Jejoo

Dans la même rubrique

Meg Ryan : nividy « villa » mitentina 5 tapitrisa dolara

21/02/2020

Mahafinaritra ireo olo-malaza ny manana trano tsara tarehy handraisana ireo namany sy hakana aina rehefa tsy any anaty fampisehoana na fanodinana horonan-tsary izy ireo.

 Lire la suite...

North West : Efa manana ny lamaodiny manokana

20/02/2020

Vao teraka mihitsy i North West dia efa naharaka lamaody. Ny reniny rahateo isan’ireo « influenceuse » na olo-malaza be mpanaraka indrindra any anaty aterineto ka tsy manao ambanin-javatra izany fomba fiakanjo izany mihitsy.

 Lire la suite...

« A star is born » : Tsiambaratelo vitsy momba ny horonan-tsary

19/02/2020

Horonan-tsary nanamarika ny fiainana ara-mpanakanton’i Lady Gaga ny « A star is born » nivoaka tamin’ny taona 2018. Nahatonga resabe ity horonan-tsary ity, ary na hatramin’izao aza, maneran-tany mihitsy. Misy ireo tsiambarantelo vitsy mba tsara ho fantatra mahakasika ity horonan-tsary ka handeha ho jerentsika ireo.

 Lire la suite...

Big Flo sy Oli : nanolotra 500.000 euros, hanampiana ny mpiara-belona

18/02/2020

Ray mpiahy ilay fikambanana « Secours populaire » ireo roalahy mpivohy gadona rap, Big Flo & Oli. Araka ny efa nampanantenain’izy ireo tamin’ny taon-dasa dia narotsany ho an’ny fikambanana

 Lire la suite...

Printsy Georges, Elle Fanning… ankizy manan-karena indrindra eran-tany

17/02/2020

Vintana sa anjara ny an’ireto ankizy ireto fa mbola vao kely izy ireo dia efa manan-karem-be. Ny tsy azo lavina kosa aloha dia nifofotra ny sasany amin’izy ireo vao tafita na tsy mahakasika ny zanaky ny printsy loatra aza izay tranga izay.

 Lire la suite...

Kobe Bryant sy Gianna : efa voalevina

14/02/2020

Nodimandry ny 26 janoary lasa teo ilay mpanao basikety Kobe Bryant sy ny zanany vavy Gianna.

 Lire la suite...

Colin Firth, Audrey Hepburn…Mahay miteny fiteny maro hafa

13/02/2020

Mamiratra ireo olo-malaza rehefa manitsaka karipetra mena. Ankoatra izany nefa dia maro amin’izy ireo no miezaka, eo amin’ny fiainany manokana mba hisongadina. Takian’ny horonan-tsary lalaoviny sy ny fifandraisana hananany eo amin’io tontolon’ny sarimihetsika io rahateo izany matetika. Ireto ary ireo olo-malaza mahay fiteny maro hafa noho ny azy na « polyglottes ».

 Lire la suite...

People

Las Vegas: fanaovan’ireo olo-malaza mariazy maimaika

08/08/2019

Nanomboka tany amin’ny taona 40 tany dia tian’ireo olo-malaza mihitsy ilay mitsoriaka any Las Vegas ka manao mariazy.

Sady vetivety no tsy lafo ny fanaovana izany ary romantika ihany koa. Ilay mpilalao sarimihetsika Mickey Rooney izay nivady tamin’i  Ava Garner  no nanomboka izany ny taona 1942 tao amin’ny “Little Churche of the West” izay efa tena malaza  be any an-toerana. Efa niverina im-balo tao ary moa ity mpilalao sarimihetsika ity ary taorian’izay dia tsy voaisa intsony ireo olo-malaza tonga nivady tao amin’io fiangonana kely io izay ahitana lehilahy maka tahaka ny endrik’ilay mpihira Elvis manamasina ny mariazy. Isan’izany ireto entina aminao ireto.

1.       Johnny Hallyday sy Adeline Blondieu: nivady indroa ka tany Las Vegas ny fanindroany

2.       Angelina Jolie sy Billy Thornton: Izao mihitsy no paozin’izy roa nandeha nivady tamin’ny taona 2000 tany

3.       Demi Moore sy Bruce Willis: Vao niaraka telo volana monja izy ireo dia nivady tao Las Vegas fa iray volana taorian’izay no nanao fety be

4.       Frank Sinatra sy Mia Farrow: 31 taona ny elanelan-taonan’izy ireo tamin’ny taona 1966 nivadiany ary isan’ny antony nampisaraka azy izany, 2 taona taty aoriana

5.       Elvis Presley sy Priscilla Beaulieu: Efa nitoe-jaza ny zanak’izy ireo Lisa Marie izy roa no nivady saingy nisaraka ny volana oktobra 1973

6.       Joe Jonas sy Sophie Turner: nivady ny 1 mey 2019 lasa teo izy roa ireto tao anatin’ny ahamehana. Roa volana taty aoriana vao nanao fety be niaraka tamin’ny fianakaviana rehetra

 

Rinahsoa

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo