Jejoo

Dans la même rubrique

Manala ny kibo sy ny roroa

15/10/2019

Satria sarotra ny manala ny kibo dia tokony hiovaova ny fampihetseham-batana hanalana azy, amin'izay mandaitra foana izany. Ireto misy fanampiny azonao atao mifandimby amin'ireo efa natolotra anao tany aloha :

 Lire la suite...

Manintsana kibo ao an-trano

01/10/2019

Hanampy anao hanala ny tavy miandrona ao amin’ny roroa ireto fampihetseham-batana manaraka ireto :

 Lire la suite...

Manamafy ny hozatry ny fitombenana sy ny fe

24/09/2019

Faritra tsara hamafisina matetika ny fitombenana sy ny fe satria manatsara ny bikan’ny vehivavy. Hanampy anao amin’izany ireto :

 Lire la suite...

Manala ny tavy amin’ny sisin-kibo

10/09/2019

Hanampy anao hanala ireo tavy amin’ny andaniny roa amin’ny kibo ny fanaovana ireto fampihetseham-batana manaraka ireto :

 Lire la suite...

Tsy misy fotoana hanaovana spaoro, ireto atao

03/09/2019

Sakana tsy hahafahan’ny vehivavy maro manao fanatanjahantena ny tsy fananana fotoana atokana ho amin’izany. Ireto misy vahaolana azo atao amin’izany :

 Lire la suite...

Mandrafitra ny fitombenana sady manamafy ny fe

20/08/2019

Mba handaitra sy hisy vokany ny fampihetseham-batana hatao dia tsara ovaovaina foana ny karazany.

 Lire la suite...

Gym 10 minitra isan’andro ho an’ny tarehy dia tsy misy kentrona

13/08/2019

Mba hanemorana ny fipoiran’ny kentrona amin’ny tarehy dia tsara ampanaovina “gym” koa ny tarehy. 10 minitra isan’andro ihany no ilainao hanaovana izany :

 Lire la suite...

Forme

Niha-natavy tamin’ny vakansy…andao ahintsana!

08/10/2019

Raha tsapanao fa nahazo aina taorian’ireny fialan-sasatra ireny ka maniry hanintsana izany dia azonao atao tsara ny manao ireto fampihetseham-batana ireto na dia ao an-trano fotsiny aza :

 

 

 

Fampihetseham-batana 1  (sary 1 – 2)

Mijoro manoloana tohatra na ankalana avoavo iray dia mitsambikina mifandimby eo amboniny ny tongotra. Tsara raha mitazona “haltère” na “tavoahangin-drano kely iray isaky ny tanana. Manafaingana ny vokatra azo mantsy izany. Averina in-30 isaky ny lafy. Manao andiany 3

Fampihetseham-batana 2 (sary 3 – 4 – 5 )

Tsy maintsy ankalana mihitsy kosa no ampiasaina ho an’ ity faharoa ity satria isabakana indraindray ilay ankalana eto. Mitazona ihany “haltère” iray isaky ny tanana. Mijoro misabaka amin’ilay ankalana dia  aforitra ny lohalika roa, hakàna bahana dia mitsambikina miakatra eo ambonin’ilay ankalana indray avy eo. Miverina amin’ny paozy niaingana avy eo. Averina in-30 izay fihetsika rehetra izay. Manao andiany 3 ihany.

Fampihetseham-batana 3 (sary 6-7)

Mitazona “’haltère” iray isaky ny tanana hatrany eto. Mijoro amin’ny an-daniny iray amin’ilay ankalana dia akarina eo ambonin’ilay ankalana ny tongotra manakaiky ilay ankalana. Mitsambikina dia ny tongotra ilany indray no apetraka eo ambonin’ilay ankalana, ny iray apetraka amin’ny tany. Ireo fihetsika ireo no averina in-30, hatao haingana sady mitsambikina isaky ny manova tongotra. Manao andiany telo hatrany.

Torohevitra fanampiny :

Mihazakazaka 15 minitra na manao dihim-bazaha 15 minitra mialohan’ ny hanombohana ireo fampihetseham-batana ireo mba hafana tsara ny hozatra.

Aza adinoina ny misotro rano mialoha na eny anelanelan’ny fanaovana fampihetseham-batana. Hahatsemboka be mantsy ireo fampihetseham-batana ireo.

Somary mitandrina sakafo rehefa manintsana toy izao mba hahita vokatra haingana. Asiana legioma sy voankazo ny sakafo telo lehibe.

Isaorana i coach Josy avy ao amin’ny Art Sport Fitness Andrefan’Ambohijanahary nanolotra ny fampihetseham-batana anio. Fifandraisana : 0340399035

Lilou

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo