Jejoo

Dans la même rubrique

Ady gasy manadio rà !

06/12/2019

Ho an’ny ntaolo malagasy, sy amin’ny ady gasy, dia ambara ho maloto rà matetika ireo olona mora misy vay, mora marefo, ela vao sitram-pery sns.

 Lire la suite...

Legioma lo, « mayonnaise » : tandremo rehefa andro mafana !

02/12/2019

Mafana ny andro ary isan’ny lasibatr’io hafanana io ihany koa ny voankazo sy legioma.

 Lire la suite...

Nify maty ny miloko volon-tany na mangana

25/11/2019

Rehefa tsy voakarakara ny nify, rehefa misy dona nahazo azy, dia mety hivadika ny lokony.

 Lire la suite...

Aferontany : ody mamy ho an’ny ankizikely !

22/11/2019

Ho an’ireo ray aman-dreny fahiny, rehefa sendra manavy na mikohoka ny ankizikely, na koa diso nihinana zava-mamy loatra, dia aferotany no fanafody. Tantely, vatomaty “pecto” sns maro karazana ireo afangaro aminy, raha ny fanaon’ny olona.

 Lire la suite...

Salade de pates à la sauce caramel

21/11/2019

Akora ilaina · Paty 500g · Katsaka amin’ny boaty 150g · Voatabia 2 · Fraomazy 200g · Nofon-kenan-kisoa 500g · Tongolo be 2 · Menaka

 Lire la suite...

Fivaviana sy andro mafana…tandremo ny aretina!

21/11/2019

Mety hampiova ny fahasalaman’ny vatana ny hafanana ary isan’ireo mety hiantefan’izany ny fivaviana. Hoy ny dokotera.

 Lire la suite...

Andro mamay be : Tandremo ny zazakely, zokiolona, bevohoka

18/11/2019

Anatin’ny vanim-potoanan’ny fahavaratra isika amin’izao fotoana izao. Tafiditra miaraka amin’izay ny hafanana izay tena mamely.

 Lire la suite...

Santé

Zaza tsy mitombo ao am-bohoka : Fa maninona?

14/11/2019

Saro-pady be mihitsy ny fitondrana vohoka eo amin’ny vehivavy. Tranga mety hiseho amin’izany ohatra ny « Retard de Croissance Intra-utérine » izany hoe :

 

 tsy mifanaraka amin’ny volan’ny vohoka ny habeny sy ny fitomboan’ny vatany na koa ny lanjany. Inona no mety hahatonga izany?

Noho ny antony maro

Betsaka ireo antony mahatonga ny R.C.I.U. Mizara 3 lehibe izany.

·         Avy amin’ny reniny noho ny tsy fahampian-drà; tsimok’aretina toy ny “toxoplasmose” …; ny bonibony (rubéole); ny aretina avy amin’ny virosy ( C.M.V toy ny cytomegalovirus); ny fifohana sigara sy fisotroana alikaola ary ny fidorohana zava-mahadomelina.

·         Avy amin’ny zaza: toy ny tsy fahatomombanan’ny tarazo (anomalie chromosomique): trisomie 21 na 18.

·         Avy amin’ny ahitra: tsy manao ny asany tsara izy amin’ny fanomezana ny sakafo avy amin-dreniny ilay zaza; noho ny fiakaran’ny tosi-drà amin’ny vohoka.

Tsy miantraika amin’izany

Na izany aza, miankina amin’ny nahatonga ilay R.C.I.U no mampisy fiantraikany na tsia eo amin’ny zazakely izany,  rehefa teraka. Raha ny fiakaran’ny tosi-drà ohatra no nahatonga ilay fahataran’ny fitomboana, dia hitombo ara-dalàna ihany ilay zaza rehefa teraka. Hafa kosa raha noho ny tarazo satria tsy misy na inona na inona azo atao. Ary ho an’ny aretina indray, raha voatsabo tsara izany nandritra ny vohoka, dia tsy hanohintohina ny fitomboan’ny zaza mihitsy rehefa teraka.

Inona no tokony atao?

Misafo ara-dalàna, manao fitiliana amin’ny “toxoplasmose” sy ireo tsimok’aretina samihafa, ary jerena ny tosi-drà. Misafo in-4 raha kely indrindra mandritra ny vohoka. Manao “échographie” in-3 na in-4 mandritra ny vohoka, farafahakeliny.

Isaorana ny dokotera Robert Rakotondramanana

Gynécologue – Obstétricien,

 

Nelly-Bri

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo