Jejoo

Dans la même rubrique

Manomana ny hoho ho lava sy matevina tsara, hiatrika ny fety…

06/12/2019

Ho avy izao ny fety ka mba te hanana hoho lavalava sy maniry tsara ianao. Tianao ihany koa raha mba matevina tsara izy ireo ka tsy voatery hanao “faux ongles” intsony fa avy dia ny hohonao mihitsy no hiangaliana an’ireny karazana fanaingoana hoho na “nail’s art” ireny. Mbola tsy tara ianao raha izao dia efa manomana ny hoho hiatrika ny fety. Ireto ny torohevitra …

 Lire la suite...

Manomana ny hoho ho lava sy matevina tsara, hiatrika ny fety…

06/12/2019

Ho avy izao ny fety ka mba te hanana hoho lavalava sy maniry tsara ianao. Tianao ihany koa raha mba matevina tsara izy ireo ka tsy voatery hanao “faux ongles” intsony fa avy dia ny hohonao mihitsy no hiangaliana an’ireny karazana fanaingoana hoho na “nail’s art” ireny. Mbola tsy tara ianao raha izao dia efa manomana ny hoho hiatrika ny fety. Ireto ny torohevitra …

 Lire la suite...

Lokomena, azo anafenana ny kentrona amin’ny molotra

04/12/2019

Raha tsy hay tsara ny mametraka ny lokomena dia mety vao mainka hampiharihary ny kentrona manodidina ny molotra izany, hany ka hahatonga ny tarehy ho antitra kokoa.

 Lire la suite...

Ny fomba tena mety, hitahirizana ranomanitra…

03/12/2019

Na inona na inona karazan-dranomanitra, dia mety hiova kalitao tsikelikely izy ireny, raha tsy hay ny mitahiry azy. Manana ranomanitra maro karazana anefa ianao ao an-trano ao, ary raha ny tianao dia ny haharetan’izy ireo ela indrindra ao aminao. Indro ny torohevitra 3 hitazonana ny hatsaran’ny ranomanitra.

 Lire la suite...

Ny atao, raha tsy te hisy mony intsony !

02/12/2019

Ny sokajin-tarehy be menaka no tena tian’ny mony.

 Lire la suite...

Isaky ny inona no tokony hanao “epilation”?

26/11/2019

Amin’ny fotoana mampafana ny andro tahaka izao dia tsy azo atao tsirambina mihitsy ny fanesorana ny volo amin’ny vatana.

 Lire la suite...

Maskaovy, manala ireo mivoara-mena amin’ny tarehy

25/11/2019

Rahahana ovana maska amin’ny tarehy ny ovy dia manazava endrika,

 Lire la suite...

Beauté

Lokomena, azo itarafana toetra

14/11/2019

Ravaky ny molotra sy ikoloana azy no tena ampiasana ny lokomena. Fantaro anefa fa azo amaritana ny toetran’ny olona iray ny lokon’ny lokomena mahazatra azy. Lazao anie ny loko tena tianao atao amin’ny molotra dia holazainay anao ny toetra mifanaraka amin’izay e !

 

 

 

 

« Rouge pétant »

Ity lokomena ity, dia fihosotry ny vehivavy matoky tena, tia dokafana sy ankasitrahana. Mora ho azy ny mizara tsiambaratelo, izay mahatonga azy hanintona ny olona avy hatrany.

“Mauve”

Somary matroka eo ambony molotra ity lokomena ity, manambara fa olona manana faharetana sy olona milamina. Karazan’olona mieritreritra lalina sy mandinika vao manapa-kevitra, fa tsy mba ireny manao zavatra tampoka sy kitoatoa ireny. Lokon’ny fandresen-dahatra ny “mauve”

« Rouge sobre »

Ny lokomena « rouge sobre » indray, izay tsy midorehitra fa mihaja kosa, dia an’ireo vehivavy mahataitra olona foana, na dia tsy iniany atao aza. Lokomena natao ho an’ireo vehivavy mihaja, tsy tia sehoseho ary milamina izy ity. Na izany aza, tsy mahatofoka mihitsy ny miaraka amin’ity karazam-vehivavy ity : rehefa tena matoky an’izay olona miaraka aminy izy, dia mahavita zava-mahagaga !

“Couleur  “pêche”

Ny lokomena voasokajy ao anatin’ny “pêche” indray, dia an’ireo vehivavy malala-tanana sady mihevitra foana ny olona akaiky azy. Izany rahateo no mahatonga ireo vehivavy tia mihosotra an’ity loko ity, ho olona tena tia sy miraiki-po amin’izay akaiky azy. Noho izany, dia maneho fitiavana sy halefahan-toetra aminy avokoa, ireo olona manodidina azy

“Rose pétante”

Ny karazana vehivavy tia mihosotra ity lokomena ity, dia vehivavy sahisahy : tsy menatra sady tsy matahotra haneho ny toetrany. Tia manao anjoria (aventure) ihany koa ary tia manao fifankahafantarana vaovao, sady tia maka traikefa. Tsy matahotra zavatra tsy hay !

« Bordeaux »

Vehivavy te hanintona sy hisarik’olona no tena tia an’ity lokomena ity. Karazana vehivavy miaina ny zava-misy, fa tsy mba miahiahy izay eritreretin’ny olona aminy. Itiavan’ny olona azy betsaka izay toetrany izay.

“Rose pale”

Ny vehivavy tia mihosotra lokomena mavokely matsatso, dia vehivavy tsotra sady malefaka ary ny olona rehetra dia mahita azy ho mahafinaritra avokoa. Izay toetra izay no hahatsiarovan’ny olona azy. Malefaka sady be tambitamby, tony sady milamim-piainana, ka zarainy amin’ny manodidina azy izany. Mahay miaraka amin’ny karazan-toetran’olona maro.

“Noir “

Raha tia manao lokomena mainty ny vehivavy iray, dia maneho fa somary mahery setra, bebe fo. Izany miditra amin’ny fiainan’ny hafa izany no tena tsy hainy indrindra ary saika olona mitokana izy matetika. Mety ho olona tia mampihomehy, na mihomehy ihany koa anefa, ka tian’ny olona ny miaraka aminy.

 

Ando

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo