Jejoo

Dans la même rubrique

Mandiso fanantenana eny am-pandriana ry Taylor Swift, Elvis…

22/11/2019

Zava-dehibe tokoa ny fahaizana manome fahafinaretana ho an’ny olon-tiana rehefa eny am-pandriana ankoatra ny tokim-pitia rehetra atolotra azy.

 Lire la suite...

Nandalo fotoan-tsarotra i Britney Spears, Stromae,…

21/11/2019

Tsy vitsy ireo olona mandalo ilay vanim-potoana antsoina hoe « burn –out ». Reraka tanteraka izy ireo, na eo amin’ny sehatry ny asa na eo amin’ny fiainany manokana ary matetika mitarika fahasimban-tsaina ho azy ireo izany ka zary

 Lire la suite...

Kate, Demi Moore, JLo…Reny tahaka ny ahoana ?

20/11/2019

Matetika no mizara ny fitondrany vohoka any anaty tambazotra sosialy ireo vehivavy malaza. Fa mba manitikitika ny mahafantatra hoe :

 Lire la suite...

1. Isan’ireo tena mankafy manombana ireo izay mendrika indrindra ny britanika.

18/11/2019

Vao haingana izao no namoaka ireo mpanao hatsikana tena « sexy » indrindra ho an’ny taona 2019 izy ireo.

 Lire la suite...

1. Nandalo sedra i Shakira tany amin’ny taona 2017 tany.

15/11/2019

Nandeha rà be ny « cordes vocales »-ny ka tsy maintsy nitsahatra aloha izy teo amin’ny sehatry ny hira.

 Lire la suite...

1. Isan’ireo tena mankafy manombana ireo izay mendrika indrindra ny britanika.

14/11/2019

Vao haingana izao no namoaka ireo mpanao hatsikana tena « sexy » indrindra ho an’ny taona 2019 izy ireo.

 Lire la suite...

1. Efa hain’i Matt Pokora mihitsy ny manintona ny mason’ireo mpankafy hijery azy sy manao izay hampiavaka ny tenany amin’ireo mpanakanto hafa.

13/11/2019

Nandray ny mari-pankasitrahana faha-13 amin’ny maha- mpanakanto azy izy ny 9 novambra lasa teo ka voasoritra ho artista miteny frantsay ho an’ny taona 2019

 Lire la suite...

People

Tselonina : Niala toaka!

14/11/2019

Nampametra-panontaniana ny maro ny fanambarana navoankan’ilay mpanakanto Tselonina Ramanantselonina, ny 9 novambra lasa teo tao anaty tambazotra sosialy « Facebook ».

 

 

 

Tselonina Ramanantselonina : « Fanambarana goavana : Izaho Tselonina dia manao izao fanambarana izao : Izao vao tena ritra sy tapitra tanteraka ny anjara-taokako teto an-tany, koa isaorako etoana ny zava-bitany tamiko toy ny :
- fahafaham-baraka, teny maloto, tsy fanajana fiaraha-monina nefa kosa tsy azo adino ireo hira sy kanto vitany.
Natao ity fanambarana ity, tsy an-tery fa an-tsitrapo, ary manan-kery mandra-pahalasako »

Fanambarana feno fanetren-tena sy fahatsapana fa tsy nitondra soa ho azy ny toaka no nataony. Nohamafisiny izany tamin’ny resadresaka nifanaovanay taminy :

Hoy i Tselonina nanazava

 Fanambarana tena nataoko tamin’ny nahim-poko mihitsy izy io. Tsy noho ny zava-misy eto amin’ny firenena na noho ny famporisihin’ny olona iray akory. Tsapako fa tsy mety amiko intsony ilay alikaola. Nisy fotoana aho nanao « cabaret » nefa mamo. Nalahelo sy diso fanantenana tamiko ireo mpankafy ahy tamin’izay satria tsy nahavita nitendry sy nihira akory aho. Izay no tena nahatonga ahy tapa-kevitra ny hijanona. Ilay fitiavako hanome fahafaham-po ireo mpankafy ahy sy ny kanto ataoko.

Efa nanandrana niala taloha

Tsy vao in-dray mandeha no niezaka ny hiala amin’ny fisotroana toaka ity mpanakanto ity. Hatramin’izy mbola tanora mantsy no efa tafalatsaka tao anatin’izany. Mbola izaho virijiny kely no efa nisotro hoy ny filazany. Ity fanambarana nataony tamin’ny tambazotra sosialy ity no heveriny fa fifamatorana sy fanomezan-toky eo aminy sy ireo mpankafy. Ho sarotra aminy kokoa ny tsy hanatanteraka io toky efa nomeny io, araka ny filazany.

Tsy ho lasa mpihira evanjelika

Fanontaniana efa nipetraka teo am-bavan’ny maro izay nahita ny vaovao ihany koa ny hoe : mety ho lasa mpihira evanjelika ve izany i Tselonina. Nanamafy nefa ity mpivohy ny vazo miteny ity fa tsy hirona amin’izany ny tenany. « Tsy ny hira evanjelika no tsy tiako akory, hoy izy fa tsy ao anatin’ny hira foroniko fotsiny izany ».

Miketrika raki-kira

Tsy hanova n’inona n’inona amin’ny famoronany hira ny fijanonany tsy hisotro. Vao mainka aza hihatsara hoy izy. Ary nisy fotoana izy efa nijanona tsy nisotro nandritra ny herintaona sy tapany fa nahavita namoron-kira nipoaka be toa an-dry « Moly Be ».  Efa talenta ato anatiko ny famoronana hoy i Tselonina. Miketrika raki-kira vaovao hanambarana ireo hirany izany izy amin’izao fotoana fa mandeha ihany koa ny « cabaret » sy ny sisa.

Rinahsoa

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo