Jejoo

Dans la même rubrique

1-Roa taona taty aorian'ny nahafatesan'i Johnny Hallyday dia fantatra fa manana olon-tiana vaovao i Laetitia Hallyday.

16/09/2019

Pascal Balland no anaran'io oln-tiany io izay mpandraharaha ao Frantsa sy tompona hôtely maro any an-toerana. Mbola fiarahana mifanalavitra ihany moa ny azy ireo satria any Los Angeles i Laetitia ary ao Parisy kosa i Pascal Balland.

 Lire la suite...

1. Nanolotra vola mitentina 750.000 dolara ho an’ny fikambanana «Nest of Love » i Kylie Jenner.

12/09/2019

Ity fikambanana ity moa dia mitsangana mba hanampiana ireo vehivavy ho lasa mpitarika na hitana andraikitra ambony. Nanamarika ny rehetra ity asa soa nataon’i Kylie Jenner ity izay isan’ireo tanora vehivavy malaza manam-bola indrindra eran-tany.

 Lire la suite...

Shania Twain, Jessica Biel… nanambady ny namany akaiky

10/09/2019

Betsaka ireo mametra-panontaniana hoe : hatraiza ny fetran’ny finamanana eo amin’ny lahy sy ny vavy. Ny an’ireto olo-malaza ireto aloha dia lasa tantaram-pitiavana mihitsy ary tonga hatrany amin’ny fanorenana tokantrano.

 Lire la suite...

Madonna, Jennifer Lopez…isan’ny tena mamalan-kira an-tsehatra

06/09/2019

Indraindray tsy mampino ny mahita fa mamalan-kira ireo mpihira malaza, raha ny habetsaky ny hira efa novokariny sy ny fampisehoana efa natolony no jerena. Maro amin’izy ireny nefa no tena mamalana mihitsy ary isan’izany ry Madonna, Jennifer Lopez.

 Lire la suite...

1- Ny alahady lasa teo dia nihitsoka tao anaty "ascenceur" ny papa Francois raha tokony hanatanteraka ny prière de l'Angelus"

04/09/2019

izay fotoam-pivavahana fanaony isam-bolana. Efa niandry azy nandritra ny an-tsasakadiny ireo mpino vao tafavoaka tao amin'izany "ascenceur" izany izy, nampian'ireo mpamonjy voina.

 Lire la suite...

1/Afaka herinandro vitsy dia hiazo an’i Afrika Atsimo ny printsy Harry sy Meghan Markle vadiny ary i Archie, zanak’izy ireo.

03/09/2019

Efa tsindrin-daona izy mianakavy kely, indrindra fa ny printsy Harry satria toy ny trano faharoa mihitsy i Afrika Atsimo ho azy, araka ny filazany.

 Lire la suite...

Ireo olo-malaza mankafy “micro-sac”

02/09/2019

Nahazo vahana mihintsy ny “micro-sac” na ireny sac kely ireny tamin’ity taony. Mahazo vahana be izy ireny indrindra ho an’ireo olo- malaza any ivelany satria dia saika mitondra azy ireny avokoa izy ireo amin’izao fotoana izao.

 Lire la suite...

People

Scarlett Johansson, Pink… tsy misaraka amin’ny findainy mihitsy

16/08/2019

Amin’izao fihazakazahan’ny teknôlôjia izao dia tapitra manana finday avokoa ny olona rehetra. Betsaka amintsika no mitovy amin’ireto olo-malaza ireto, ka na inona ataon’izy ireo na inona, dia tsy misaraka aminy mihitsy ny findain’izy ireo.

 

 

 

  1. Gigi Hadid : Na eny an-tanety na any anaty rano, tsy miala eny amin’ity olon-tian’i Zayn Malik ity mihitsy ny findainy. Ity farany no tena faly, satria dia mifampiresaka foana izy roa, amin’ny fotoana rehetra. Rehefa tsy mihaino hira moa izy izany.
  2. Pink: Na dia efa eny ambony bisikileta miaraka amin’i Willow zanany aza, dia tsy mahafoy miresaka amin’ny namany mihitsy i Pink. Ny vadiny, Carey Hart koa moa toa variana ao anaty finday ao, toa azy ihany.
  3. Hilary Duff: Betsaka amintsika no mankafy manao selfie, mitovy amin’ny ankabeazan’ny olona rehetra ihany ireo olo-malaza, toa an’i Hilary Duff.
  4. Lewis Hamilton: mankafy ny teknôlôjia vaovao tanteraka ity mpanjakan’ny “Formule 1” ity. Isan’ireo mankafy manao selfie koa izy, hizarany ny fiainany amin’ireo mpanaraka azy marobe ao anaty tambajotra sosialy ao.
  5. Scarlett Johansson: Sady mihazakazaka no miresaka amin’ny finday. Inona izany izao no ren’ilay olona miresaka aminy eo, tsy ny fitempon’ny fony sy ny fofon’ainy sempotra ve ?!

Rinahsoa

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo