Jejoo

Dans la même rubrique

SAKAFO MARAINA MAMPATANJAKA

06/08/2019

Antony iray mahatonga ny ankamaroan’ny olona tsy misakafo maraina ny hoe : tsy fantatra intsony ny tsara hohanina. Indro hampahatsiahivinay anao ny sakafo maraina tena tonga lafatra :

 Lire la suite...

Ny sakafo tokony hohanina rehefa ririnina

30/07/2019

Marobe ny hevi-diso miparitaka momba ny sakafo tokony hohanina rehefa ririnina. Misy no mihevitra fa tokony hihinana sakafo betsaka kokoa, matavy kokoa… Fa inona ny tena marina?

 Lire la suite...

Kaokaombra : Mahasalama tsinay, rà,…

16/07/2019

Maro tokoa ny tombontsoa entin’ny kaokaombra ho an’ny fahasalamana ankoatra ny fanamorany ny fampihenan-tena. Ireo tsara ho fantatra :

 Lire la suite...

Toy ny ahoana ny atao hoe : “portion”

09/07/2019

Matetika rehefa hanao régime dia atoro ao ny isan’ny anjara na « portion » azo hohanina amin’ny karazan-tsakafo iray.

 Lire la suite...

Matsiro kokoa ny sakafo hanina mipetraka

25/06/2019

Arakany fanadihadiana iray nataona mpikaroka amerikanina dia manova ny tsiron’ny sakafo ny fomba fihinanana azy. Raha ny marina dia voalazan’ity fanadihadiana ity fa tsara tsiro kokoa ny sakafo raha hohanina mipetraka. Fanazavana

 Lire la suite...

Ireo sakafo manafana rehefa ririnina

20/06/2019

Efa ao anatin’ny ririnina tsara isika izao. Mba tsy harary, na handairan’io hatsiaka io, dia indro ny sakafo, episy raha ny marimarina kokoa, manafana amin’izao andro mangatsiaka izao.

 Lire la suite...

Fambara 5 hahafantarana fa tsy mahazaka “lactose”

18/06/2019

Be dia be ny olona no tsy mahazaka ronono. Misy anefa no tsy mahafantatra izany akory saingy mijaly kosa noho izany tsy fahazakana izany. Ireto ny tsara ho fantatra :

 Lire la suite...

Diététique

Ny atao hoe : sakafo voalanjalanja marina

13/08/2019

Re ombieny ombieny ny hoe : tokony hisakafo voalanjalanja raha te ho salama. Mahalana be kosa no iresahana ny kipitsony maha-voalanjalanja ny sakafo. Indro ary atoronay anao ny fomba atao handrafetana sakafo voalanjalanja ho an’ny vatana :

 

 

 

 

·         Atao amin’ny ora raikitra ny sakafo mba hisorohana ny fitsakotsakoana anelanelam-potoana. Raha tsy hampihena tena dia tsy tokony atao maivana be ny sakafo hariva kanefa tsy atao mavesatra be koa. Tokony misakafo ara-dalana ihany izany.

·         Tsy mihinan-tsira betsaka. Efa misy tsirony ho azy ny sakafo raha ny tokony ho izy. Raha tia sira ianao dia ahenao tsikelikely ny fatrana sira ampiasaina.  Fadio koa ny rano misy entona fa be sira be ireny.

·         Tsy mihinana siramamy be loatra, indrindra ny siramamy fotsy satria tsy misy otrikaina intsony mihitsy ao anatiny. Raha te-hanamamy sakafo dia tantely na sirop d’érable ampiasaina fa natoraly ireny.

·         Tokony mihinana « céréales » isan’andro, ka 200 ka hatramin’ny 300 g isan’andro eo ny filan’ny olon-dehibe izany. Ireto avy ny atao hoe : « céréales » :

 

  • Ireo akora tsy voafantina : vary, varim-bazaha, quinoa, avoine. Raha sakafo maraina dia tsara kokoa ny muesli sy ny avoine fa ireny tsy nampiana siramamy. Mety koa ny vary mena atao sosoa.
  • Ny mofo vita amin’ny akora tsy voafantina : efa misy karazany maro azo isafidianana eny amin’ireo mpivarotra mofo amin’izao fotoana. Ny mofo feno na « pain complet », ny mofo vita amin’ny seigle, « multicéréales », vita amin’ny koba katsaka safidiana fa ireny be otrikaina. Mety koa ny biskaoty sy galety. 150 g isan’andro eo. Ny mofo dipaina tsotra no tsy mitondra na inona na inona satria efa voafantina be ny lafarina nanamboarana azy .
  • Ny vokatra vita amin’ny « céréales » toy ny paty vita amin’ny kobam-barimbazaha tsy voafantina, ny polenta, ny gnocchis…
  • Ny ovy : Karazana « céréales » koa ity legioma ity. Tokony hihinana azy in-droa isan-kerinandro farafahakeliny. Raha hihinana  ovy endasina kosa izay tena tian’ny ankizy dia tsara raha endasina amin’ny menaka olive na atao amin’ny lafaoro mba tsy hampiasana menaka be loatra.
  • Ny voamaina  toy ny lentilels, tsiasisa, tsaramao maina, tsarama mena sns… tokony hihinana izany indray mandeha na in-droa isan-kerinandro farafahakeliny.

·         Tokony hisy legioma vaovao farafahakeliny 400g ny sakafo isan’andro, zaraina amin’ny sakafo atoandro sy ny hariva. Atao manta, masahana na atao lasopy…Raha tsy dia tiana ny tsirony dia azo endasina amin’ny menaka oliva kely ary ampiana hanitra toy ny zava-maitso manitra ohatra.

·         Tokony hihinana voankazo 2 isan’andro ka ny iray atao karazana voasary izay mitondra vitamina C.

·         Tokony hisy proteina 150 ka hatramin’ny 200 g isan’andro ny sakafo. Azo ampifandimbiasana ny hena, ny trondro ary ny atody. Fantaro koa fa mitondra proteina tsara koa ny tofu na ny fraomazy vita amin’ny soja. Tsara kokoa raha in-droa isan-kerinandro no mihinana trondro matavy toy ny saumon na thon na sardine fa be omega 3 izy ireny. Ny hena fotsy no manaraka azy. Ny hena mena no tsy dia tsara hohanina matetika, indrindra ireo hena manakaiky taolana toy ny « entrecôtes ».

·         Ferana ny menaka. Menaka oliva na menaka colza ampiasaina amin’ny salady na handrahoina ny sakafo. Mahalana vao mampiasa dibera.

·         Ny episy, zava-maitso manitra sy fanomezan-tsiro natoraly ampiasaina hanomezan-tsiro ny sakafo. Azamampiasa akora voahodina indostrialy.

 

·         Farany, Misotroa rano tsara. 1 ka hatramin’ny 1,5 litatra isan’andro. Tokony hazava ny lokon’ny fivalanan-drano ny hariva. Ampitomboina kely ny fatran’ny rano raha mampiasa vatana be.

 

 

Hary

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo