Jejoo

Dans la même rubrique

Sakafo tsara ho an’ny vehivavy mampinono

11/02/2020

Rehefa mampinono dia tsara foana raha sakafo ara-dalàna sy miovaova ary ara-pahasalamana hatrany no hohanin’ny reny.

 Lire la suite...

Misoroka ny adiadin’ankizy

04/02/2020

Tsy maintsy hisangisangy na hifamaly ny samy ankizy ao an-trano indrindra raha zaza nifanarakaraka. Rehefa matetika loatra anefa dia lasa mankaleo ny mahita azy ireo. Toro-hevitra vitsivitsy afaka hisorohana izany ireto entina amintsika androany ireto.

 Lire la suite...

Mamahana zaza : Fadio ny mitsoka ny sakafony!

28/01/2020

Fihetsika fanaontsika Ray aman-dreny ny mitsoka ny sakafon’ny zaza amin’ny vava rehefa mamay loatra. Manazava ny tsy mampety izany fihetsika izany ity lahatsoratra ity.

 Lire la suite...

HAINGON-TRANO MAMPIDI-DOZA NY ZAZA

21/01/2020

Mahafinaritra antsika Reny ny manaingo trano matetika. Misy amin’izy ireo anefa no poizina raha misy zaza ao an-trano.

 Lire la suite...

Ronono velona : Miaro ny ankizy amin’ny hatavezana

14/01/2020

Ankoatra ireo hery izay hoentin’ny fisotroana ronono velona amin’ny vatana dia fantaro fa isan’ny zava-pisotro natoraly iray miaro ny ankizy amin’ny hatavezana izy io raha ny voka-pikarohana navoakan’ny manam-pahaizana iray avy any ivelany.

 Lire la suite...

Ankizy mandeha ràn’orona : inona no atao ?

07/01/2020

Zavatra tsy dia mateti-pitranga amin’ny ankizy ny mande ràn’orana. Tsy dia misy tokony atahorana loatra izy io raha tsy hoe : misy marary na voadoana ny faritry ny orona. Na ihany koa miverimberina be ilay izy.

 Lire la suite...

Fetin’ny noely : Ireo fialam-boly azo hatao miaraka amin’ny ankizy

24/12/2019

Hankalaza ny fetin’ny Noely isika rahampitso. Ankoatra ny fandehanana mamonjy fiangonana dia fotoana iray mampiavaka ny fety ny fiarahana amin’ny zanaka na ny fianakaviana ao an-trano,

 Lire la suite...

Maman

Hiditra ny mpianatra…alamino dieny izao ny fotoana

08/10/2019

Efa miditra ao anatin’ny fanomanana sahady ny fidiran ‘ny mpianatra isika Ray aman-dreny amin’izao fotoana izao.

 

Zavatra maro no tsy maintsy karakaraina sy homanina ao anatin’izany  mba hampilamina tsara ny fiatrehana izay fidiran’ny ankizy izay indrindra ho an’ireo lehibe sady miasa. Ireto ary misy toro-hevitra dimy entina hanampiana anao amin’ny fihatrehana izany.

Raiketo mialoha ny “agenda” anao manokana

Mba hialana amin’ny fifandrifin-javatra tsy maintsy atao dia tsara raha arafitra mialoha ireo programa tsy maintsy hotanterahina na eo amin’ny samy lehibe na ho an’ny ankizy. Mamorona kaody iraisana mba hanamora ny fifandraisana.

Hifampizarao ny andraikitra

Mba hisian’ny filaminana ao an-trano dia tsara raha samy misahana andraikitra avokoa ny tsirairay na ny ankizy aza. Izay mety ho vitany omena ataony, ampianaro sy araho maso kely izy ny amin’izany hahafehezany sahady izay andraitra keliny. Ohatra: ny fampirimany ny efitra misy azy, manasa lovia kely,…

Omano mialoha ny sakafo  herinandro

Manova zavatra be raha mialoha dia efa vidiana daholo ny sakafo rehetra mandritra ny herinandro amin’izay tsy miasa saina ny momba izany intsony. Azo  hatao ihany koa rehefa tonga ny fotoana hidiran’ny mpianatra  ny mikarakara ny sakafo mialoha mba hialana amin’ny fikoropahana.

Miezaha mifoha maraina

Mba hialana amin’ny fikoropahana dia tsara raha mifoha  ora iray mialohan’ny fotoana tokony handehanana  mba hahafahana miomana am-pilaminana indrindra rehefa manomanana ny zaza.

Lalaina Rav

 

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo