Jejoo

Dans la même rubrique

Paika 5 ho an’ny sakafo ara-pahasalamana

14/02/2020

Amporisihina foana isika mba hahay handanjalanja ny sakafo hohanina. Mora am-pitenenana anefa izany, fa sarotra tanterahina ! Ity torohevitra manaraka ity àry no hanampy anao amin’izany.

 Lire la suite...

Lela may…tonio amin’ny siramamy sy yaourt

13/02/2020

Marary, manelingelina, mangirifiry ery rehefa sendra main’ny ronono velona vao nangotraka, na ny vary sosoa mbola midona-tsetroka ny lela.

 Lire la suite...

Voanatsindrana : manasitrana homamiadana

12/02/2020

Maro karazana ny fomba fiantso ny voanatsindrana : « pok pok », “cerise de terre”, « alkekenge » … Manana tsiro somary mamy marikivy izy, azo hanina amin’izao,

 Lire la suite...

Ranom-boankazo 3 manadio ny voa

11/02/2020

Miasa be ny voa satria izy no manadio ny rà amin’ny loto sy ny poizina azo avy amin’ny sakafo.

 Lire la suite...

Ny fomba fisakafo tena ara-pahasalamana

06/02/2020

Raha ny fanazavana nentin’ireo « nutritioniste

 Lire la suite...

Fanaviana : entina mandra-maty

05/02/2020

Indro kosa ny fanazavan’ny mpitsabo, izay nampanantenaina anao, tohin’ny fandaharana taiza vatana omaly, tao amin’ny « Top Radio », mahakasika ny fanaviana.

 Lire la suite...

Tsiranoka amin’ny fivaviana : Aretina sa tsia?

04/02/2020

Tranga mety hiseho amin’ny vehivavy rehetra ny tsiranoka mivoaka amin’ny fivaviana.

 Lire la suite...

Taiza vatana

Volon-katsaka, mampitony « infection urinaire »

08/10/2019

Mahasoa ny fahasalamana ny volon-katsaka. Manadio ny anaty izy satria mampivalan-drano.

 Mety tsara ho an’ireo izay voan’ny « infection urinaire » ny misotro azy. Atoro anao ny fomba fikarakarana azy mba hahazoana ny tombony rehetra avy aminy.

Akora ilaina 

  • Rano 1 litatra
  • Tantely
  • Ranom-boasarimakirana
  • Volon-katsaka 4 sf

Fikarakarana

Atao ao anaty « bocal » vita amin’ny vera ny rano sy ny volon-katsaka dia atao amin’ny toerana azon’ny masoandro mandritra ny tapak’andro.

Raha efa izay vao ampidirina ao an-trano dia esorina ny volon-katsaka. Asiana tantely sy voasarimakirana avy eo.

Azo ampangatsiahana atao mamanala na sotroina avy hatrany.

Tombontsoa azo

Azo hatao fanafody ho an’olona tsy mahatazona ny fivalanan-dranony izy ity. Tsy voatery rehefa manana aretina ihany anefa vao misotro azy fa azo sotroina toy ny dite rehetra izy ity ka mety na ho an’ny ankizy na ho an’ny olon-dehibe. Feno pôtasiôma rahateo izany.

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo