Manerantany
Cameroun : olona maherin’ny 40 no maty vokatry ny fihotsahan’ny tany
31/10/2019
Tsy latsaky ny 42 ireo olona maty vokatry ny fihotsahan’ny tany tao Cameroun, ny alin’ny alatsinainy 28 hifoha 29 oktobra lasa teo.
Araka ny vaovao nampitain’ny haino aman-jery tany an-toerana dia vehivavy bevohoka ny efatra tamin’ireo nodimandry ireo. Trano am-polony no lasan’ny fotaka tao amin’ny tanana iray ao andrefan’i Cameroun, ao Bafoussam. Roa andro nisesy no avy foana ny orana tany an-toerana. Fotoan’ny orana moa amin’izao any andrefan’i Cameroun any fa ao Afrika iray manontolo mihitsy no misy andro ratsy tena mahery vaika. Tsy dia mpahazo matetika iny faritra iny nefa ny fihotsahana toa izao satria ao Atsimon’i Cameroun no tena ahitana fihotsahan’ny tany matetika. Tany no nahitana olona miisa 5 maty vokatry ny fihotsahan’ny tany satria avy be loatra ny orana. Mety mbola hitombo io isan’olona maty io, araka ny voalazan’ireo tompon’andraikitra satria mbola betsaka ireo olona tototry ny tany.
Rinahsoa