Jejoo

Dans la même rubrique

Manimba tarehy ve ny “lingettes démaquillantes” ?

18/10/2019

Efa betsaka ny vehivavy Malagasy no mampiasa ny “lingettes démaquillantes” hanadiovana tarehy, indrindra amin’izao andro miha-mafana izao.

 Lire la suite...

Manazava endrika amin’ny voasarimakirana

17/10/2019

Mety hanimba tarehy ny akora mamotsy hoditra misy singa simika.

 Lire la suite...

Menaka «amande douce », azo hanadiovana tarehy isan’andro

15/10/2019

Na nanao haingon-tava na tsia dia tokony hodiovina foana ny tarehy isaky ny hariva mialoha ny hatory sy amin’ny maraina. Io ilay antsoina hoe “démaquillage”.

 Lire la suite...

Manala kentrona amin’ny tantely…izao atao

14/10/2019

Misy karazany 4 ireo fomba azo atao hanalana tsikelikely ny kentrona eo amin’ny tarehy amin’ny alalan’ny tantely.

 Lire la suite...

Te hanao « faux ongles », matihanina ihany atonina!

11/10/2019

Teknika iray hikarakarana ny hoho sy entina hampaniriana azy ny fametahana « faux ongles ».

 Lire la suite...

Ny tokony ho fikoloana tongotra, ao an-trano

10/10/2019

Raha karazan’ireny olona tia mikarakara vatana amin’ny akora natoraly ao an-trano ireny ianao dia azonao andramana ity “gommage” ho an’ny tongotra ity.

 Lire la suite...

Mamotsy helika amin’ny citron, yaourt, karibaonetra …

07/10/2019

Rehefa miandrona eo amin’ny helika ny sela maty dia lasa mivalomainty ny hoditra. Ratsy anefa ny mahita ny lokony miavaka be tahaka izany.

 Lire la suite...

Beauté

Manarina ny hodi-tava reraka

08/10/2019

Vao vizana, na tsy dia natory tsara, dia hita avy hatrany eny amin’ny tarehy ny vokany. Raha hamonjy lanonana na hanatrika fotoan-dehibe kanefa sendra izany havizanana izany, dia hanavotra anao ireto paipaika ireto :

 

 

 

 

Mialohan’ny hanaovana haingon-tava dia ireto atao :

 

  • Diovina amin’ny “eau florale” toy ny “eau de rose” aloha ny tarehy. Lomana rano mahamay ny servieta iray dia apetraka eo ambonin’ny tarehy mandritra ny 10 minitra, sady miezaka maka aina no tsy miasa saina. Vita izay dia hosorana tantely 1 sotro ny tarehy manontolo mba ho mandina hatrany ifotony. Avela minitra vitsy vao kobanina amin’ny rano matimaty. Ho toy ny hodi-jazakely ny tarehinao avy eo.
  • Ity misy fomba faharoa izay hampamiramirana ny tarehy haingana be : maka tapotsin’atody. Asiana ranom-boasarimakirana kely dia kapohina hisavovona. Ahosotra amin’ny tarehy ary tazonina eo mandritra ny 20 minitra vao kobanina  amin’ny rano mangatsiaka. Sady hadio tsara ny tarehy no hazava loko kokoa.
  • Hanome loko tsara ny tarehy koa ny misotro ranom-boankazo voaloboka isa-maraina, ilay vao nopotsehina fa tsy ilay efa voavaotra ara-indositrialy akory no. Hanampy anao koa ny hanosotra tambavy vita amin’ny dità amin’ny tarehy, atao toy ny “lotion”.

 

Tsara ho fantatra  

Manatsara ny fidiran’ny ôksizenina ao anatin’ny hoditra ny vitamin C sady manampy ny hoditra hiady amin’ny fahanterana aloha loatra. Aza misalasala, noho izany mihinana legioma sy voankazo be vitamina C, toy ny kiwi. Ankoatra izay dia zava-dehibe ho an’ny hoditra koa ny vitamina D.

 

Ando

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo