menaka manamandina. Raha vao diso safidy anefa amin’ny fifantenana izay menaka tarehy ahosotra, dia simba tsikelikely ny tarehy.

 Lire la suite...

Fikarakarana tarehy makiana, rehefa ririnina

02/07/2020

Mora fantatra ny hoditra makiana sy tsy ampy rano. Maina lava izay izy ary tsy mahazo aina firy, satria mora mangidihidy sy marefo, noho ny hatsiaka sy ny hafanana ; mifandrirotra ary tsapa ho mihenjakenjana. Mora tohina ny hoditra makiana, ka izay no tmahatonga azy hila fikoloana manokana. Inona avy ary ireo fihetsika tsara atao ho azy ireo ?

 Lire la suite...

Maska volo sy tarehy amboarina…tandremo ihany !

30/06/2020

Tian’ny vehivavy malagasy kokoa ny mampiasa maska vita ao an-trano, na ho an’ny tarehy izany, na ho an’ny volo.

 Lire la suite...

Fahadisoana 5 fadiana rehefa mampiasa hareza

29/06/2020

Be mpampiasa ny hareza rehefa hanala ny volo amin’ny vatana, noho izy ireny mora ampiasaina sy tsotra kely.

 Lire la suite...

“Maquillage” gasigasy, mifanaraka amin’ny asaramanitra…

25/06/2020

Miloko volon-tsôkôla ny ati-mason’ny ankamaroan’ny malagasy.

 Lire la suite...

Nahoana no ilaina ny « baume à lèvres » ?

24/06/2020

Rehefa mangatsiaka tahaka izao ny andro, no tena ampiasan’ny olona ny « baume à lèvres ».

 Lire la suite...

Tandremo, misy tsy mahazaka ny “gommage”

23/06/2020

Ny fahalalan'ny besinimaro ny « gommage » dia hoe manala « peau morte » na ireo hoditra maty mandoto sy mahaela ny fipoitran’ny hoditra vaovao.

 Lire la suite...

Beauté

Fametahana “faux ongles” : mazia ho an’ny hoho…

15/11/2019

Fantatrao ve fa na fohy kely tahaka ny inona aza ny hohonao dia azo atao “french manucure” sy haingoina tsara tahaka ny an’ny vehivavy rehetra foana izy ireo?

 

 

  Amin’ny andro iray miavaka toy ny mariazy, ny lanonana manokana natao ho anao dia mialà amin’ny mahazatra ary haingoy mahafatifaty ny hohonao…

Faux ongles

Raha karazan’irony fohy kely irony ny hohonao dia  vahaolana akaiky ary isan’ny tsotra indrindra tena mampiavaka azy ireo amin’ny fotoana iray, ny “faux ongles”. Antony efatra rahateo no mahatsara ny fametahana “faux ongles” raha te hanao azy. Voalohany aloha dia manafina ny lesoky ny hoho izy : bory kely, mora tapaka, maty kaikitra… Ny faharoa indray dia manamafy ny hohonao ny fametahana azy, satria dia toy ireny tovana ireny izy, no sady mandrisika azy ireo haniry vetivety koa ao ambany ao. Ny antony fahatelo dia ilay tena tianao aminy, dia ny fiovan’endriky  ny hohonao ho lafatra jerena, ary mahafatifaty be sy maharitra. Ny antony fahaefatra farany kosa dia ny fahaizan’ilay matihanina milalao sy maneho ny talentany.

Fidio tsara

Rehefa natoraly no fivoakan’ny tananao, nasiana “faux ongles” dia mahay tsara izay ilay nanao azy.  Raha matihanina koa ny “salon” atonina amin’izany dia tsy atahorana hanova ny kalitaon’hoho ihany koa ny “faux ongles” atao. Teto izao dia ny salon de beauté Droles de Dame Anosizato Atsinanana  no nikarakara ity hoho ity. Diniho tsara ny sary fa fohy kely ny hoho noraisin’izy ireo kanefa dia nahazo  endrika vaovao sy miavaka izany. Ary satria hoho entina hamonjy lanonana izy ireto, dia “french manucure” no nolalaovin’ny mpanao hoho ao an-toerana nandray ity modely ity.  Solohoho na “faux ongles  transparents ” no nampiasaina teto, mba hampivoaka tsara an’ilay “French” ho natoraly tsara. Noravahina “perle” kely mahafinaritra izany tao aorian’izay. Afa-po ny maodely noraisin’izy ireo.

 

Ianao koa,   afaka manatona azy ireo hikarakara ny hohonao na andavanandro na amin’ny fotoana miavaka. Isaorana ny fiarahany miasa amin’ny Jejoo. Droles de Dame Anosizato Atsinana : 

 

 

Ando

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo