Jejoo

Dans la même rubrique

Mampitony goty ny ranona mananasy

12/09/2019

Ny goty no aretina anisan’ny tena mahavoa ny olona mihoatra ny 40 taona. Mampanaintaina fatratra ny vanin-taolana izy ity. Soa fa misy ny fomba natoraly hampitoniana azy ary anisan’izany ity zava-pisotro manaraka ity :

 Lire la suite...

Ireo fambara fikorontanan’ny tsiry mpanentana

05/09/2019

Tsy vitsy ny vehivavy no misedra fikorontanan’ny tsiry mpanentana, saingy tsy mahalala izany akory.

 Lire la suite...

Mihomehy : Mampidina tosi-drà, miaro amin’ny aretina…

04/09/2019

Ireo manam-pahaizana dia manambara fa tokony hihomehy 10 minitra isan’andro fara-fahakeliny ny olona iray.

 Lire la suite...

Mitsabo sofina lalodalovana amin’ny tongolo gasy

03/09/2019

Mety harenina tampoka ny sofina fa tsy hoe : rehefa malady izy izao dia ho toy izany foana. Araky ny tarehimarika navoakan’ny OMS dia ny 5%-n’ny mponina eran-tany no tratran’ny fihenan’ny faharenesana, izany hoe

 Lire la suite...

“Smoothie” karaoty : Manadio ny taova rehetra…

30/08/2019

Samy manana ny otrikaina entiny ny akora tsirairay. Rehefa hatambatra anefa ny akora 2 samihafa dia betsaka kokoa ny voka-tsoa azo, satria fangarona otrikaina maro no gohan’ny vatana. Isan’ireo ny “smoothie” karaoty, afangaro amin’ny akora hafa, ka manasitrana aretina maro.

 Lire la suite...

Sirop manala rehoka, vita amin’ny karaoty

29/08/2019

Indraindray, misy rehoka miforona ao amin’ny tratra, vokatry ny hatsiaka na aretina ao amin’ny taovam-pisefoana.

 Lire la suite...

Fadimbolana mikorontana be : Manome vahana ny aretina !

28/08/2019

Tsy mitovy ny fotoana hahatongavan’ny fadimbolana eo amin’ny ankizivavy. Mizy ireo 10 taona dia efa tonga fotoana, misy koa no efa 15 taona noho mihoatra, nefa mbola tsy miseho ihany izany. Ny fahatongavan’izy io aloha loatra, na taraiky loatra anefa, dia mety hitarika aretina…

 Lire la suite...

Taiza vatana

Zava-pisotro manadio ny havokavoky ny mpifoka sigara

10/09/2019

Iaraha-mahalala fa tena sarotra ny miala sigara. Misy singa poizina ho an’ny havokavoka anefa avy amin’ny sigara, izay manimba azy tokoa. Ilaina ny manadio azy matetika, noho izany. Ity misy zava-pisotro afaka manadio ny havokavoky ny mpifoka sigara.

 

 

 

 

Akora ilaina :

·         Tamotamo 2 sf

·         Tongolo 400g

·         Sakamalaho

·         Sirop d’érable 400g (eny amin’ny tranom-barotra lehibe)

·         Rano 1

 

Fikarakarana :

Afangaro amin’ny rano ny « sirop d’érable ». Ampangotrahina avy eo. Etsy an-daniny, tetehina madinika ny sakamalaho sy ny tongolo dia arotsaka ao anatin’ilay rano nomamiana teo. Alefa ao koa ny tamotamo avy eo. Ahena ny afo dia avela hiketrika hatrany ny fangaro, mandrapaharitrany hatreo amin’ny an-tsasany. Tantavanina avy eo dia hafindra ao anaty fitoerana vita amin’ny vera. Avela hangatsiaka amin’ny hafanana ety ivelany, izay vao ampidirina ao anaty vata fampangatsiahana.

 

Tombony azo :

Samy mitondra tombony ara-pahasalamana ho an’ny fahasalamana avokoa ireo akora fototra telo mandrafitra ity zava-pisotro ity, dia ny tamotamo, ny sakamalaho ary ny tongolo. Samy manana mpanala arafesina, feno otrikaina ary misy singa miaro amin’ny bakteria sy otrikaretina avokoa izy ireo. Mampiavaka ny sakamalaho manokana dia izy manampy ny havokavoka hamoaka ny rehoka sy loto miandrona ao anatiny, vokatry ny fifohana sigara.

 

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo