Jejoo

Dans la même rubrique

'' Le premier pas pour avoir ce que vous voulez, c'est d'avoir le courage de quitter ce que vous ne voulez plus.''

15/10/2019

Tena maro be ny olona miaina sy miaritra ao anaty trangam-piainana mampalahelo isan’andro.

 Lire la suite...

« Si quelqu’un dit du mal de toi, ne te prends pas la tête, les guêpes piquent toujours les fleurs les plus belles ! »

04/10/2019

Manahirana ny miaina hoy ny fomba fiteny, noho ireo mpiara-monina, fianakaviana, mpiara-miasa, namana sasany, izay tsy mba mifantoka amin’ny fanatsarana ny fiainany fa mijabaka amin’ny fiainan’ny hafa indraindray. Na tsara na ratsy atao dia misy foana ny mpanenjika, mpanakora, mpifosa any ambadika any.

 Lire la suite...

« L’honnêteté n’est pas un habit des dimanches, mais un vêtement de tous les jours » Tristan Bernard

26/09/2019

Toa zary efa mahazatra izany voasoloky, voafitaka, voaroba trano, tratran’ny fivadiam-pitokisana, sns amin’ny fiaraha-monina iainantsika amin’izao fotoana.

 Lire la suite...

Ne sois pas une personne parfaite, sois une bonne personne !

20/09/2019

Raha mbola olombelona koa dia mety ho solafaka foana, satria mandia tany. Tsy misy mihitsy ny tonga lafatra, ka raha nahafa-po olona anankiray aza ianao, dia misy anankiray hafa ihany hitsikera sy hilaza fa tsy mety aminy ny nataonao.

 Lire la suite...

« Peu importe ce que les gens pensent de vous, ne vous forcez pas à être la personne que vous n’êtes pas, soyez vous-même car c’est ce qui vous rend unique. »

19/09/2019

Manana toetra voajanahary azy irery ny olona tsirairay. Raha mbola kely dia ny ray amandreny sy ny mpampianatra ary ny tontolo manodidina no mandrafitra io toetra io ka mampianatra ny tsara sy ny ratsy.

 Lire la suite...

« Peu importe si vous ayez du style, une réputation ou de l’argent. Si vous n’avez pas bon cœur, vous ne valez rien. »

16/09/2019

Miara-manaiky isika vehivavy angamba fa olon’ny fo. Mora antra, mora raiki-pitia, mora babo, mora mangoraka rehefa misy trangan-javatra miseho manodidina antsika.

 Lire la suite...

« Nos véritables ennemis sont les poisons mentaux : l’orgueil, la haine et la jalousie. Ce sont les seuls capables de détruire notre bonheur »

11/09/2019

Dalaï Lama Toe-po isan’ny ratsy sy manimba ny fiainana iray manontolo ny fitazonana lolom-po. Amin’ny mahaolombelona anefa dia tsy maintsy mandalo an’izany eo amin’ny fiainana, saingy ireo fetsy sy te ho sambatra ihany no mahay mamafa izany, hoy ireo mpandinika ny maha-olona.

 Lire la suite...

Citation

« Ne prends jamais de décision définitive sur une émotion passagère »

08/10/2019

Misy karazan’olona mora entim-po, izay mihitsy no toetrany ka rehefa misy fihetseham-po tsapany dia iny no manosika ny sainy handray fanapahan-kevitra haingana mifandraika amin’izay avy hatrany.

 

 

Matetika ireny olona ireny anefa no velom-panenenana rehefa mandeha ny fotoana satria tsy ampy fandinihina sy fijerena ny zava-misy marina ilay fanapahan-kevitra ka matetika no mandringa sy sarotra tanterahana ary izy naka ilay fanapahan-kevitra ihany no voafatotra. Amin’ny maha-toetra ilay “mora  entim-po » dia sarotra ny manova azy saingy ny tarehy ratsy no tsy azo ovaina anefa. Azo atao tsara ny mampiana-tena mizatra mitony rehefa mbola mamaivay ny fo. Misinda kely, mangina, na miala kely amin’ny tontolo manodidina mihitsy mandritra ny fotoana  hieritreretana sy hampanginana kely ilay “fo adala”. Vahaolana iray ihany koa ny fananana namana azo itokisana sy mahay manoro hevitra amin’ny fotoana mampisamboaravoara ny fo. Zarao amin’ny namana ny alahelo, hatezerana, hafaliana ka io namana io no hanitsy anao amin’izay lalana tokony halehanao. Ny anjara andriakiny mantsy dia ny manokatra ny maso hijery ny tsy tsapan’ny fo  ka hahatonga saina avy hatrany amin’izay tokony hatao marina. Manimba zavatra ny fo indraindray ka aza avela hamotika  izay efa natsangana!

 

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo