Jejoo

Dans la même rubrique

Tamenak’atody : manatsara ny hodi-tava

13/08/2020

Ao anatin’ny vanim-potoana manasalasala isika izao. Miha-mafana sy mipoaka ny andro, kanefa mbola ao anaty ririnina. Manimba hoditra izany, indrindra ny tarehy.

 Lire la suite...

CHARM’ELLE BEAUTE Mikarakara sy mampianatra any an-tokantrano, mihena 50% ny saram-pianarana

13/08/2020

Efa miverina mandray ny asany toy ny teo aloha ary manaraka tanteraka ny fepetra ara-pahasalamana ny Charm’Elle Beauté araka ny nambaran’izy ireo.

 Lire la suite...

Maquillage tsotra kely, atao isan’andro

12/08/2020

Na mivoaka ny trano na tsia, dia tokony hanao haingon-tava faran’izay tsotra sy mora atao isan’andro ny vehivavy mba hanome ilay endrika mirana sy velona tsara.

 Lire la suite...

Maska manala mony, mandaitra vetivety

11/08/2020

Karazana maska natoraly vita ao an-trano, anisan’ny tena mahomby ho an’ireny karazan-koditra mora

 Lire la suite...

Sambava : Saziana ireo ankizivavy manao "maquillage" sy akanjo mampitanjaka

10/08/2020

Nanapa-kevitra ny filan-kevitra monisipaly ao Sambava fa tsy azon'ny ankizy latsaky ny 18 taona atao intsony ny mitafy lamba tsy mifanaraka amin'ny kolontsaina any an-toerana toy ny mamoaka tapa-nono na izay faritra maneho henatra. Tsy azon'izy ireo atao koa ny mandray anjara amin'ny fifaninanana hatsaran-tarehy na bika, manao maquillage midorehatra.

 Lire la suite...

Inona no menaka tarehy mety aminao?

03/07/2020

Miantoka ny fahasalaman’ny hodi-tava sady mitazona ny hatsaran’ny tarehy tsy ho antitra aloha loatra ny fanadiovana azy isan’andro sy ny fanosorana menaka manamandina. Raha vao diso safidy anefa amin’ny fifantenana izay menaka tarehy ahosotra, dia simba tsikelikely ny tarehy.

 Lire la suite...

Fikarakarana tarehy makiana, rehefa ririnina

02/07/2020

Mora fantatra ny hoditra makiana sy tsy ampy rano. Maina lava izay izy ary tsy mahazo aina firy, satria mora mangidihidy sy marefo, noho ny hatsiaka sy ny hafanana ; mifandrirotra ary tsapa ho mihenjakenjana. Mora tohina ny hoditra makiana, ka izay no tmahatonga azy hila fikoloana manokana. Inona avy ary ireo fihetsika tsara atao ho azy ireo ?

 Lire la suite...

Beauté

Ny fomba fikoloana tarehy mitera-menaka, isan’andro

10/09/2019

Te hanana tarehy salama sy madio ianao. Mora mitera-menaka anefa ny tarehinao, ary efa izay mihitsy ny toetoetrany.

 

 

 

Andairan’ny mony matetika ny hodi-tavanao, mety hisy “points noirs” ihany koa ary  indraindray aza dia mamela tasy eo avokoa izany. Ny ataovy ao an-tsainao voalohany, dia ny fanekenao an’io toetoetry ny hoditrao io. Ny vahaolana araka izany, dia ny fahaizana mikarakara azy, sy mamantatra ireo akora ilainy. Isan’andro isan’andro no tokony arahinao izany fombafomba amam-pahazarana ilain’io sokajin-koditrao io izany.

Ny fanadiovana azy

Satria mora mamokatra tavo sy menaka ny hodi-tavanao, dia tsy azonao atao ambanin-javatra mihitsy ny fanadiovana azy. In-droa isan’andro no fanadiovana tarehy ilain’io hoditrao io, ka maraina sy hariva no hanaovana azy. Akora malefaka no sahaza azy, ka izay rehetra misy soratra hoe “surgras”, “doux”, “sans savon”, “sans alcool”, … Tsara ho fantatrao mantsy fa ny alikaola sy ny savony, dia vao mainka mandrisika be ny hoditrao hamokatra menaka. Azonao atao ihany koa ny manadio ny tarehinao amin’ny “eau micellaire” sy ireo karazana “lotion” efa misy soratra hoe “peau grasse”.

Ny fanamandinana azy

Diso avy hatrany ianao raha mihevitra fa tsy tokony asiana menaka manamandina intsony ny tarehinao, satria efa  mora mitera-menaka. Fantaro fa mety ho be menaka ny hoditrao, fa tsy ampy rano.  Na izany aza, ny akora fanamandinana tarehy ampiasainao dia ireo efa natokana ho an’ny hoditra mitera-menaka. Malefaka, ary misy soratra hoe “ultra légère”, “doux”, … Izy ireny dia efa namboarina manokana hisy singana cuivre sy zinc betsaka, ho an’ireo olona manana hoditra mitera-menaka tahaka anao.

Gommage

Alaim-panahy hanao « gommage » matetika ny olona manana sokajin-koditra mitera-menaka. Ny antony dia satria mahatsiaro ho maimaina tsara ery ilay hoditra, noho ilay fanadiovana tanteraka hatrany anatiny. Na izany aza, tena tsy azo atao mihoatra ny in-1 ao anatin’ny herinandro, ny “gommage” ho an’ny hoditra be menaka. Ny antony dia mety hivadika amin'ilay asany ilay ‘gommage” ka handrisika ny hoditra hamokatra tavo sy menaka bebe kokoa sy haingana be. Ankoatra izay dia fantaro fa ny fampiasana tanimanga no tena mety be amin’io sokajin-koditrao io, raha atao maska. Mifoka tsara ny menaka ao anaty hoditra ao izy ireny, ary tsy vitan’izay fa mandrindra tsikelikely ny famokaran’ny hoditrao menaka ihany koa.

Maquillage

Ilàna teknika koa ny fampihaingoana ny tarehy mitera-menaka satria mety hangiloilo be sy ho mora mitsonika ilay haingon-tava, raha tsy voafehy ny fanaovana azy. Ho an’ny “fond de teint” izao dia ireo miendrika vovoka na “poudre” no sahaza azy, fa tsy ireo “crème”. Ireo manome “effet matifiant” ihany koa no tokony ho safidiana amin’ireo akora hafa mba ho tazana maimaina hatrany ny endrikao.

Masoandro

Eny am-piandohana, rehefa tratran’ny masoandro lava ny tarehy be menaka dia toa mihavao sy mahazo aina be, rehefa afaka ny mihofaka. Mety hahatsikaritra aza ianao, fa niha-nazava kokoa ny lokon-koditrao.  Mandalo ihany anefa iny fotoana iny, fa hiova tsikelikely amin’izay ilay hoditra ary mety hamela tasy ihany koa izany ao aorian’izay. Noho izany, aza atao kinanga mihitsy ny fampiasana “ecran solaire”. 

Sakafo

Tsy afa-misaraka amin’ny hatsaran’ny endrika mitera-menaka ny fandanjalanjana ny sakafo ho hanina isan’andro. Fady ho an’ireo olona manana an’io sokajin-koditra io ny  sakafo mamy, be menaka, matsiro sy feno episy, ny sakay ary ireo sakafo na akora voahodina. Sakafo voalanjalanja hatrany no ilainao, miaraka amin’ny fisotroana rano betsaka.

 

Ando

 

 

 

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo