Jejoo

Dans la même rubrique

Ny fomba fitiavana tena maha-sambatra…

13/01/2020

Maro ny vehivavy mahatsiaro mijaly ara-pitiavana. Anisan’ny mampijaly azy ireo indrindra ny tsy firarahiana sy ny hasarotam-piaro. Mety avy amin’ny fanavahana ireo fihetseham-po roa ireo koa anefa no ahafahana mitady vahaolana amin’izany.

 Lire la suite...

Mahatratra ny vady nampirafy, ny tsy tokony atao !

06/01/2020

Mampirafy ny olon-tianao, na ny vadinao. Rehefa tratranao izy, dia manazava, miangavy, mifona, mandamin-dresaka.

 Lire la suite...

Hadisoana telo tsy mahasambatra ny mpivady

30/12/2019

Amin’izao vanim-potoana izao indrindra no tsara hanaovana jery todika hanatsara ireo lesoka hita ao anatin’ny fiainan-tokantrano. Misy santionany telo matetika fanao ireto tokony hahitsy :

 Lire la suite...

Nampirafy izy, mbola azo itokisana ve?

16/12/2019

Marary ny ampirafesina. Ankoatra ny alahelo sy ny hatezerana dia tsy maintsy mipetraka koa ny fanontaniana ny amin'ny tokony atao.

 Lire la suite...

Fambara 4 fa tsy natao ho anao izy

02/12/2019

Tsy ny fe-potoana niarahana no hahafantarana raha tena natao ho anao na tsia ny olona iarahanao fa ny fifandraisana misy sy mampifamatotra anareo. Raha ireto 4 ireto no mitranga dia tsy natao ho anao izy.

 Lire la suite...

Kitso : kitikitiho hianohana fahafinaretana faratampony!

26/11/2019

8.000 isa eo ho eo no isan’ny retsika amin’ny kitso. Izany rahateo no mahatonga azy ho taova itoeran’ny fahafineratan’ny vehivavy. Araraoty ny fikitihina azy raha te-hambabo vehivavy.

 Lire la suite...

Fiarahana vao miandoha, fadio ireto…

25/11/2019

Tsy ampy ny mitia fotsiny fa misy ny fihetsika tsy maintsy tandremana raha tiana haharitra ny fiarahana ho an'ireo vao miaraka amin'ny olon-tiany.

 Lire la suite...

Love

Tsiambaratelo mampaharitra ny fanambadiana

15/07/2019

Inona ny tsiambaratelo mampaharitra ny fiarahana sy mikolo ny fitiavana eo amin’ny olon-droa ?Mety fihetsika kely sy bitika izy ireny kanefa misy vokany. Atoronay anao ny santionany :

 

 

 

  • Miaraka miditra ao am-pandriana

Tsy midika akory izany hoe : tsy maintsy hisy firaisana ara-nofo foana isan-kalina fa mametra ny tena zava-dehibe dia ny miara-mandeha matory. Tsy mampisy firaisam-po mantsy ny matory amin’ny ora samihafa. Mamy dia mamy ilay fihina kely hatao mialohan’ny hatory iny.

  • Mifampitantana

Anisan’ny fihetsika mikolo ny fitiavan’ny mpivady ny mifampitantana. Tokony handeha ho azy izany fa tsy hatao an-tery. Fihetsika maneho fahavononana hanamafy ny fifandraisan’ny mpivady koa io na dia heverina ho toy ny zavatra  bitika aza.

  • Mifanoroka

Tena ilain’ny mpivady ny mifanoroka isan’andro. Mila itadidy ny « fifampikasohana miabo » ny hoditra ary mamaly izany filàna izany ny oroka sy ny fihina.

  • Manome teny mamy isan’andro

Ilaina mihitsy ny mamoaka ilay teny na dia mety efa heverinao aza fa fantatr’ilay vadinao fa tianao izy. Manome hafaliana, manamafy ny fifampitokisana ary manampy hanana faharetana ny mahazo teny mamy indrindra ilay teny sarotra tenenina hoe : « tiako ianao ».

  • Mirary torimaso mamy ho azy isaan-kalina.

Na nisy disadisa na vizana be na inona na inona antony, dia aza adinoina ny mirary torimaso mamy ny vadinao mialohan’ ny hatory. Manatsara ny fifandraisanareo am-po koa izany.

  • Manontany vaovao momba azy mandritra ny tontolo andro.

Tsara ny mba miresaka tsindraindray amin’ny vadinao ao anatin’ny tontolo andro, mba manontany ny momba azy na izay hataony, na mandefa hafatra mampatsiahy azy fa mahatsiaro azy ianao. Ho fantatrao amin’izay raha nisedra zava-tsarotra izy tany am-piasana ka mila miato kely mihinana glasy ianareo alohan’ny hodiana any an-trano ohatra hampaherezana azy. 

  • Mifampatoky ary mifamela raha ilaina

 Manamafy ny fifandraisan’ny mpivady ny mifampatoky sy ny mifamela raha ilaina izany. Mamotika azy kosa ny mahina, ny mifanditra …

  • Mitady fialam-boly iraisana

Samy manana ny fialam-boly tiany sy ny zavatra mahaliana azy manokana ny tsirairay. Tena ilaina tokoa izany. Ilaina koa anefa ny mamaritra fialam-boly iarahana manao. Manamafy ny firaisam-po izany satria fotoana mahafinaritra no hiarahanareo manao.

Hary

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo