Jejoo

Dans la même rubrique

« Petit pois » : Mampihena kôlesterôly, misoroka katarakta…

19/07/2019

Fahavokaran’ny petit pois izao. Toa fahazarana fotsiny anefa ny mihinana azy ity, atao fangaron-daoka, fa vitsy ireo mahafantatra ny vokatsoa entiny amin’ny vatana. Ampahanfatarina anao anio izany.

 Lire la suite...

« Brochettes » voankazo misoroka “rétention d’eau”

18/07/2019

Ho an’ireo izay mora tratry ny fiandronan-drano na « rétention d’eau », ity « brochette de fruit » ity dia mety tsara ho azy ireo no sady mahasalama. Tohin’ny fandaharana « Taiza Vatana » izay nolazaina taminao omaly.

 Lire la suite...

Poara, manadio rà sy tsinay

16/07/2019

Amin’ny ankapobeny dia betsaka ireo olona tsy dia mankafy poara, nefa mialohan’ny hisafidiananao voankazo hafa dia fantaro aloha ireo voka-tsoa entiny ho an’ny vatanao sy ny fahasalamanao.

 Lire la suite...

Dia an-tongotra, fanatanjahantena feno

12/07/2019

Efa maro ny resaka mikasika ny voka-tsoa entin’ny fandehanana an-tongotra, nefa tsara ihany ny mbola hanamafisana izany. Maro amintsika mantsy no tsy afaka manao fanatanjahantena loatra, saingy kosa afaka mandeha an-tongotra, hanatsaràna ny fahasalamana.

 Lire la suite...

Sôkôlà, miasa toy ny « aspirine » !

10/07/2019

Saika mankafy sôkôlà daholo ny vehivavy rehetra. Tsy mahagaga izany, satria mahafinaritra sy mahamiramirana ary mampitony fo ny mihinana azy. Mety mbola tsy tsikaritsika anefa fa mahasolo “aspirine” koa ny sôkôlà…

 Lire la suite...

Homamiadan’ny hoditra : Arovy amin’ny masoandro ny hoditra !

09/07/2019

Toy ny aretina goavana rehetra, mila fitiliana mialoha foana ny homamiadan’ny hoditra, ahafahana mitsabo azy ara-potoana sy hahasitrana azy tanteraka. Ireto no tsara tandremana manokana, momba io homamiadana io, indrindra ho an’ireo izay maniry ny ho any amorontsiraka hanao vakansy.

 Lire la suite...

Torohevitra natoraly 5 mampitony ny “migraine”!

04/07/2019

Ny vehivavy, amin’ny ankapobeny, no tena tratryan’ny « migraine », na ilay aretin’an-doha mahery vaika, miseho amin’ny ilany iray amin’ny faritry ny loha. Mety hisinda vetivety fa mety haharitra ora maro mihitsy ny “migraine”. Ireto ny fomba ampitoniana azy.

 Lire la suite...

Taiza vatana

Manaikitra ny kibo, tsy voatery hihetsi-jaza foana

11/07/2019

Ny fihetsehan-jaza no fotoana fiantombohan’ny fiterahana, rehefa tonga eo amin’ny fahasivy volany ny kibon’ny vehivavy bevohoka. Indraindray anefa, mety hitranga ihany koa ny fihetsehan-jaza tsy ara-dalàna (faux travail). Ny mahakasika izay no hitondram-panazavana anio.

 

 

 

 

Ny tena atao hoe : mihetsi-jaza

Tokony ho fantatra tsara fa ny atao hoe : mihetsi-jaza dia rehefa ho teraka. Ireto telo ireto no tena miseho, ka hahafantatarana fa efa ho teraka ilay vehivavy :

1.      Manaikitra ny kibo: miseho mandritra ny 1 minitra eo ho eo izany, mijanona kely ary miverina manaikitra indray, afaka 10 na 15 minitra eo ho eo.

2.      Misokatra ny vozon’ny tranon-jaza rehefa tsapain’ny mpitsabo, na ny mpampiteraka.

3.      Misy fambara hafa ihany koa : misy rano (ranon-dohany) na rà kely mandeha.

 

Ny “faux travail”

Ny kibo manaikitra ihany no miseho amin’izy ity, fa tsy misy fambara hafa no sady tsy misokatra ihany koa ny vozon-trana-jaza (col de l’utérus). Matetika, any amin’ny fisafoana no ampianarina ny vehivavy bevohoka ny “faux-travail”.

 

Inona no tokony atao ?

Raha sendra miseho io “faux travail” io dia tokony hanatona tobim-pahasalamana avy hatrany. Mila fizahana sy fanaraha-maso akaiky mantsy ny vohoka ary averina isaky ny ora 3 na 4 izany hanamarinana raha tena mihetsi-jaza marina, na tsia. Anontaniana ny volana nitondrany vohoka, sao aloha loatra ka mila miditra hôpitaly haingana ilay vehivavy.

 

Ho an’ilay vehivavy manokana

Tsy tokony hikoropaka ny vehivavy eto. Mangalà aina, milona ao anaty rano mafana, izay zakan’ny tena. Araho an-tsakany sy an-davany ny torohevitry ny mpitsabo raha mila mihinana fanafody.

 

Isaorana ny dokotera Robert Razafindramanana

Gynécologue - Obstétricien

Nelly-Bri

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo