Jejoo

Dans la même rubrique

SALOHY Manofy ireo vady aman-janany foana

19/07/2019

Enim-bolana katroka anio zoma 19 Jolay ny nisian’ilay vatobe nianjera teny Ampahamarinana nahafatesana olona maro.

 Lire la suite...

Julio, ankizy sahirana ho hampian’i Carolus

18/07/2019

Ankizilahikely mipetraka any Antsirabe ary kilasy faha-10 i Julio. Tao anatin’ny tambajotra Facebook, rehefa nisy nandefa ny sariny manao “tee-shirt” nasiany sora-tanana hoe “Carolicy”,

 Lire la suite...

Ireo « jus naturel » mahasolo fanafody!

17/07/2019

Fotoana fahavokaran’ny voankazo eto amintsika amin’izao ary ahitana karazany maro mihitsy eny an-tsena eny.

 Lire la suite...

LUDGER Mety ho lasa barea kely …araho ny tantarany

16/07/2019

Zazalahy kely mpatory an-dalana eto an-drenivohitra i Ludger kely na i Dzé sy ny Reniny. Tsy manana trano izy mianaka ireo fa matory eny rehetra eny no sady tsy manana vilany fandrahoana sakafo ihany koa fa mahandro amin’ny kapoaka.

 Lire la suite...

Ireo vehivavy, tanjaky ny BAREA

15/07/2019

Ankavitsiana no nahafantatra ireo mpilalaon’ny Barea nialoha ny nandraisan’izy ireo anjara tamin’ny Lalao CAN 2019.

 Lire la suite...

Hiara-hirona hitsena ny BAREA isika anio !

13/07/2019

Nahatoky sy nino hatramin’ny farany na ireo mpilalao na ny Malagasy fa handrombaka ny amboara amin’ny fiadiana ny CAN 2019 ny Barea. Nifarana teo amin’ny ampahefa-dalana nefa ny dian’izy ireo tao anatin’ny fifaninanana, tamin’ny nandresen’ny Tonizia antsika tamin’ny isa 3 no 0 ka ireto farany no tafiakatra any amin’ny dingana manasa-dalana.

 Lire la suite...

Suzanna : Naolana sy novonoin’ny vadiny saro-piaro

12/07/2019

Niakatra fitsarana tamin’ity herinandro ity tao Alemana ny raim-pianakaviana iray izay voampanga ho nampijaly, nanolana ary namono am-badiny noho ny resaka hasarotam-piaro sy fanaovana tsindry hazolena.

 Lire la suite...

Actualités

Anosizato : Tratra ilay mpanolana bevohoka

11/07/2019

Tratra ny iray tamin’ireo jiolahy telo nanendaka mpivady kely tratra alina handeha hody. Lasan’ireo jiolahy tamin’izany ny firavaka sy ny vola rehetra tany amin’izy mivady.

 

 Tsy vitan’ny voaendaka moa ireto mpivady ireto tamin’izay fa nodarohan’ireo jiolahy telolahy ilay raim-pianakaviana ary natsipiny tao anaty tatatra rehefa tsy nahatsiaro tena. Ilay renim-pianakaviana kosa nentin’izy ireo tamin’ny toerana manginga tsy lavitra teo ary dia naolan’izy ireo. Bevohoka roa volana anefa ity renim-pianakaviana ity. Nitory tany amin’ny polisy izy mivady ka nosokafan’ny polisy ny famotorana ary tamin’izany no nahafahana nitady ny toerana nipetrahan’ireo olon-dratsy. Nidina teny an-toerana ny polisy saingy tsy tratra tao intsony ireo jiolahy izay lasa nitsoaka. Nitohy ny fikarohana ary tra-tehaka teny am-pampiadiana akoho teny Anosizato ny iray tamin’ireo jiolahy. Niaiky ny heloka vitany ity farany ary fantatra fa mpirahalahy avokoa ireo nanao ity asa ratsy tamin’ireo mpivady ity. Mbola mitohy ny fanadihadiana hataon’ny Polisy hikarohana ireo roalahy ambiny.

 

Natty

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo