Jejoo

Dans la même rubrique

Zaza idiran’ny rivotra ...Ireo tsara ho fantatra rehetra

11/08/2020

Diso ny fiheverana fany akanjo hanaovana, na ny toetry ny andro no mety mahatonga ny zaza hidiran'ny rivotra. Tsy dia izay loatra fa ireo fihetsika ataontsika aminy na aretina no mety ahazoany izany.

 Lire la suite...

Soso-kevitra fanampin-tsakafon-jaza 6 volana

30/06/2020

Manomboka eo amin’ny fahaenim-bolana dia efa afaka mihinana fanampin-tsakafo ny zaza.

 Lire la suite...

Firy taona no tokony hiborosy nify ny zazakely ?

24/06/2020

Raha ny tatitry ny OMS, dia manana olana eo amin’ny nify avokoa ny 60% hatramin’ny 90%-n’ireo ankizy any amin’ny kilasy garabola.

 Lire la suite...

Miaro ny zaza amin’ny hatsiaka

23/06/2020

Efa tena mangatsiaka ny andro. Fotoana izay mora hahazoan’ny zaza ireo aretina vokatry ny hatsiaka toy ny kohaka, ny fanaviana, ny gripa,…

 Lire la suite...

Miaro ny nifin’ny zaza tsy ho simba

16/06/2020

Fahazarana kely fotsiny dia efa manampy betsaka amin’ny fahasalaman’ny nifin’ny ankizy dieny mbola kely izy. Manomboka any amin’ny fikolokoloana ny hihy izany ary manaraka ho azy ny nify. Ireto ary misy fihetsika kely tsy mandany fotoana afaka hanadiovana ny ati-vavan’ny zaza izay ampahafantarina antsika.

 Lire la suite...

Neny manjakely Izay mikarakara tarehy dia atao volo maimaim-poana…

05/06/2020

Tena ilain’i neny ny mikarakara endrika taorian’izay fihibohana izay, fa eo koa ny fidirantsika amin’ny ririnina. Araka ny fanadihadiana nataonay teny amin’ny Charm’Elle Beauté dia tokony hanao

 Lire la suite...

Andron'ny ray aman-dreny Nankalazaina ny 1 jona teo

03/06/2020

Volana natokana ho an'ny ankizy ny volana jona. Efa aman-taonany no nanamarihina izany teto Madagasikara. Tsy voaresaka loatra kosa ny andro natokana ho an'ny ray aman-dReny izay ankalazaina isaky ny 1 jona.

 Lire la suite...

Maman

Tena ilaina ve ny mampitovy zaza kambana?

10/09/2019

Marina fa mahafinaritra ny maso foana ny mahita ireo zaza kambana manao fianjaika mitovy, indrindra rehefa mbola kely izy ireo ary efa mahazatra an’ireo Ray aman-dreny sasany ny manao izany.

 

 Fantaro anefa fa  tsy voatery hatao an’izany ny zaza na dia kambana aza. Misy ny antony tsy mampety izay fiheverana izay.

Na ny fitafy na ny kiraro, na ny volo na ny fisafidianana ny zavatra atao dia saika atao mitovy avokoa satria amintsika dia mahafatifaty foana ny mahita an’ilay zaza kambana mitovy ary pratika kokoa ny manao izany. Fantaro anefa fa mety  hisy fiantraikany any amin’ny hoavin’ilay zaza ny fanaovana izany.

Fanazavan’ny reny iray mikasika izany

Na dia kambana aza ny zaza dia tena zava-dehibe ny tsy fampitoviana ny zavatra hanaovany na ny zavatra hataony satria tena manova zavatra be ny fanaovana izany na eo amin’ny fifandraisany manokana na eo amin’ny fahaleovan-tenany manokana. Aleo ilay zaza ihany hoy izy no misafidy ny zavatra tiany hanaovana raha efa afaka misafidy izy. Zava-dehibe ho an’ny ho avin’ilay zaza ny fanaovana izany ary fanajana ny safidiny ihany koa.

Hevitry ny manam-pahaizana manokana mikasika izany

 Efa mandeha  ho azy ho an’ireo ray aman-dreny sasany izay manana zaza kambana no mampitovy ny zavatra rehetra ho an’ilay zaza na fony izy mbola kely aza. Saingy rehefa eny amin’ny fiainana andavan’andro dia  aleo zavatra samihafa foana no hampanaovina ny zaza na dia kambana aza izy mba  hiavahany kely sy mba hahafantarany fa tokana  eto an-tany izy na dia kambana aza.

Ny  mety ho vokatr’izay eo amin’ilay zaza

Na kambana aza ny zaza dia manana zo hanana ny mombamomba azy manokana izy. Aza am-panaovina zavatra mitovy izy na eo amin’ny resaka fitafy na eo amin’ny resaka fianarana na ny zavatra hafa na dia tena manamora ny lamina rehetra manodidina azy aza izany. Ny antony dia mety ho sarotra ho an’ilay zaza manokana ny hahaleo tena samy irery rehefa any aoriana any. Mety hisy ihany koa ny mety ho fampitahana eo amin’izy roa izay mety hiteraka fanafintohinana  sy halaelo eo amin’ny iray amin’izy ireo ary mety hitarika tsy fahatokisan-tena eo aminy satria izany. Na kambana azy  mantsy izy roa dia samy manana ny toetrany izay hiavahany avy. Na samy manana zavatra mitovy aza ilay zaza dia ezaho hatao samihafa foana ihany na ny lokon’ilay zavatra fotsiny aza.

Lalaina Rav

 

 

 

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo