Jejoo

Dans la même rubrique

Telo taona lasa izay no vita ny divaorsako fa mbola tsy nanambady fanindroany aho. Nisy lehilahy roa ihany anefa efa niaraka tamiko.

13/02/2020

Ny anankiray efa saika haka vady ahy mihitsy fa izaho no ohatry ny tsy mbola vonona. Amin’izao kosa, efa te hanambady indray aho. Ahoana no fomba hiatrehana izany fiainana vaovao izany ?

 Lire la suite...

Somary zokiko lavidavitra ny lehilahy miaraka amiko. Tsoriko fa tsy tia azy aho,

12/02/2020

fa toa sangisangy fotsiny no niarahanay. Noheveriko fa mivazivazy toa ahy izy, hay lasa tia be. Tsy te handratra ny fony aho ka mba toroy hevitra.

 Lire la suite...

Vehivavy aho no manoratra. Manana olon-tiana aho,

28/01/2020

efa niaraka ela izahay, nefa izy tratrako nampirafy. Nilaza taminy aho hoe : andao isika hisaraka nefa tsy mety izy. Inona no ataoko ?

 Lire la suite...

Ahoana kay no tena ahazoana antoka fa tena tia ilay olona miaraka aminao ?

14/01/2020

Raha ny tokony ho izy, avy hatrany dia tsapa izany fitiavana izany, fa tsy ilàna porofo fanampiny.

 Lire la suite...

Nilaza tamiko ny vadiko hoe, tsy mba te hiray ara-nofo aminy mihitsy satria aho tsy mba mangataka izany mihitsy.

02/01/2020

Tsy hitako izay atao ? Izaho mantsy toa tsy zatra an’izany sady tsy sahy koa fa menatra be.

 Lire la suite...

Niampirafy ahy tamin’olon-kafa ny olon-tiako dia nisarahako.

30/12/2019

Taty aoriana kely anefa dia nisaraka izy ireo ary niteny tamin’ny namako izy fa mbola tiany aho. Izaho koa moa mbola tia azy rahateo.

 Lire la suite...

Nilaza tamiko ny vadiko fa niteraka tamin’ny vehivavy hafa.

24/12/2019

Maty anefa io vehivavy io, volana vitsivitsy izao, ka tsy misy mitaiza ilay bandikely 3 taona. Marary be ny foko, tsy hitako izay atao.

 Lire la suite...

Conseils

Ahoana no ahafantarana fa tena tia marina ny lehilahy iray, ary hafiriana niarahana no tokony hankany an-tranon’ny olon-tiana ?

10/09/2019

Samy manana ny fomba famborahany sy fanehoany fitiavana ny lehilahy. Ao ireo maneho bebe kokoa amin’ny fihetsika izany fitiavany izany, ao kosa ireo izay miteny kokoa fa tsy dia maneho amin’ny fihetsika loatra.

 

 

 

 Misy indray ireo izay tsy dia tia mampiseho loatra ny fihetseham-pony, nefa tia ihany izy. Ny tena ahazoana antoka fa tia izy, na manahoana na manao ahoana toetrany, dia ny fanajany anao sy ny fahatokisany anao. Tsy mijery ny anio fotsiny koa izy fa mifampiresaka ny ho avinareo aminao. Mifampitohy amin’izay ihany ny resaka fidirana ao an-trano. Tsy misy fotoana azo faritana, fa arakaraky ny fifandraisan’ny olon-droa sy ny tanjom-piainanareo io. Ny olona manana tanjona ny hivady anefa no tokony tena hifampiditra an-trano, sao mifandany zara fotsiny. Tsy tokony hijery be loatra izay fanaon’ny olona, fa henoy ny fonao dia matokia bebe kokoa ny olona miaraka aminao. Lazao azy fotsiny, raha izay no mampandry ny sainao, fa dingana lehibe ho anao ny fankanesanao any an-tranony sy fankanesany any aminareo, ary tsy tokony ataony ambanin-javatra izany.

Lehilahy aho. Misy vehivavy anankiray izay tena tiako be, nefa aho tiany ohatry ny namana tsotra fotsiny. Mba mangataka torohevitra.

Tsy azo terena io fitiavana io, fa raha toa ka namana no andraisany anao dia izay izany. Anjaranao fotsiny ny misafidy ny hijanona ho namany, na tsia. Raha toa ka ilay voalohany no safidianao, dia aza asiana fanantenana ny amin’ny mety hiarahanareo any aoriana any, satria tsy mbola fantatra izany. Mety hihataka aminao koa izy, raha fantany fa manantena ny fitiavany ianao. Raha tsy vitanao ilay mijanona ho namany dia tena mihataha mihitsy, aza mifanerasera be aminy intsony, saingy aza iadivana kosa izy.

 

Miaraka amina vehivavy iray izay aho, te hiteraka aminy, saingy tsy mety hiteraka izy raha tsy efa miasa. Izaho anefa efa miha-antitra ihany. Mba toroy hevitra.

Tsy anao irery ny safidy ny hiteraka fa tsy maintsy teny ierana ifanaovanao amin’izay olona heverinao fa tianao hiterahana. Tsy afaka ny hanery azy mihitsy ianao, fa ny mandresy lahatra azy no azonao atao. Tsory aminy fotsiny ny fanirianao, ny tebitebinao noho ny taonanao efa mandroso… Hatreo ihany anefa no azonao atao, satria mila fahavononana be dia be koa izany miteraka izany, indrindra eo amin’ny vehivavy, izay hitondra ilay zaza mandritra ny 9 volana.

 

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo