Actualités
Eric Fou Hehy : Sitrana soa aman-tsara, efa tafody
14/11/2019
Tonga soa aman-tsara eto Madagasikara i Eric ao amin’ny tarika Fou Hehy ary sitrana soa aman-tsara. Taorian’ny nahatontosa ny fandidiana azy tany Inde, ny 20 jolay lasa teo.
Efa nandalo tao amin’ilay onjam-peo nanaovany fandaharana isa-maraina miaraka amin’ireo namany moa izy, omaly. Nanazava sy nitantara fohy ny fizotry ny fitsaboana izay narahiny tany Inde. Nisaotra ireo olona izay nanampy azy tamin’ireny fotoana ireny ihany koa i Eric. Raha tsiahivina moa dia ny volana jolay tamin’ny taona 2018 izy no nalefa tany Inde fa efa fotoana maro talohan’io izy no narary. Tsy mpisotro no sady tsy mpifoka sigara izy fa isan’ireo tena mivohy ny tontolo maitso mihitsy aza no sady mampita izany amin’ireo zanany. Fitsaboana ny aretin’ny voa mahazo azy no niaingany teto Madagasikara fa rehefa tonga tany Inde izy ka natao ny fitiliana dia 20% sisa no miasa ny atiny. Teo no nanapa-kevitra ireo mpitsabo fa tsy maintsy ho tsaboina izany ka nitady vola fanampiana indray izy ahafahana manatanteraka ireo fandidiana roa goavana ireo. Tontosa soa aman-tsara moa izany, ary dia izao izy tafaverina eto Madagasikara izao, mihaona indray amin’ireo vady aman-janany, efa tsy nihaona taminy herintaona mahery.
Rinahsoa