Jejoo

Dans la même rubrique

Fomba tena mety fisotroana rano

30/06/2020

Kamokamo hisotro rano ny ankabeazan'ny olona amin'izao vanim-potoana ririnina izao.

 Lire la suite...

Sakafo dia ampy hanalana « stress »

23/06/2020

Amin’izao vanim-potoana tena tokony hitandremana tsara ny fahasalamana izao dia tokony ho tandrovana manokana ny mba hampatanjaka ny hery fiarovana foana. Stress fotsiny dia mety hamparefo ny hery fiarovana .

 Lire la suite...

Jus apongambendanitra, tongolo gasy namainina, … Manamafy ny hery fiarovana

16/06/2020

Ao anatin’ny ririnina tanteraka isika. Mila hamafisina kokoa noho ny teo aloha ny hery fiarovana indrindra amin’izao vanim-potoana izao. Ireto vokatra natoraly telo ireto dia anisan’ny manamafy ny hery fiarovana ka tsara hohanina matetika.

 Lire la suite...

DIETETIQUE Sakafo maraina : Antony 7 isadianana atody

19/05/2020

Fantatrao ve fa tsara ho an’ny fahasalamana ny mihinana atody amin’ny sakafo maraina? Ireto atoro anao ireto ny antony Mahavoky Be proteina sy menaka ny atody. Mahavoky izy noho izany sady mitondra hery.

 Lire la suite...

Sakafo 4, tsy ampoizina… mety mahafaty

10/03/2020

Tsy voatery mahasoa avokoa ny karazan-tsakafo rehetra. Ireto atoro anao ireto izao tena mety hahafaty mihitsy ka ilana fitandremana manokana.

 Lire la suite...

Antony 5 tokony hihinanana « pastèque »

03/03/2020

Manana tombony isika eto Madagasikara satria manan-karena voankazo sy legioma, tsy toy ny firenena hafa izay voatery manafatra izany. Tsara araraotina ihany izany. Ho famporosihina anao dia fantaro anie ireo tombontsoa entin’ny voazavo ireto e !

 Lire la suite...

Ireo sakafo mahasalama raha ampiarahana

18/02/2020

Misy karazan-tsakafo izay mora raisin’ny vatana kokoa ny otrikaina entiny raha ampivadiana amin’ny sakafo hafa manokana. Ireto misy karazan-tsakafo azo hampivadiana tsara

 Lire la suite...

Diététique

Ireo sakafo azo hanina, tsy voafetra

01/10/2019

Misy fetrany avokoa ny fatran’ny sakafo azo hanina rehetra.

 

 

 

 Tsy azo atao rahateo ny mihinana sakafo mamy, masira na be menaka loatra. Ireto sakafo omena anao manaraka ireto kosa dia azonao hanina tsy voafetra na dia manaraka “régime” aza.

Ny filan’ny vatan’ny vehivavy

Tena zava-dehibe ny mahay misafidy ny sakafo hitondra otrikaina sy kaloria enti-miasa. Raha tsiahivina dia mila 1900 hatramin’ny 2600Kcal  eo miankina amin’ny taonany sy ny fomba fampiasany ny vatany ny vehivavy iray isan’andro. Betsaka kokoa io filàna io ho an’ny lehilahy satria mahatratra 2400 ka hatramin’ny 3400kcal izany.

Ny tokony ho hita ao anaty lovia

Toy izao ny firafitry ny sakafo voalanjalanja tokony ho hita ao anaty lovia araka izany :

·         Legioma 50%  (masaka na manta)

·         Féculents 25% (paty, vary, ovy, « céréales », semoule …)

·         Proteina 25% (hena, henam-borona, trondro, atody, fraomazy…)

Ireo sakafo azo hanina tsy voafetra

Azo ampidirina ao anatin’ny sakafo hanina matetika ireto manaraka ireto.

Ny lentilles :manome hery kanefa tsy mitondra menaka

Manome hery ho an’ny vatana ny voamaina satria manome 300 hatramin’ny 350 kcal ny 100 grama aminy. Kely dia kely anefa ny “index glycémique » aminy. Sady be proteina izy no mitondra gliosida koa ary tsy mitondra lipida sy siramamy mihitsy. Azo hanoloana ny « féculents » mahazatra toy ny vary sy paty ary ovy mihitsy izy noho izany.

Ny paoma, voasary, roatra…

Na dia mamy aza ireto voankazo voatanisa ireto dia kely ny gliosida ao anatiny izany hoe : kely koa ny kaloria entiny. Mahavoky ny paoma noho izy be pectine .Toy izany koa ny karazam-boasary rehetra toy ny voasarimakirana, ny voasary ary ny papelimosy. Kely gliosida koa ny voankazo mena toy ny « framboise » sy ny roatra ka azo hanina betsaka ihany koa.

Fanamarihina 

Marihina fa ny cerise, ny akondro ary ny voaloboka dia be siramamy be ka voafetra ho anjara iray ihany isan’andro no azo hanina amin’ireo voankazo ireo.

Hary

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo