Jejoo

Dans la même rubrique

Ireo marika firavaka ankafizin-dry Beyoncé, Meghan Markle…

17/01/2020

Manana ny marika firavaka tena tiany ry Rihanna, Beyoncé, Gigi Hadid… Misy amin’ireny no hanaovan’izy ireo matetika mihitsy na dia fantatra fa manana marika mampanofa izany maimaim-poana azy ireo izy, rehefa hamonjy lanonana.

 Lire la suite...

Cardi B, Billie Eilish, Gigi Hadid : Ireo fitaratry ny lamaody amin’ity taona ity

16/01/2020

Be dia be ireo olo-malaza no nametraka ny fomba fianjaikany ary tonga dia niavaka avy hatrany, tamin’iny taon-dasa iny. Ireto indray ary, taorian’izany, ireo olo-malaza tsara arahina, raha resaka lamaody, amin’ity taona vaovao ity.

 Lire la suite...

1. Nanaiky ny fangatahan’ny printsy Harry sy ny vadiny Meghan Markle,

15/01/2020

ny mpanjakavavy Elizabeth II ny amin’ny fanirian’izy ireo tsy hanatanteraka ny andraikitra miandry azy ao an-dapa. Nanapa-kevitra ny hiala an’i Londres izany izy roa kely ireto ka hamonjy an’i Amerika Avaratra.

 Lire la suite...

Ireo olo-malaza maka sary amin’ny tenany ihany

14/01/2020

Rehefa jerena dia tsy mety antitra mihitsy ny ankabeazan’ireo olo-malaza. Marina fa misy aloha ny fikitihina tarehy rehefa maka sary izy ireo, eo ihany koa ireo tsy menatra mihitsy manambara fa nanao fandidiana mihitsy mba ahatanora lalandava azy ireo.

 Lire la suite...

Ireo olo-malaza nisaraka tamin’iny tamin’ny 2019

13/01/2020

Nanamarika ny fiainam-pitiavan’ireo olo-malaza iny taona 2019 iny. Maro tamin’izy ireo mantsy no nisedra ratram-po noho ny fisarahana tamin’ireo olon-tiany.

 Lire la suite...

Nanapa-kevitra ny hiala amin’ny andraikitra tokony ho sahanin’izy ireo ao an-dapa ny Printsy Harry sy ny vadiny,

10/01/2020

Meghan Markle, ny 8 janoary lasa teo. Fanapahan-kevitra noraisin’izy roa irery izy ity ka ny mpanjaka vavy Elizabeth II aza tsy nahafantatra izany raha tsy nijery fahitalavitra. Haka saina kely izy roa,

 Lire la suite...

Ireo olo-malaza naminany ny fomba hahafatesany

09/01/2020

Misy ny tranga eo amin’ny fiainana izay mahavariana, toy ny fomba hahafatesana izay efa voasoratra sy azo an-tsaina.

 Lire la suite...

People

Shania Twain, Jessica Biel… nanambady ny namany akaiky

10/09/2019

Betsaka ireo mametra-panontaniana hoe : hatraiza ny fetran’ny finamanana eo amin’ny lahy sy ny vavy. Ny an’ireto olo-malaza ireto aloha dia lasa tantaram-pitiavana mihitsy ary tonga hatrany amin’ny fanorenana tokantrano.

 

 

 

 

 

Jessica Biel sy Justin Timberlake

Naka fotoana mihitsy i Justin Timberlake vao nangataka an’i Jessica Biel ho vadiny, nefa tena nanana toerana manokana tao am-pony ilay tovovavy. Tao anaty fahitalavitra izy no namboraka ny fitiavany an’ity namany akaiky lasa vadiny ity.

 

Shania Twain et Frederic Thiebaud

Nanambady ny namany akaiky i Shania Twain ary nahafaly azy tokoa izany. Tany amin’ny taona 2011 izy ireo no nifanaiky. Nahafaly azy ireo ny mifampizara fifaliana sy fahoriana .

 

Alyssa Milano et David Bugliari

Hatramin’ny taona 2009 dia mifankatia fatratra amin’i Dave Bugliari i Alyssa Milano. Toa mora foana izany fiarahan’izy ireo izany, satria malalaka ny fifampiresahana sy ny fifankahazoana.

 

Rinahsoa

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo