Jejoo

Dans la même rubrique

Mahazo mandà tsy hiray ara-nofo amin’ny vadiny ve ny vehivavy ?

23/08/2019

Tafiditra ao anatin’ny adidy sy porofom-pitiavana ary fifampizaràna ao anatin’ny tokantrano, ny fanaovana firaisana ara-nofo.

 Lire la suite...

Fa maninona kay ny ray aman-dreny no miteny foana hoe aleo rehefa afaka bac vao manao sipa ?

22/08/2019

Ho an'ny ray aman-dreny maro, midika ho fidirana ao anatin'ny taonan'ny fahamatorana ny fahafahana bac.

 Lire la suite...

Lasa nandeha nanao vakansy ny sipako dia tsy miraharaha ahy mihitsy, nefa izy hitako « connecté » foana.

21/08/2019

Lazainy fa ny « connexion » no misy olana. Mbola tia ahy ve izy, sa miaraka amin’olona ?

 Lire la suite...

Vehivavy aho. 25 taona aho izao, nefa mbola tsy manambady.

20/08/2019

Efa nanao sipa aho, nefa tsy mety misokatra amin’ny olona tia ahy mihitsy ny fitiavako. Inona no mahatonga izany ?

 Lire la suite...

Lehilahy 23 taona aho, miaraka amina vehivavy 44 taona. Manambady izy io fa mbola tsy manan-janaka, dia te hiteraka amiko, hono. Izy rahateo milaza ho tia ahy nefa tsy foiny ny vadiny. Inona no tokony ataoko ?

16/08/2019

Tsy voalazanao, na tianao koa izy na tsia, na zavatra hafa no mampifikitra anao aminy. Na inona anefa antony iarahanao aminy, na inona, dia efa fantatrao izany fa tsy foiny ny vadiny.

 Lire la suite...

Lehilahy 26 taonaaho, efatehanambady, saingy tsy hita ko izay hosafidiana amin’ireo sipako. Miaraka amin’ny vehivavy anankiroa mantsy aho. Samy tiako izy roa vavy ary samy tiaahy koa.

12/08/2019

Misymilazahoe :matoanisyolonafaharoaniarahanaotaorian’ilayvoalohany, diasatriatsymahafapoanaoizanyilayvoalohany.

 Lire la suite...

Vehivavy 19 taona aho. Nisy fotoana izaho sy ny sipako niady be ary nahavita nikasi-tanana ahy mihitsy izy,

09/08/2019

fa avy eo nifona sy nandohalika tamiko. Namela azy aho, saingy mbola misy alahelo foana ato anatiko. Ny ray aman-dreniko koa amin'izao tsy mankasitraka ny hiarahanay intsony, nefa aho mbola tena tia azy. Tokony hisarahako ve izy dia ampandeferiko ny fitiavako ?

 Lire la suite...

Conseils

Lazain’ny rahavaviko fa ratsy tarehy be ilay olona miaraka amiko.

13/08/2019

Lasa matahotra aho, nefa izaho tena tia azy ary izy koa fantatro fa tia ahy. Mba toroy hevitra aho.

 

 

Misy fomba fiteny hoe : izay tiana mitombo tarehy. Araka izany, raha tena tianao izy dia tsy ho hitanao akory ny haratsiny, na fara-faharatsiny, tsy tokony hanelingelina anao mihitsy izay tarehiny any, na iza hiteny, na iza hanaratsy. Raha toa ka mampitebiteby anao izany dia tokony hanontany tena ianao, raha tena tia azy marina na tsia. Sady izay safidinao ihany io, fa ianao no hiaraka aminy. Ny olona tsy maintsy hiteny foana, na hananatra, na haneso… fa ianao no tompon’ny fanapahan-kevitra.

 

Lehilahy aho ary manana sipa. Ny namako rehetra dia tara amin’io sipako io daholo. Inona no tokony ataoko fa izaho no kely indrindra amin’ny namako rehetra ?

Ny tokony ataonao voalohany dia ny matoky tena sy ny matoky ilay olon-tianao. Tsy satria akory kely ianao dia tsy ho tian’io vehivavy io, rehefa mahita ny namanao izy. Rehefa mifankatia tena mifankatia ianareo dia izay no zava-dehibe. Tsy ho azonao sakanana tsy hisy hitsiriritra ny olon-tianao. Tokony hahafaly anao aza izany, satria manana ny tsara ianao matoa tsiriritin’olona. Raha tena namana koa ny namanao dia tsy hangalatra ny efa eo am-pela-tananao mihitsy. Matoa ianao miahiahy dia na, saro-piaro diso tafahoatra, izany hoe : tsy matoky tena ; na tsy atokisanao ho tena tia anao ilay vehivavy ; na ireo namanao no tsy azonao antoka.

 

Nisy lehilahy izay tena tiako. Izahay anefa misaraka kely iray volana foana, dia mifamerina avy eo. Mba mety ho tena tia ahy koa ve izy ? Omeo vahaolana fa tena sahirana aho mandinika ny fiainam-pitiavako.

Ny tena tsara dinihina eto dia ny antony mahatonga anareo hisaraka sy hifamerina lava. Raha tsy fantatra mazava izay antony izay dia tsy ho marin-toerana mihitsy ny fiainam-pitiavanareo. Dinihonao irery aloha : iza foana ilay maniry ny hisaraka ? Raha ianao : misy toetrany na zavatra ataony tsy zakanao ve ? Tsy azonao leferina mihitsy ve izany ? Raha izy indray : misy tsy zakany ve ny ataonao, na ny toetranao ? Sa izy mihitsy  no te hiala fa tsy mahatombina loatra ? Vonona hanova ny toetranao tsy tantiny ve ianao ?... Rehefa vita ny fandinihanao tena sy ny fandinihanao ny momba azy dia angataho izy hifampiresaka aminao mahakasika izany. Raha manaiky izy dia tena vonona ny hitady vahaolana ho anareo. Raha tsy manaiky izy dia tsy matotra ny fitiavany, tsy te hiditra lalina izy ka tsy maniry ny hanatsara ny fifandraisanareo koa.

 

 

 

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo