Jejoo

Dans la même rubrique

Molokely : Ireo tsara ho fantatra mahakasika azy

14/01/2020

Taova tsy tena manaitra firy, ny lehilahy na ny vehivavy ny molokely amin’ny fivaviana. Isan’ireo faritra azo ambara ho itoeran’ny filangolangoan’ny vehivavy anefa io faritra io,

 Lire la suite...

Paozy eo am-pandriana, samy manana ny tsirony

07/01/2020

Maro karazana ireo paozy azo atao mandritra ny firaisana ara-nofo. Samy manana ny mampiavaka azy sy ny mampatsiro azy avy izy ireny. Santionany ireto entina aminao ireto.

 Lire la suite...

Vehivavy dongadonga : Mahay mampirevy !

06/01/2020

Tsy ny vehivavy tsara bika sy mirafi-batana tsara ihany no afaka manome fahafinaretana lafatra eny am-pandriana.

 Lire la suite...

Mitelina tsirinaina dia… mihena !

24/12/2019

Valim-panadihadiana medikaly, navoakan’ny profesora Ingrid Fleisher,

 Lire la suite...

Ireo nofinofim-pilàna maro mpankafy

18/12/2019

Ankavitsiana ireo mpifankatia no sahy mamboraka ny nofinofim-pilàny sy ny faniriana mampientana azy.

 Lire la suite...

Tsy ampy rano…tandremo ny “infection urinaire”!

04/12/2019

Amin’izao fotoanan’ny mafana izao indrindra no tena betsaka ny olona tratry ny “infection urinaire”, satria tsy misotro rano.

 Lire la suite...

Miray ara-nofo mandritra ny “regles”

03/12/2019

Tsy misy mihitsy ny fandrarana ara-medikaly, raha hiray ara-nofo mandritra ny fotoana hahatongavan’ny fadimbolana.

 Lire la suite...

Sexo

Miala kely amin’ny mahazatra …

16/07/2019

Isan’ny antoka iray hahazoan’ny vehivavy fahafinaretana ny fomba fitsofoky ny taovam-pananahan’ny lehilahy any anatiny.

 

 

 

Fomban-drazana hatsaraina kokoa

Isan’ireo « position » fanaon’ny mpivady matetika ny « missionnaire », nefa mety hankaleo izy io. Azo ovaina kely, hiavaka sy hanome fahafinaretana kokoa. Ohatra : asio ondana ao ambanin’ny lamosin’ilay vehivavy. Ho hitanao fa samy hafa ny fahatsapana re. Azo atao ihany koa ny mampiakatra ny tongotra 2, na ny ilany, an’ilay vehivavy, eo ambonin’ny soroka. Ho fanampin’izany, arindrao ny fihetsiketsehana atao : mbetika mafimafy, mbetika mora sy milamina. 

Ny vehivavy no tompon’ny lakile

Ny vehivavy mihitsy eto no mandrindra ny fihetsika rehetra. Tsara raha tena miainga faran’izay alavitra indrindra ny vehivavy rehefa ilay mihetsika miakatra iny, izany hoe : ny lohan’ny filahiana sisa no ao anatiny, izay vao miverina midina indray. Miadana no anatanterahana izany. Tsara koa anefa raha manampy ny vehivavy hitazona ny “rythme” tiany ilay lehilahy.

Manakatra ny point “G”

Mora ahatakarana kokoa ilay atao hoe : “point G”, izay faritra kely tena mitondra fahafinaretana be ho an’ny vehivavy, ity paozy ity. Mandady ny vehivavy, avy ao aoriany ilay lehilahy no manofoka ny taovam-pananahany ao anaty fivaviana. Afaka mihetsika tsara ihany koa ilay vehivavy, manampy ny fihetsiky ny lehilahy.

Tiasoa

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo