Jejoo

Dans la même rubrique

Manamafy sy mampifintina ny hoza-tsandry

03/12/2019

Ilaina ny mikolo ny hoza-tsandry mba tsy hiroraka izany sy hifintimpitina tsara. Hanampy anao amin’izany ireto fampihetseham-batana manaraka ireto :

 Lire la suite...

Manamafy sy mampifintina ny hoza-tsandry

03/12/2019

Ilaina ny mikolo ny hoza-tsandry mba tsy hiroraka izany sy hifintimpitina tsara. Hanampy anao amin’izany ireto fampihetseham-batana manaraka ireto :

 Lire la suite...

Manala kibo, dabilio no ampiasaina

26/11/2019

Mila ovaovaina ny karazana fampihetseham-batana atao mba handaitra lalandava izany. Ireto atolotra anao manaraka ireto dia manala ny tavy eo amin'ny kibo sady manamafy ny hoza-kibo Mila dabilio na seza lavalava, mari-toerana sady misy tongony ho an'ireo fampihetseham-batana rehetra atao anio.

 Lire la suite...

Inona no sakana tsy hampiroborobo ny fitiavana isan’andro ?

20/11/2019

Fy Ny Olontsoa, poeta : Sakana lehibe tsy mampiroborobo ny fitiavan'olon-droa ny hasarotam-piaro diso tafahoatra izay mitarika tsy fifampitokisana ary miteraka disadisa mampitsiry ny elanelana.

 Lire la suite...

Manala ny tavy amin’ny sisin-kibo

12/11/2019

Mba hampivoaka tsara ny bika hahazo ilay endrika gitara dia ilaina ny manala ny tavy manodidina ny andilana sy ny sisin’ny kibo iny fa tsy ampy ny manala kibo fotsiny. Ireto atao dia hahazo izay vokatra izany ianao :

 Lire la suite...

Manala « cellulite » amin’ny fe

05/11/2019

Azo atao tsara ny manala ny cellulite amin’ny alalan’ny fampihetseham-batana tsotra atao ao an-trano. Atao matetika mba hahita vokatra haingana.

 Lire la suite...

Manamafy ny nono miroraka

29/10/2019

Azo atao tsara ny mampitombo ny tratra sy ny manarina ny nono miroraka. Ireto no fampihetseham-batana atao amin’izany :

 Lire la suite...

Forme

Mampiakatra ny fitombenana

22/10/2019

Handrafitra ny fitombenanana hidongona sy ho voarafitra ho lasa boribory tsara ireto fampihetseham-batana manaraka ireto :

 

Fampihetseham-batana voalohany 

Mila seza na ankalana avoavo ity fampihetseham-batana ity. Mijoro manoloana ilay seza na ankalana dia atao eo amboniny ny tongotra havanana, aforitra ny lohalika.  Ampiakarina eo amboniny mihitsy ny vatana avy eo ka io tongotra havanana io no itehenana sady atsotra dia  ny tongotra havia kosa indray no aforitra miakatra. Iny tongotra havia iny no alefa mankany aoriana avy eo sady aforitra hanakaiky ny tany ny lohalika. Ny tongotra havanana kosa averina amin’ny tany. Izay fihetsika izay no averina in-20 dia atao toy izany koa ny lafy ilany. Manao andiany 3.

Fampihetseham-batana faharoa :

Mila “elastique” natokana hanaovana fampihetseham-batana eto. Raha tsy manana izany dia azo atao amin’izao ihany saingy mihena ny herin’ilay fampihetseham-batana. Mitsilany amin’ny tany dia aforitra ny lohalika, akambana ny tongotra roa. Atao eo amin’ny fe ilay “elastique”. Sokafana ny fe dia akarina amin’izay farany takatra ny valahana avy eo dia averina amin’ny paozy niaingana. Averina in-20 izay. Manao andiany 3.

Fampihetseham-batana fahatelo farany

Mila akalana roa sy zavatra mavesabesatra iray indray eto. Apetraka eo amin’ny ankalana tsirairay ny tongotra. Tazonina amin’ny tanana roa ilay zavatra mavesatra. Atondrondra ny fitombenana sady aforitra ny lohalika dia miverina amin’ny paozy niaingana dia sady atondrotra ny fitombenana no miondrika indray. Izay fihetsika roa mifandimby izay no averina in-20. Manao andiany 3 ihany koa.

 

Aza adinoina ny manafana tena tsara mialohan’ ny hanaovana ny fampihetseham-batana. Tokony hanao “etirements” tsara koa rehefa vita izany.

 

Isaorana coach Josy avy ao amin’ny Art Sport Fitness Andrefan’Ambohijanahary nanolotra ny fampihetseham-batana anio. Fifandraisana :0340399035                                                                                                 

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo