Jejoo

Dans la même rubrique

Mampirafy Miady lava Mifamono Saropiaro

14/02/2020

Mamaha ny olana i Dr Love Mampirafy ahy izy…Miady lava izahay ao an-trano….Vonoiny aho…Diso saropiaro izy ka tsy sambatra aho….

 Lire la suite...

Farafangana Reny teraka kambana 4

13/02/2020

Fahasoavana efatra sosona no azon’ny renim-pianakaviana iray, tao Farafangana. Teraka kambana efatra mantsy ity reny ity, tao amin’ny hopitaly CHRR Farafangana hatrany.

 Lire la suite...

Alex Barea vaovao

12/02/2020

Alexandre Ramalingom no anarany. Izy no ho anisan’ny mpilalao baolina kitra nanaiky hanatevin-daharana ny Barea. Teraka tao Frantsa ny 17 martsa 1993 izy.

 Lire la suite...

Lôby, 6 taona : Hita faty, noloarana ny masony!

11/02/2020

Zazalahy kely vao 6 taona monja, fiantso amin’ny anarana hoe Lôby, no hita faty omaly vao maraina tao amin’ny sekolim-panjakana iray ao Antaninarenina, Toliara.

 Lire la suite...

Rdj Mozika Award: ireo lamaody nisongadina tamin'ny sabotsy

10/02/2020

Taona vitsy izay dia zary lasa fotoana andrasan’ny mpanakanto sy ireo mpankafy azy fatratra ny Rdj Mozika Award.

 Lire la suite...

« Chips » saika nahafaty zaza!

06/02/2020

Raharaha iray manahirana ny ray aman-dreny ny fitadiavana ny ody am-bavafo ho an’ ny ankizy, indrindra raha te hijery ny ara-pahasalamana.

 Lire la suite...

Carine...nahazo 17/20 tamin’ny BACC, ho any Etazonia!

05/02/2020

Carine Ratsirahonana, 17 taona, mianatra ao amin’ny Saint Francois Xavier Fianarantsoa no nahazo ny naoty ambony indrindra manerana an’i Madagasikara, 17, 92/20 ny naotiny

 Lire la suite...

Diététique

Sakafo 10 mampidina tosi-drà

10/09/2019

Na dia tsy fantatra mazava aza ny antony rehetra mahatonga ny tosi-drà hiakatra dia fantatra fa misy fahazarana ara-tsakafo no mahatonga azy hiakatra. Mba hampidinana ny taha hiakarany dia misy karazan-tsakafo manampy betsaka sy mitazona ny tosi-drà tsy hiakatra. Ireto avy izy ireo :

 

 

 

Ny brocoli

Mihinana legioma sy voankazo betsaka indrindra toy  ny brocoli izay be kalsioma, manezioma ary potasioma. Ireo no handrindra ny tosi-drà. Misoroka aretina mifandray amin’ny lalan-drà rahateo ny flavonoïdes ao anatiny. Tsy atao masaka be kosa mba ho voatahiry avokoa ny otrikaina ao anatiny.

Ny tongolo gasy

Efa maro no mahafantatra azy ho mpampidina tosi-drà. Voaporofo rahateo fa mampihena ny tahan’ny tosi-drà sy ny kolesteroly ratsy ny tongolo gasy. Mihinana singana efatra  isan’andro raha te-hisitraka ny tombotsoa azy avy aminy.

Ny vomanga

Be potasioma, kalsioma ary manezioma ny vomanga ka manampy amin’ny fampidinana ny tosi-drà tsara koa .Karazana « féculents » manana « indice glycémique » ambany izy. Manome hery izy noho izany.

Ny yaourt

Araka ny voka-panadihadiana iray natao tao Minnesota dia mampihena hatrany amin’ny 31% ny taha hampiakatra ny tosi-drà ny fihinanana yaourt matetika sy amin’ny fotoana raikitra noho izy be kalsioma. Olona 2.000 teo no nanaovana andrana tamin’izany nahitana ity voka-panadihadiana ity. Yaourt tena izy be “probiotiques” kosa no tsara hohanina.

Ny « amandes » manta

Mahatsara ny fahasalamana sady mitazona ny tosi-drà tsy hiakatra koa ny « amandes noho izy be potasioma, manezioma, ary asidra gras tsara kalitao.

Ny kakao

Be flavonoïdes ny kakao ka miaro ny vatana amin’ny rarin-tsaina .Ity aretina farany ity mantsy anisan’ny fototra mahatonga ny tosi-drà hiakatra ihany koa. Be manezioma sy potasioma rahateo ny kakao. Tokony ilay mbola feno otrikaina kosa no hohanina (60%) farafahakeliny ny kakao ao anatiny.

 

Ny tamotamo

Misoroka aretina maro ny tamotamo ary anisan’ireny ny fiakaran’ny tosi-drà. Manana fahafahana misoroka ny rà tsy hivaingana ao anaty sady miaro azy amin’ny mikraoba koa ny tamotamo.

Ny akondro

Hita ao anatin’ny akondro ny otrikaina mineraly miaro ny fo sy ny lalan-drà dia ny manezioma, ny potasioma ary ny kalsioma izany. Be fibres, sy mpanala arafesina ary vitamina B sy C koa ny akondro ankoatra izay. Mahasalama tsara ny mihinana azy vokatr’izany .

 

Hary

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo