Jejoo

Dans la même rubrique

"Rouleau de printemps pané" Akora ilaina

22/05/2020

ho an'ny sesika ( mahavita 20 isa): Totonkenan' omby 250g Tongolo 6 Karaoty lehibe 1 Olatra mainty Poavrao lehibe 1 Pate blanche Tapotsin'atody 1

 Lire la suite...

Omelette amin'ny jambon

15/05/2020

Maro ny fomba afaka hikarakarana ny « omelette ». Iray amin’izany fotsiny ity entina aminao anio ity: Ireto avy ireo akora ilaina:

 Lire la suite...

Nosy Be Nisy "lame" tao anatin'ilay mofo

09/05/2020

Tohina mafy ny mpanjifa ao Nosy Be, faritra Diana raha nahita fanehoana (publication) nataon’ny mpividy mofo dipaina iray omaly zoma maraina 08 Mey.

 Lire la suite...

Paramedicaux eny amin’ny barrage sanitaire Tsy manaraka ny fenitra ny fitaovana fiarovana

09/05/2020

Manaitra ny tompon’andraikitra ao amin’ny Sendikan’ny Mpitsabo mpanampy sy sages-femmes eto Madagasikara na ny SISFM ireo mpitsabo mpanampy mivondrona ao amin’ny Association des Jeunes Paramédicaux

 Lire la suite...

CUISINE "Gaufre" masira, matsiro

27/04/2020

Rehefa mikarakara na mihinana « gaufre » dia tsy mahazatra loatra ilay izy masira.

 Lire la suite...

Maiônezy

23/03/2020

Akora ilaina · Tamenak’atody 1 · Moutarde mahery 1 sf · Menaka · Sira sy dipoavatra

 Lire la suite...

Galety amin’ny vary sy laisoa

20/03/2020

Akora ilaina · Vary 300g · Laisoa 1 · Jambon blanc 100g · Tongolo be 1 · Atody 4 · Lafarinina 2sf · Tamotamo 2 tsongo · Menaka hanendasana · Sira sy dipoavatra

 Lire la suite...

Sakafo

Henan’omby ritra mafilotra

12/09/2019

Akora ilaina · Sakay mena nohamainina 5 · Nofon-kenan’omby 2 kg · Menaka ¼ tasy · Tongolo be 2, efa notetehina boribory manify ny iray · Tongolo gasy voany 4, efa voavaofy · Sakamalao 3 sm efa voatoto · Tavim-boanio 2 tasy sy ½ · Vovoka kotomila 1 sf (azo soloina kotomila notetehina manify raha tsy misy) · Dipoavatra mainty voapotika 1 sk · Vovoka tamotamo 1.5 sk · Tahom-boasary 10sm efa notapahina 3 · Carry 1 sk · Ravina laurier 2

 

 

 

Fikarakarana azy

1.      Lomana ao anaty rano mandritra ny 10 minitra eo ny sakay

2.      Tsihifina dia esorina ny voany.

3.      Karakaraina ny hena, esorina ny taviny dia tetehina lavalava ny nofony

4.      Hafanaina ny antsasaky ny menaka. Endasina amin’io ny hena ary tsy atao mahery loatra ny afo. Rehefa mendy tsara vao esorina eo ambony afo. Tsihifina eo ambony taratasy.

5.      Arotsaka ao anatin’ilay vilany teo ihany ny ambin’ny menaka dia endasina ao ny tongolo ary ketrehina mandritra ny 10 minitra eo ho eo. Vao mendy dia esorina

6.      Potsehina miaraka ny tongolo ambiny, ny tahom-boasary, ny tongolo gasy, ny sakamalao ary ny sakay. Rehefa mahazo paty matevina tsara dia ajanona.

7.      Arotsaka ao anatin’ilay vilany misy ny tongolo nendasina teo. Averina hataingina ambony afo mandritra ny 5 minitra  eo ary haroina tsy mijanona.

8.      Arotsaka ao ny tavim-boanio sy ny hanitra ary ketrehina mandritra ny 5 minitra.

9.      Averina anaty vilany ny hena. Saromana dia andrahoina mandritra ny ora iray. Tapitra io fe-potoana io dia esorina ny sarony ary avela ho ridritra mandritra ny 5 minitra.

10.  Araraka amin’izay ny krema voanio, ny sira sy ny siramamy.

11.  Aroso miaraka amin’ny vary.

 

 

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo