Jejoo

Dans la même rubrique

Manala kibo amin'ny fomba tsotra

11/08/2020

Mila koloina matetika ny kibo mba hanalana ny roroa. Ireto Fampihetseham-batana ireto dia manamafy ny hoza-kibo sady mampifintina azy :

 Lire la suite...

Manatsara endrika ny fitombenana … baolina ampiasaina

30/06/2020

Mampandaitra ny fampihetseham-batana hatao ny fanovaovana ny karazany hatao. Raha maniry hikolo ny fitombenana ianao dia azonao hatao tsara koa ireto manaraka ireto :

 Lire la suite...

Manamafy sy mampanifinify ny sandry

23/06/2020

Anisan’ny faritra mora miroraka amin’ny vatana ny sandry rehefa mandroso ny taona, raha tsy koloina. Ilaina araka izany ny manamafimafy azy ireo.

 Lire la suite...

Manintsana sady mikolo ny hoza-pe sy ny hoza-kibo

16/06/2020

Mikolo ny vatana manontolo ny fampihetseham-batana atolotra anao anio. Raha atao haingakaingana ny fihetsika dia manintsana tavy izy ireo. Manamafy manokana ny hoza-pe sy ny fitombenana koa izy ireo ary miantraika hatrany amin’ny hoza-kibo :

 Lire la suite...

Manala kibo amin'ny patin, ao an-trano

10/03/2020

Hafa kely ny fampihetseham-batana atolotra anao anio. Ampiasana ireny patin fanadiovana trano ireny izy ireto ary ny faritry ny kibo no tena miasa sy mahazo aminy.

 Lire la suite...

Mampiakatra nono miroraka amin’ny elastique

18/02/2020

Azo atao ny mampiakatra ny nono miroraka fa mila finiavana sy faharetana kosa. Ireto fampihetseham-batana ireto no atao :

 Lire la suite...

Manamafy sady mandrafitra ny fe ao an-trano

11/02/2020

Hikolo sy hanamafy ny fe indray isika anio. Tsy mila fitaovana fa ny lanjan’ny vatana na ny “poids du corps” no ampiasaina amin’ity indray mitoraka ity.

 Lire la suite...

Forme

Manala ny tavy amin’ny sisin-kibo

10/09/2019

Hanampy anao hanala ireo tavy amin’ny andaniny roa amin’ny kibo ny fanaovana ireto fampihetseham-batana manaraka ireto :

 

 

Fampihetseham-batana 1

Mijoro mahitsy dia somary asabaka ny tongotra roa. Mitazona zavatra mavesatra amin’ny tanana havia . Raha tsy manana haltère dia atao tavoahangin-drano. Ny tanana havanana kosa atao ao ambadiky ny loha. Alatsaka manaraka ny vatana midina ny tanana havia dia averina amin’ny paozy niaingana. Averina in-20 izay dia avadika amin’ny tanana havanana indray ilay “haltère” na tavoahangin-drano. Manao andiany 4.

Fampihetseham-batana 2

Mijoro mahitsy dia mitazona hazo na tahon-kifafa amin’ny tanana roa. Ahodina toy ny hamily fiara ny kifafa, atao miankavia sy miankavanana, in-20. Izay ny andiany 1 dia manao andiany 4 amin’izany.

Fampihetseham-batana 3

Mijoro mihorirana raha mihoatra amin’ny rindrina dia mitehina eo ny tanana havanana ohatra. Akarina ny tongotra havanana dia ampidininina. Izay fihetsika izay no averina in-20 dia mivadika amin’ny lafiny ilany indray, izany hoe ny tongotra havia indray no ampiakarina sy hampidinina.  Manao andiany 4 amin’izany koa.

Fampihetseham-batana 4 

Sady ho afaka ny sisi-kibo ao an-damosina eto no hahazo hozatra koa ny fitombenana. Mitazona hazo na tahon-kifafa fa atao ao ambadiky ny hatoka izany. Amin’ny sisin’ny hazo no mitazona ny tanana roa. Miondrika sady atondrotra ny fitombenana dia akarina ny vatana. Izay fihetsika izay no averina in-20. Manao andiany 4 koa.

 

Isaorana i coach Josy avy ao amin’ny Art Sport Fitness Andrefan’Ambohijanahary nanolotra ny fampihetseham-batana anio. Fifandraisana : 0340399035

 

Lilou

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo