Jejoo

Dans la même rubrique

Meg Ryan : nividy « villa » mitentina 5 tapitrisa dolara

21/02/2020

Mahafinaritra ireo olo-malaza ny manana trano tsara tarehy handraisana ireo namany sy hakana aina rehefa tsy any anaty fampisehoana na fanodinana horonan-tsary izy ireo.

 Lire la suite...

North West : Efa manana ny lamaodiny manokana

20/02/2020

Vao teraka mihitsy i North West dia efa naharaka lamaody. Ny reniny rahateo isan’ireo « influenceuse » na olo-malaza be mpanaraka indrindra any anaty aterineto ka tsy manao ambanin-javatra izany fomba fiakanjo izany mihitsy.

 Lire la suite...

« A star is born » : Tsiambaratelo vitsy momba ny horonan-tsary

19/02/2020

Horonan-tsary nanamarika ny fiainana ara-mpanakanton’i Lady Gaga ny « A star is born » nivoaka tamin’ny taona 2018. Nahatonga resabe ity horonan-tsary ity, ary na hatramin’izao aza, maneran-tany mihitsy. Misy ireo tsiambarantelo vitsy mba tsara ho fantatra mahakasika ity horonan-tsary ka handeha ho jerentsika ireo.

 Lire la suite...

Big Flo sy Oli : nanolotra 500.000 euros, hanampiana ny mpiara-belona

18/02/2020

Ray mpiahy ilay fikambanana « Secours populaire » ireo roalahy mpivohy gadona rap, Big Flo & Oli. Araka ny efa nampanantenain’izy ireo tamin’ny taon-dasa dia narotsany ho an’ny fikambanana

 Lire la suite...

Printsy Georges, Elle Fanning… ankizy manan-karena indrindra eran-tany

17/02/2020

Vintana sa anjara ny an’ireto ankizy ireto fa mbola vao kely izy ireo dia efa manan-karem-be. Ny tsy azo lavina kosa aloha dia nifofotra ny sasany amin’izy ireo vao tafita na tsy mahakasika ny zanaky ny printsy loatra aza izay tranga izay.

 Lire la suite...

Kobe Bryant sy Gianna : efa voalevina

14/02/2020

Nodimandry ny 26 janoary lasa teo ilay mpanao basikety Kobe Bryant sy ny zanany vavy Gianna.

 Lire la suite...

Colin Firth, Audrey Hepburn…Mahay miteny fiteny maro hafa

13/02/2020

Mamiratra ireo olo-malaza rehefa manitsaka karipetra mena. Ankoatra izany nefa dia maro amin’izy ireo no miezaka, eo amin’ny fiainany manokana mba hisongadina. Takian’ny horonan-tsary lalaoviny sy ny fifandraisana hananany eo amin’io tontolon’ny sarimihetsika io rahateo izany matetika. Ireto ary ireo olo-malaza mahay fiteny maro hafa noho ny azy na « polyglottes ».

 Lire la suite...

People

Mora lefy ny laza: aiza ry Indila, Craig David...?

12/08/2019

Betsaka ireo olo-malaza tena nanamarika ny kanto nataony saingy taona vitsy taty aoriana dia adino ny momba azy fa nosoloin'ireo mpanakanto nitondra zava-baovao indray.

 

 

 

 

1.Isan'izany i Indila. Namoaka raki-kira tamin’ny taona 2014 tany ary nitana ny laharana voalohany mihitsy ny hirany toa an-dry Tourner dans le vide, Derniere danse tamin'izany. Araka ny nambarany dia tsy nampoiziny ny lazany tampoka ka nanapa-kevitra ny hangina mihitsy aloha izy.

2.Tena be mpankafy i Jena Lee, fantatra tamin'ilay hira "J'aimerais tellement". Niezaka ny hitady lalana tao anatin’ny tontolon'ny mozika ihany izy taorian’ny raki-kirany voalohany saingy tsy be mpankafy intsony izany. Nanomboka teo dia tsy heno intsony izy ary nidify tsikelikely teo amin’ny sehatry ny kanto.

3.Nalaza ery ilay hira "Dragostae Din Tae" navoakan'ny tarika Ozone tamin'ny taona 2004. Be mpankafy izany na dia tsy fantatra loatra aza ny tena tian'ilay tononkira ho lazaina. Nisaraka nefa ny tarika tamin’ny taona 2015 ary samy nandeha irery saingy tsy nalaza intsony izy telolahy mpikambana.

 

 4.Nalaza ihany koa raha ilay mpihira Craig David, tao anatin’ny gadona Rn'B tany amin’ny taona 90 tany. Ilay hirany 7 days no tena nahafantarana azy. Miavona sy misy toetra nefa izy ka nanjary vitsy mpankafy ary na ireo raki-kirany rehetra aza dia nihalefy tsy nisy mpividy intsony. Nivadika ho mpampandihy indray izy amin'izao fotoana ka any no hahafantarana azy kokoa.

 Rinahsoa.

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo