Jejoo

Dans la même rubrique

Aretin’an-doha : ireo antony tokony hanatonana dokotera

19/08/2019

Fanelingelenana tokony tsy atahorana mihitsy ny aretin’an-doha. Mazàna no afaky ny fanafody mampitony fanaintainana, toy ny “paracétamol” na “aspirine” izy io.

 Lire la suite...

Ahoana no hahalalana fa tena azo antoka ny mpivarotra tapa-kazo ?

09/08/2019

Be dia be mihitsy ireny toeram-pivarotana tapa-kazo ireny eto amintsika. Ahoana anefa no hahafantarana fa tena azo antoka sy mahay ilay akora hamidiny ilay mpivarotra? Hoy Atoa Joséphin Rasamivelona, filohan’ny ANTM.

 Lire la suite...

Bevohoka : Misy fizahana tsy maintsy atao !

08/08/2019

Tanjona voalohan’ireo fizahana, fisafoana, fitiliana… atao rehefa bevohoka ny hahatsara ny zaza sy ilay reny mandritra ny vohoka. Betsaka ireo zavatra tokony ho jerena manokana…

 Lire la suite...

« Reflexothérapie » : Afaka miaraka ve ny otra sy ny fitsaboana maoderina ?

05/08/2019

Karazam-pitsaboana misy eto amintsika ny « reflexothérapie ». Inona marina moa izy io ? Inona no aretina sitraninany ? sns

 Lire la suite...

Aretina tazovony : Tsy mosavy!

02/08/2019

Vao tsy ela akory izay, teto amin’ny gazety Jejoo, dia niresaka momba ny tazovony isika. Toy izao kosa no torohevitr’Atoa Josephin Rasamivelona, filohan’ny ANTM, amin’ny fiatrehana ny fitsaboana nentim-paharazana an’io tazovony io.

 Lire la suite...

Sahirana vao mahazo zaza, fa maninona?

01/08/2019

Misy vehivavy no vetivety dia mahazo zaza, raha misy kosa ireo sahirana tanteraka. Betsaka ny antony mahatonga izany ary ny soritra haminavinàna fa karazan’olona sahirana ilay vehivavy, vao mitoe-jaza. Hoy ny dokotera.

 Lire la suite...

Mety ve ny mampiasa tambavy raha manavy ?

29/07/2019

Rehefa miakatra 37.5°C ny hafanan’ny vatan’ny olona iray amin’ny maraina, na mahatratra 37.8°C amin’ny alina, dia amin’izay no atao hoe : manavy. Fomba entin’ny vatana miady amin’ny otrikaretina izany, saingy rehefa diso mahamay loatra, dia ilaina ny mampidina io hafanana io, mba tsy hifanintona.

 Lire la suite...

Santé

Ny fahatapahan’ny lalan-drà amin’ny ankizy; ahoana no no ahafantarana azy

13/08/2019

Aretina tsy vaovao amintsika ny “AVC”. Raha ny olon-dehibe no tena tratran’izy ity dia fantaro fa ny ankizy ihany koa dia mety ho tratra ny AVC saingy tsy hitan’ny Ray aman-dreny izy io raha tsy rehefa lehibe ilay zaza.

 

 Marihina fa ny antony mahatonga ny “AVC “ dia fahatapahan’ny lalan-drà tampoka eo anivon’ny ati-doha. Vao teraka ka mitohy hatramin’ny faha 16-taonany eo ny zaza no mety ho tratran’izy ity. Mba ahafahana mitsabo azy haingana dia tsara ny mijery ireto fihetsika ireto.

Ireo  fihetsika voalohany hamantarana ny “AVC” amin’ny ankizy:

Mety ho tratra ny AVC ny zaza raha toa ka ahitana ireto tranga telo ireto.Voalohany dia ahitana tsy fahalavorariana ny vava. Ankoatr’izay dia mareforefo ihany ny ilan’ny vatan’ilay ankizy;mety ny tanany na ny ranjony. Farany dia miankanankana ilay zaza rehefa miteny.  

Ny zavatra tokony atao ahitana ireo fihetsika ireo:

Zavatra telo no tokony atao amin’ny zaza mba ahitana ireo famantarana ireo. Voalohany dia asaivo mitsiky ilay zaza dia amin’iny no ahitanao raha misy tsy fahatomombanana ny vavany. Faharoa dia asaivo mamerina fehezanteny tsotra izy ary farany dia asaivo manainga ny tanany roa izy.Raha sarotra ho azy ny manatanteraka ny iray amin’ireo dia tsara raha ho entina manatona mpitsabo faran’izay aingana ilay zaza. Ankoatra ireo ny  maso manjavozavo sy ny aretin’andoha miampy fandoavana tampoka ary ny  fahaverezan-tsaina tampoka dia anisan’ny fambara ny mety ho fisian’ny AVC.

Ny fomba hamatarana ny AVC ho an’ireo zazakely vao teraka ka hatramin’ny 5 taona:

Matetika dia samihafa tsy toy ny an’ny olon-dehibe ny fitrangany satria mbola ao anatin’ny fitombohana tanteraka ny ati-dohan’ny zaza amin’io taona io.

·         Raha ho an’ny zaza latsaky ny 28 andro; fihetsika miverimberina amin’ny tarehy,indraindray ny maso na ny finonoana ny tanana,variandriana , mijanona tampoka ny fitempon’ny fo.

·         Raha ho an’ny zazakely 29 andro no miakatra dia ireto indray ny mety ho famantarana; ny fahamafisan’ny taolana sasany,tanana matetika mivonkona,manao krizy tampoka.

Vahaolana manoloana ireo:

Tsy misy afatsy ny fanatonana mpitsabo haingana ihany no tena vahaolana mety raha toa ka ahitana ireo endri-javatra ireo ny zaza.

Lalaina Rav

 

 

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo