Jejoo

Dans la même rubrique

“Tsy mahay mandehandeha ny virosy, isika no mitondra azy mandehandeha”

23/03/2020

Mikorontana avokoa ny saintsika manoloana ny fidiran’ilay aretina Coronavirus eto amintsika. Betsaka rahateo ireo vaovao manakorontana ka manosika ny sasany hanaotao foana manoloana izany : mifanosika miantsena,

 Lire la suite...

« S’habiller est un mode de vie » Yves Saint Laurent

18/03/2020

Tia lamaody isika vehivavy ny ankabeazina. Tsy mahagaga izany satria toetra voajanaharintsika mihitsy ny jejo. Mankafy mitafy, kiraro, ranomanitra, haingo isan-karazany satria mitondra

 Lire la suite...

Le ciel ne peut pas tout faire à lui seul. Aide-toi le premier. (Michel Jorg)

16/03/2020

Tombony lehibe ananan’ny olona mivavaka ny finoana fa manana an’Andriamanitra afaka mitahy sy mamonjy azy izy, ka afaka miankina aminy, raha tojo olana eo amin’ny fiainana.

 Lire la suite...

«Appeler les femmes « le sexe faible » est une diffamation ; c’est l’injustice de l’homme envers la femme. Si la non-violence est la loi de l’humanité, l’avenir appartient aux femmes » Ghandi

11/03/2020

Mbola maro ny lehilahy malagasy no manana fisainana manambany ny vehivavy na dia eo aza ny ezaka efa an-taonany maro hivoizana ny miralenta eto Madagasikara.

 Lire la suite...

« La plus belle courbe d’une femme est son sourire » Bob Marley

06/03/2020

Tsy azo tsaraina amin’ny bika aman’endriny na ny toetoetrany fotsiny ny vehivavy iray. Ny antony dia satria samy manana ny mahatsara azy ny tsirairay.

 Lire la suite...

« N’oubliez jamais : Vous n’êtes pas nés pour plaire mais pour vivre une vie qui vous plait » Tyler Legder

05/03/2020

Noho ny hasiakan’ny fiarahamonina, noho ny tahotry ny tsy hisongadina, noho ny fitiavana te hamiratra miohatra amin’ny hafa dia betsaka ireo olona manova toetra, manao ny tsy fanao mba

 Lire la suite...

« Ne laissez pas les gens négatifs voler votre joie. Lorsque vous perdez votre joie, vous perdez votre force »

04/03/2020

Hafaliana, io no isan’ny fahatsapana mampiiratra indrindra ny fiainana. Rehefa misy io hafaliana io ny fiainan-tokantrano, ny asa, ny any anaty manokana tsy miloaka any dia mizotra milamina

 Lire la suite...

Citation

« Ne te tue pas au travail pour donner plus à tes enfants. Quand ils grandiront, ils ne retiendront pas les jouets chers mais les moments heureux qu’ils auront passés avec toi ».

10/09/2019

Rehefa misafidy ny hiteraka ny mpivady dia efa tokony mivonona amin’izay fepetra rehetra takian’izay, na ara-batana io, na ara-tsaina, na ara-potoana, na ara-bola, sns.

 

 Antony lehibe tokony haniriana hatrany ny zaza hateraka ka tsy hisy intsony ilay antsointsika hoe « zaza tsy niniana » satria sombin’ny aina foana iny ka manan-jo hanana fiainana faran’izay mendrika toy ny zaza rehetra fa tsy sanatria ateraka tsy fidiny ka izay zava-misy eo no tsy maintsy ifaliany. Ny fepetra ara-potoana no ‘ndeha horesahintsika manokana anio. Vao any am-bohoka ny zaza dia efa mitaky fotoana, ary tsy fotoana henjikenjehina fa fifantohana mihitsy. Isan’izany ny fanaraha-maso ny fitombony sy ny fahasalamany. Teraka indray izy dia mila fotoana manolo azy sady misangy azy, mampandro azy ao anaty tsikitsiky, milalao azy na dia tsy mitomany mitaky izany aza izy. Rehefa miha-lehibebe kosa izy dia ilainy ny henoina, ilainy ny miresaka satria mandray anjara betsaka ao anaty fitomboany ara-tsaina sy ara-panahy izany. Mila manokana fotoana izany ny ray amandreny hihainoana sy hamaliana ireo fanontaniany mba hampivelatra azy, tsy adino ny milalao sy misangy aminy. Mamy ny vola, samy te hanome ny tsara indrindra ho an-janany avokoa, saingy tsy ireo kilalao lafo vidy novidianao ray amandreniny ho azy no ho tsaroany rehefa lehibe izy, fa ireo fotoana mamy nifampizarany taminao ka ho ampitainy any amin’ireo taranany indray.

 

 

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo