Jejoo

Dans la même rubrique

Avoine sy voasarimakirana, mahavery 5 kilao ao anatin’ny 5 andro

24/06/2020

Tsy maintsy mitandrina ny sakafo sy manao fampihetseham-batana tsindraindray, raha te hihena. Hanafaingana ny fampihenan-tena atao kosa ny fisotroana zava-pisotro mampihena ary karazany iray tena mandaitra ity atolotra anao ity, satria mety hampihena hatramin’ny 5 kilao ao anatin’ny 5 andro :

 Lire la suite...

Te-hanala « cellulite », ny tokony atao rehetra

15/06/2020

Ilay hoditra mitovy endrika amin’ny hodi-boasary amin’ny fe iny no antsoina hoe cellulite. Tena ratsy ery ny fijery azy rehefa hita be izy.

 Lire la suite...

Paquerette : Very 10 kilao tao anatin’ny 5 volana…

10/06/2020

Anisan’ny nahita vokatra tamin’ny fampihenan-tena i Paquerette. Very 10 kilao tao anatin’ny 5 volana izy. Araho ny nataony sao mahasoa anao ihany koa.

 Lire la suite...

Paipaika 4 voaporofo ara-tsiantifika fa mampihena

08/06/2020

Misy fahazarana kely marom aro mety hanampy hanafaingana ny fampihenan-tena hatao na mifanohitra amin’izay, vao mainka hampitombo

 Lire la suite...

MINCEUR Te-hihena : Tsy ampy raha spaoro fotsiny

27/04/2020

Araka ny fanadihadiana iray navoakan’ny American Journal of clinical Nutrition dia tsy ampy hampihenan-tena ny manao spaoro kanefa tsy manamboatra ny fomba fisakafoanana.

 Lire la suite...

MINCEUR Karazana lasopy 6 mitroka tavy sady matsiro

21/04/2020

Tsapa ho nidina ny maripana tao anatin'ny andro vitsivitsy izay. Mety tsara noho izany ny mihinana sakafo mafana amin'izay. Raha te hitazon-danja moa dia mety aminao tsara ireto karazana lasopy 5 ireto. Sady mitroka tavy izy ireo kanefa matsiro

 Lire la suite...

Zava-pisotro manala ny tavy eo amin’ny kibo

23/03/2020

Ny tavy manodidina ny kibo no tavy sarotra ahintsana indrindra raha mihoatra ireo faritra hafa amin’ny vatana

 Lire la suite...

Minceur

Sady manadio ny ao anaty, no mihena…

26/09/2019

Miavaka amin’ny fanaovana “regime” ny “detox”. Manadio ny ao anaty mantsy izy kanefa mampihena koa. Mahasalama kokoa ny manao azy. Atoro anao ny paipaika tsaraarahina mba hampahomby ny “detox” atao :

 

 

 

Ny fitsipika

Tsy tokony hampanoana ny “detox”. Ity atoro anao ity dia atao mandritra ny 3 herinandro. Tsy tokony hihinana smoothies sy ron-dasopy fotsiny akory ao anatiny. Tokony misakafo ara-dalana saingy tokony ny legioma sy voankazo no mandrafitra ny ampahany betsaka amin’ny sakafo. Ireo avy ny atao mba hahomby ny detox atao

 Paipaika 10

°1 : Esorina ny sakafo mitondra poizina ao anaty rehetra : « charcuteries », hena mena, vokatra vita amin-dronono sy fraomazy, alikaola  ary ny sakafo mamy rehetra toy ny « sodas » zava –pisotro mamy misy entona na tsia, tsindrin-tsakafo rehetra ary ny sakafo indositrialy rehetra

°2 : Omena vahana ny sakafo manta satria be otrikaina sy vitamina kokoa. Raha tsy maintsy andrahoina dia tsy ketrehina ela afa tsy ny lasopy legioma ihany.

°3 : Sakafo tiana no hohanina. Raha tsy tia navet na artisao dia tsy voatery hihinana azy na dia hoe manadio aza ireo legima ireo.

°4 : Mahay misafidy siramamy ela vao levona : Azonao atao ny mihinana vary mbola feno otrikaina (vary gasy), katsaka, voamaina toy ny lentilles sy tsaramaso…

°5 : Zava-maitso manitra sy episy ampiasaina hanomezana tsiro ny sakafo dia ahena kosa ny sira.

°6 : Fadiana ny sakafo be menaka sy ny karaza-menaka mampatavy. Tazony kosa ny karaza-menaka tsara toy ny zavoka, amandes… Menaka oliva sy colza ampiasaina amin’ny salady.

°7 : Mankafiza miantsena fa eny an-tsena no ahitana ny hatsaran-tarehin’ny legioma sy ny voankazo.

°8 : Aza mihinana mofo dipaina. Sakafo kely gluten ihany hohanina. Raha tena tsy maintsy dia ireo karazany mbola feno otrikaina ihany na « pain complet » ihany hohanina sady atao amin’ny fatra kely.

°9 : Mahazo mihinana ody ambavafo raha noana anelanelam-potoana. Voankazo,voan-javatra, chocolat noir, ronono vita amin’ny soja,  legioma natao smoothie, zava-pisotro mafana tsy mamy na dite « thé vert » amin’ny voasarimakirana  sy sakamalaho atao.

°10 Sakafo bio ihany hohanina raha azo atao. Sakafo azo antoka ny zezika nampiasaina taminy ary fantatra fa tsy nampiasana pesticide no antsoina hoe « bio ». Ireny no be otrikaina sy vitamina ary mpanala arafesina kokoa.

Ohatra sakafo iray andro :

Sakafo maraina   : Voankazo izay lany + voanjo na amndes 1 tanana + zav-pisotro mafana tsy mamy

• Sakafo atoandro  : Legioma 1 lovia (crudités ¾ + masaka ¼)  notondrahana menalka oliva sy ranom-boasarimakirana ary zava-maitso manitra. +  voamaina misy episy na saosy voatabia ny herinandro voalohany. Ampifandimbiasina ny henamborona sy ny trondro ary ny atody ny herinandro faharoa sy fahatelo. atao 100 na 120 grama eo. Voanjazo 2 ny tsindrin-tsakafo.

• Sakafo hariva : lasopy legioma notondrahana menala oliva kely, nasiana zava-maitso manitra, voankazo manta na nomasahana 1 na 2

Torohevitra fanampiny :

Orina manaraka ny fiodin’ny famataranandro ny kibo, miaina lalina tsara miainga any amin’ny kibo, manao dian-tongotra na mampihetsi-batana araka izay tratra, makaaina kao rehefa mahatsiaro vizana.

 

Lilou 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo