Jejoo

Dans la même rubrique

Misotro “coco”, misoroka homamiadana

23/08/2019

Sakafo feno, mitondra soa be dia be ho an’ny vatana ny voanio. Ankoatra ny « lait de coco » sy ny menaka voanio azo avy aminy dia mitondra soa ihany koa ny ranony. Isan’izany ireto tanisaina aminao ireto.

 Lire la suite...

Fakana selery + citron : Mandrindra ny siramamy ao anaty

21/08/2019

Tranga miseho amin’ny vatana, vokatry ny fiakaran’ny tahan’ny « glycémie », ny diabeta. Na dia tsy misy fanafany aza izy ity dia misy kosa ny fanafody natoraly vita ao an-trano mandrindra ny tahan’ny siramamy, izay miteraka io diabeta io.

 Lire la suite...

Dite 3 sotroina amin’ny alina, manadio aty sy mampihena

20/08/2019

Mandritra ny torimaso no tena miasa ny taova manadio ny ao anaty ao. Mandritra izany koa no mihavao ny sela rehetra.

 Lire la suite...

Ho an’ny vehivavy tandremo ny “WC public”!

16/08/2019

Raha oharina amin’ny lehilahy dia mora hifindran’ny bacteria kokoa ny vehivavy rehefa mandeha eny amin’ny toeram-pivoahana ho an’ny daholobe.

 Lire la suite...

Tsiry mpanentana mikorontana, ny fanafodiny…

09/08/2019

Miankina amin’ny tarazo hananan’ny fianakaviana, amin’ny ankapobeny, ny fiasan’ny tsiry mpanentana ao amin’ny vehivavy tsirairay.

 Lire la suite...

Chocolat noir”, mampitony kohaka…

08/08/2019

Misy karazana olana ara-pahasalamana tsy voatery entina hotsaboina avy hatrany any amin’ny dokotera, satria azo sitranina amin’ny akora natoraly ao an-trano ihany. Anisan’izany ireto manaraka ireto :

 Lire la suite...

Aspirine : manasitrana ny tongotra vakivaky

06/08/2019

Sady mahamenatra no maharary tokoa araka ilay fomba fitenenana ny tongotra vakivaky. Tsy maintsy mba manao kapa maivamaivana ihany anefa amin’izao vanim-potoana mafana izao. Soa fa azo tsaboina izy ireny. Isan’ny azo hanarenana azy ity fomba manaraka ity

 Lire la suite...

Taiza vatana

Trondro matavy, ranon’ampongabendanitra, …miady amin’ny mikraoba

13/08/2019

Rehefa marefo ny hery fiarovana ao anatin’ny olombelona dia mora andairan’aretina kely. Azo atao tsara anefa ny mamorona sy manamafy ny sela fotsy, na ny hery fiarovana, rehefa fantatra ireo sakafo miteraka izany sy ny fatra tokony hanina aminy isan’andro.

 

 

Tantely:  Miady amin’ny aretin’ny taovam-pisefoana, manasitrana ratra ary miady amin’ny bakteria ny tantely. Feno vitamina, “polyphenol” ary “oligo-élement”izy, izay mitondra ireo voka-tsoa ireo. Azo atao dite,  na ampiarahana amin’ny fromage blanc, na koa afangaro amin’ny vary sy ronono efa akaiky ho masaka, ny tantely. Ho an’ireo olona marary kosa dia tsara raha mihinana iray sotro lehibe, isaky ny hariva, ampiarahina amin’ny dite , na atao tambavy miaraka amin’ny dità sy voasarimakirana, mba hampitoniana haingana ilay aretina.

.Ranon’ampongabendanitra

Manala mikraoba, miady amin’ny fanaintainana sy miady amin’ny homamiadana ny “antioxydant” ao anatin’ny ranon’ampongabendanitra. Totoina atao “jus” no tena mety indrindra hahazoana ny voka-tsoa rehetra entin’ny voany. Tsy ampiana siramamy fa rano kely manampy amin’ny fitotoana azy amin’ny “mixeur” fotsiny. Iray vera isa-maraina no ilaina sotroina.

Kiwi

Mahenika ny vitamina C ilain’ny vatana ao anatin’ny andro iray ny kiwi iray, ka azo antoka fa mampatanjaka be ny hery fiarovana, manampy ny vatana ho mora handray ny fer ihany koa ary misoroka ny harerahan’ny vatana. Manamora ny fahasitranan’ny fery ary miaro ny sela tsy ho mora antitra ihany koa. Hanina manta izy no tsara, mba tsy hahafaty ny vitamina C ao anatiny. Azo atao “smoothie”, na salady, na hanina amin’ny sotrokely fotsiny amin’izao izy. 1 na 2 isan’andro amin’ity voankazo ity no hanina isan’andro.

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo