Jejoo

Dans la même rubrique

Manatsara endrika ny fitombenana … baolina ampiasaina

30/06/2020

Mampandaitra ny fampihetseham-batana hatao ny fanovaovana ny karazany hatao. Raha maniry hikolo ny fitombenana ianao dia azonao hatao tsara koa ireto manaraka ireto :

 Lire la suite...

Manamafy sy mampanifinify ny sandry

23/06/2020

Anisan’ny faritra mora miroraka amin’ny vatana ny sandry rehefa mandroso ny taona, raha tsy koloina. Ilaina araka izany ny manamafimafy azy ireo.

 Lire la suite...

Manintsana sady mikolo ny hoza-pe sy ny hoza-kibo

16/06/2020

Mikolo ny vatana manontolo ny fampihetseham-batana atolotra anao anio. Raha atao haingakaingana ny fihetsika dia manintsana tavy izy ireo. Manamafy manokana ny hoza-pe sy ny fitombenana koa izy ireo ary miantraika hatrany amin’ny hoza-kibo :

 Lire la suite...

Manala kibo amin'ny patin, ao an-trano

10/03/2020

Hafa kely ny fampihetseham-batana atolotra anao anio. Ampiasana ireny patin fanadiovana trano ireny izy ireto ary ny faritry ny kibo no tena miasa sy mahazo aminy.

 Lire la suite...

Mampiakatra nono miroraka amin’ny elastique

18/02/2020

Azo atao ny mampiakatra ny nono miroraka fa mila finiavana sy faharetana kosa. Ireto fampihetseham-batana ireto no atao :

 Lire la suite...

Manamafy sady mandrafitra ny fe ao an-trano

11/02/2020

Hikolo sy hanamafy ny fe indray isika anio. Tsy mila fitaovana fa ny lanjan’ny vatana na ny “poids du corps” no ampiasaina amin’ity indray mitoraka ity.

 Lire la suite...

Vehivavy bevohoka, afaka mikolo vatana koa

04/02/2020

Mahazo manao fampihetseham-batana ny vehivavy mitondra vohoka. Ireto fampihetseham-batana atoro anao ireto dia azo atao manomboka eo amin’ny faha 6 volan’ny kibo.

 Lire la suite...

Forme

Manala ny kibo sy ny roroa

15/10/2019

Satria sarotra ny manala ny kibo dia tokony hiovaova ny fampihetseham-batana hanalana azy, amin'izay mandaitra foana izany. Ireto misy fanampiny azonao atao mifandimby amin'ireo efa natolotra anao tany aloha :

 

 

 

 Fampihetseham-batana voalohany :

Matory mihorirana amin'ny tany dia mitehina amin'ny kiho. Aforitra ny lohalika. Sady hatsotra ilay tongotra eo ambony no takarina amin'ny tanana dia averina aforitra ny lohalika sy ny tanana sady apaika amin'ilay lohalika ny kiho. Averina in-20 izay dia atao toy izany koa ny lafy ilany. Averina in-3

Fampihetseham-batana faharoa :

Toy ny manao "planche" na gainage ny paozy haingana eo. Atosika mankany aloha ny vatana ka ny lohan-tongotra sy ny kihon-tanana no manosika. Alefa mihemotra mankany aoriana avy eo ny vatana sady aforitra ny lohalika. Averina in-20 dia manao andiany 3. Sady mahafisaka kibo izy ity no mandrafitra ny fitombenana ihany koa.

Fampihetseham-batana fahatelo :

Mitsilany amin'ny tany dia aforitra ny lohalika. Atsotra ny tanana. Akarina ny vatana sady alefa mifandimby eo afovoan'ny lohalika na amin'ny andaniny roa amin'ny lohalika ny tanana roa. Averina in-30 dia manao andiany 3.

Fampihetseham-batana fahaefatra

Faranana amin'ity gainage ity ny fampihetseham-batana. Mitsilany amin'ny tany dia akarina ny vatana ka ny tanana roa atao mahitsy, ny lohalika no aforitra. Tazonina 1 minitra izao paozy izao. Averina in-telo. Isaorana coach Josy avy ao amin'ny Art Sport Fitness Andrefan’Ambohijanahary nanolotra ny fampihetseham-batana anio.

Fifandraisana :0340399035                                                                                                 

Lilou

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo