Jejoo

Dans la même rubrique

Ireo fambara fa mampirafy izy…

01/07/2020

Misy fambara ety ivelany ve rehefa mampirafy ny lehilahy? Ahoana no hahafantarana? Misy azo hamantarana azy tokoa. Ireto mantsy no matetika miseho rehefa mampirafy ny lehilahy :

 Lire la suite...

Nisaraka dia mifamerina, ahoana no hamerenana ny tokantrano ?

24/06/2020

Na mafy tahaka ny inona aza ny fifamaliana teo am-pisarahana dia mety mbola hifamerina ihany ny olon-droa.

 Lire la suite...

LOVE Mpivady tsy mifankaleo anaty fihibohana, ny atao...

27/04/2020

Na dia miditra tsikelikely ao anatin'ny fialana amin'ny fihibohana aza isika dia mbola tapakandro ihany no hahafahana mivoaka.

 Lire la suite...

Ahoana ny atao ahitako olona tiako sady tia ahy

23/03/2020

Ny ho tiana sady ho tia, izay no nofinofin’ny ankamaroan’ny olona. Ahoana anefa no ahitana ilay olon-tiana io? Misy azo atao ve hanafaingana ny fahitana azy? Mety hanampy anao ireto torohevitra ireto

 Lire la suite...

Nisaraka : Fomba 4 mampitony ratram-po

16/03/2020

Mazàna dia aorian'ny fisarahana amin'ny olon-tiana no miseho. Ahoana no atao mba ho sitrana amin'izany? Ireto misy torohevitra 4 azo atao.

 Lire la suite...

Torohevitra 5 hanamafisana ny fifandraisam-po eo amin'ny mpivady

09/03/2020

Inona ny atao mba ho tsara fifandraisana foana ny mpivady? Atoronay anao 1- Miresaka fa tsy maminavina fotsiny

 Lire la suite...

Mahay mifaneho fitiavana, na efa ela niarahana aza

04/03/2020

Any am-piandohan'nyy fiarahana, dia mandeha ho azy ny fifampizaràna fitiavana, ny fifanehoana tambitamby, ny fitenenana teny mamy...

 Lire la suite...

Love

Mandainga izy sa tsia, teknika roa hamantarana izany

07/10/2019

Mandainga aminao ve izy sa tsia ? ny hany azo antoka dia tsy mbola nisy olona nanontaniana raha nandainga na tsia niaiky fa nandainga tokoa.

 Tsy maintsy mampiasa paika raha te-hamantatra na milaza ny marina tokoa izy na tsia. Ireto misy fomba azo hamantarana izany.

 

Tranga mitovy tantaraina aminy

 

Miahiahy ianao fa nandainga taminao ny olon-tianao na ny vadinao saingy tsy manana porofo ianao. Aza mitoroka azy mihitsy satria fotoana very fotsiny izany. Raha miahiahy azy ho mampirafy anao miaraka amin’ny mpiara-miasa aminy ianao ohatra dia tranga mitovy amin’ilay ahiana ho ataony mihitsy tantaraina aminy. Ohatra : « Manahy mafy aho fa miaraka amin’ilay sekreterany ny tale-nay. Manambady anefa izy an! Raha manova resaka haingana na mivoara mena izy na misafo loha dia efa fambara izany fa mahakasika azy manokana ity tranga tantarainao ity.

 

Mametraka fanontaniana momba ny toerana

 

Ity teknika faharoa ity indray dia fomba hahatonga ny mpandainga tsy maintsy hanamarina ny lainga nataony. Raha milaza ho nandeha niara-nisakafo tamin’ireo mpiara-miasa tao amin’ny toeram-pisakafoanana iray izy dia fanontaniana mahakasika ny manodidina iny toerana nolazainy fa nandehanany iny indray apetraka aminy. Ohatra : Naheno aho fa nisy “accident” teny amin’ny manodidina teny androany. Raha tena tany amin’ilay toerana nolazainy fa nandehanany tokoa izy dia tsy maintsy hamaly avy hatrany, tsy hiandry ela akory. Tsy ho mailaka hamaly tahaka izany ny olona mandainga fa tsy maintsy hiakanakana. Rehefa mikorontana ny lohany dia tsy maintsy ho hita amin’ny fihetsiny na eny amin’ny tarehiny koa fa mandainga izy.

 

Hary

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo