Jejoo

Dans la même rubrique

Fambara 4 fa tsy natao ho anao izy

02/12/2019

Tsy ny fe-potoana niarahana no hahafantarana raha tena natao ho anao na tsia ny olona iarahanao fa ny fifandraisana misy sy mampifamatotra anareo. Raha ireto 4 ireto no mitranga dia tsy natao ho anao izy.

 Lire la suite...

Kitso : kitikitiho hianohana fahafinaretana faratampony!

26/11/2019

8.000 isa eo ho eo no isan’ny retsika amin’ny kitso. Izany rahateo no mahatonga azy ho taova itoeran’ny fahafineratan’ny vehivavy. Araraoty ny fikitihina azy raha te-hambabo vehivavy.

 Lire la suite...

Fiarahana vao miandoha, fadio ireto…

25/11/2019

Tsy ampy ny mitia fotsiny fa misy ny fihetsika tsy maintsy tandremana raha tiana haharitra ny fiarahana ho an'ireo vao miaraka amin'ny olon-tiany.

 Lire la suite...

Ny ahafantarana fa diso lalana ny Fitiavana…

11/11/2019

Anisan’ny olana mandrava ny fiarahan’olon-droa koa ny fiankinan-doha ara-pihetseham-po na ilay antsoina amin’ny teny vahiny hoe : « dependance affective ».

 Lire la suite...

Mandainga izy sa tsia, teknika roa hamantarana izany

07/10/2019

Mandainga aminao ve izy sa tsia ? ny hany azo antoka dia tsy mbola nisy olona nanontaniana raha nandainga na tsia niaiky fa nandainga tokoa.

 Lire la suite...

Ireo dingana 5 arahina raha hiverina amin’ilay teo aloha

09/09/2019

Vao nisaraka ianareo saingy tsy te-hanary azy ianao satria mbola tia. Misalasala ianao satria na ny manodidina anareo aza efa tsy mandrisika anao amin’izany intsony koa .Inona ny fomba azo atao raha sendra izany?

 Lire la suite...

Mpifankatia miady : Antony 3 mahatsara azy

02/09/2019

Tsy misy mpifankatia na mpivady tsy miady izany. Mety ho ratsy fiafara anefa izany raha toa ka tsy hay ny mandravina azy. Fantaro koa anefa fa mety hanamafy ny fifamatoran’ny mpivady ny adiady. Diniho anie ireto tombony azo avy amin’ny adin’ny mpifankatia ireto e :

 Lire la suite...

Love

Tsiambaratelo hialana amin’ny hasarotam-piaro

12/08/2019

Mahasaropiaro anao fatratra ny vadinao na ny olon-tianao. Raha azonao natao dia niaraka taminy foana na aiza na aiza alehany.

 

 Fantaro anefa fa sady handrera-tsaina anao izany no hahatonga azy ho tofoka anao koa. Ahoana ary ny atao hialana amin’izany?

Mamosavy ny saina

Ny ao an-tsain’ny olona saro-piaro matetika dia ny hoe  : « inona no mitranga rehefa tsy eo anilany aho »

·         Io mihitsy no fototry ny olana. Matahotra ny zavatra mety hitranga sy ho ataony ianao rehefa tsy eo anilany. Heverinao fa manalavitra anao am-po koa mantsy izy rehefa lavitra anao ara-batana. Izay no antony mahatonga ny sainao mamorona tranga samihafa izay mandrehitra ny hasarotam-piaronao.

·         Tokony ho tsapanao anefa fa izany rehetra izany dia vokatry ny ahiahinao manokana fa tsy hadisoana avy aminy akory. Tsy rariny noho izany raha izy no voatery hanamarina ny fihetsiny sy ny lalana ary ny zavatra ataony rehetra.

Ny akony any aminy

Mahatofoka vetivety ny vehivavy diso saro-piaro loatra. Ilay ianao te-hahafantatra foana ny misy azy sy izay ataony rehetra, ilay ianao lasa « polisy » fa tsy olon-tiana intsony satria mivadika ho fanadihadiana ny fifampiresahana matetika fa tsy ilay angolam-pitia sy fihantahanta intsony. Meteza ho eo amin’ny toerany iray minitra hoe :  tianao ve ny hatao toy izany. Na dia tena tia anao aza izy dia mety ho leo ihany raha izany foana no iainany.

Omeo laharam-pahamehana ny tenanao

Tsy  hisalasalana fa nomenao ny laharam-pahamehana rehetra ny fiarahanareo matoa ianao lasa diso saro-piaro aminy. Tsy hahitam-bokatsoa anefa izany raha toy izany foana. Ny mety dia ny fanomezanao laharam-pahamehana ny tenanao manokana indray. Mila miverina mamantatra ny tenanao ianao. Inona ny zavatra tianao hatao? inona ny tanjonao eo amin’ny fiainana? Ezaho valiana ireo filànao manokana mba hivelaranao amin’ny maha-olona sy amin’ny maha-vehivavy anao. Tsarovy fa toy izany ianao talohan’ny niarahanao taminy ary ilay ianao iny mihitsy no nitiavany anao. Ilay ianao sariaka, tsy dia be ahiahy, feno fanantenana, manana tetikasa, manana vina, manana ny alavolinao manokana sy ny namanao iny no nanintona azy. Fantaro koa fa rehefa manana ny fiainanao manokana ianao dia tsy hanam-potoana be loatra intsony hieritreretana momba ny hasarotam-piaronao. Ary ny farany kanefa tsy kely indrindra dia ho izy indray no hisarangotra aminao satria toa tsy dia miraikitra firy aminy intsony ianao.

 

Hary

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo