Jejoo

Dans la même rubrique

Sakafo 8 misoroka ny homamiadana

15/10/2019

Ahoana ny atao raha te-hiaro ny tena tsy ho voan'ny homamiadana ? Azo atao amin'ny alalan'ny fitandremana ny sakafo sy fanaovana fampihetseham-batana matetika izany. Ireto misy sakafo misoroka manokana ny homamiadana.

 Lire la suite...

Ireo sakafo azo hanina, tsy voafetra

01/10/2019

Misy fetrany avokoa ny fatran’ny sakafo azo hanina rehetra.

 Lire la suite...

Ny sakafo ilain’ny mpanala fanadinana

24/09/2019

Fantatrao ve fa mitroka hery be ny atidoha rehefa miasa be ? Mila tohanana tsara ara-tsakafo noho izany ny vatana rehefa ao anatin’ny vanim-potoanan’ny “revision”

 Lire la suite...

Sakafo 8 miady amin’ny « stress » sy ny havizanana

03/09/2019

Tahaka ny hitondran’ny sakafo tsy voalanjalanja voka-dratsy amin’ny fahasalaman’ny vatana dia misy akony amin’ny fahasalamana ara-tsaina sy ny fihetseham-po koa ny sakafo. Misy tokoa ny sakafo mampitony ny rarin-tsaina ka mampahita tory kokoa ohatra. Ireto avy izy ireo :

 Lire la suite...

Ireo sakafo tsara hohanina rehefa fadim-bolana

27/08/2019

Fantatrao ve fa mety misy akony amin’ny fadimbolana ny fisafidianana ny sakafo hanina. Misy tokoa ny sakafo tsara hohanina matetika mba tsy hanelingelina loatra ny manaintaina mandritra ny fadimbolana.

 Lire la suite...

Ny atao hoe : sakafo voalanjalanja marina

13/08/2019

Re ombieny ombieny ny hoe : tokony hisakafo voalanjalanja raha te ho salama. Mahalana be kosa no iresahana ny kipitsony maha-voalanjalanja ny sakafo. Indro ary atoronay anao ny fomba atao handrafetana sakafo voalanjalanja ho an’ny vatana :

 Lire la suite...

SAKAFO MARAINA MAMPATANJAKA

06/08/2019

Antony iray mahatonga ny ankamaroan’ny olona tsy misakafo maraina ny hoe : tsy fantatra intsony ny tsara hohanina. Indro hampahatsiahivinay anao ny sakafo maraina tena tonga lafatra :

 Lire la suite...

Diététique

Sakafo 5 mandoro ho azy ny tavy

08/10/2019

Tsy misy fahagagana ny fampihenan-tena fa izay sakafo miditra ny vava ihany no mivoaka eny amin’ny vatana.

 

 

 Misy karazana sakafo mora mitahiry tavy toy ny maionezy, ny saosisy, ny kiendiendy sy ny sakafo matavy. Misy koa anefa  ireo mitroka tavy ka anisan’ireny ireto tanisaina anao manaraka  ireto.

Baranjely

Mitroka menaka be ny baranjely rehefa handrahoana. Fantaro fa mitroka menaka koa izy rehefa tafiditra ao anaty. Kely kaloria izy kanefa be fibres sy pectine ankoatra izay ary  mandoro tavy sady mahavoky ela no manala ny poizina ao anaty ary tsy mampitohina mihitsy. Tsy andrahoina amin’ny menaka kosa anefa izy rehefa hahandro azy .

Selery

Legioma kely kaloria ny selery. Mahavoky koa izy satria be fibres. Be vitamina rahateo izy sady mampivalan-drano koa fa tsy vitan’ny mitroka tavy fotsiny.

Legioma maitso

 Mampivalan-drano ny brocoli, ny poavrao ka manadio ny ao anaty. Ny korzety indray dia mandany hery betsaka ny mandevina azy. Be fibres sady manamora ny fandevonan-kanina kosa ny laisoa sady manadio ny ao anaty. Sady mandoro tavy avokoa ireo voatanisa ireo.

Mananasy

Sady be « fibres », kely kaloria kanefa be ranony ny mananasy. Tsy vitan’ny mitroka tavy izy fa miady amin’ny cellulite izay vokatry ny fiandronan’ny rano ao anaty koa. Tsy tokony hohanina irery anefa izy sao dia hankarary vavony indray.

Trondro matavy

Na dia matavy aza ny trondro matavy dia mitroka tavy koa. Ny oméga-3 mantsy dia mahery vaika tokoa amin’ny fitrohana ny tavy miandrona ao anaty. manampy ny hozatra ho voatazona tsara ny proteina ao anatiny.

Azo hohanina matetika noho izany ireo voatanisa ireo raha toa ka te-hanena tena. Kendreo fotsiny ny fomba fikarakarna na fandrahoana azy ireo tsy ho be menaka loatra indray. Tandremana tsara koa ny fatran’ny sira ampiasaina aminy.

 

Hary

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo