Jejoo

Dans la même rubrique

Salade de pates à la sauce caramel

21/11/2019

Akora ilaina · Paty 500g · Katsaka amin’ny boaty 150g · Voatabia 2 · Fraomazy 200g · Nofon-kenan-kisoa 500g · Tongolo be 2 · Menaka

 Lire la suite...

Fivaviana sy andro mafana…tandremo ny aretina!

21/11/2019

Mety hampiova ny fahasalaman’ny vatana ny hafanana ary isan’ireo mety hiantefan’izany ny fivaviana. Hoy ny dokotera.

 Lire la suite...

Andro mamay be : Tandremo ny zazakely, zokiolona, bevohoka

18/11/2019

Anatin’ny vanim-potoanan’ny fahavaratra isika amin’izao fotoana izao. Tafiditra miaraka amin’izay ny hafanana izay tena mamely.

 Lire la suite...

Zava-maniry « ofika » : manasitrana vay !

15/11/2019

Fanafody nentim-paharazana, tena fampiasa foana ny ofika rehefa misy vay ny olona iray. Eny amin’ireny mpivarotra tapa-kazo ireny no ahitana azy. Toy izao kosa ny fampiasana an’io akora io, raha misy vay.

 Lire la suite...

Zaza tsy mitombo ao am-bohoka : Fa maninona?

14/11/2019

Saro-pady be mihitsy ny fitondrana vohoka eo amin’ny vehivavy. Tranga mety hiseho amin’izany ohatra ny « Retard de Croissance Intra-utérine » izany hoe :

 Lire la suite...

Manga : Efa azo hanina ve amin’izao?

13/11/2019

Efa ambara amintsika ombieny ombieny ny mahakasika ny voankazo izay vokatra sy ny maha-latsak’orana azy na tsia. Vokatra izao ny manga, efa azo hanina tsara.

 Lire la suite...

Mitsabo gripa amin’ny divay

06/09/2019

Azo ampiasaina hiadiana amin’ny gripa ny alikaola. Mitahiry hery miady amin’ny aretina sy mampihena fanaintainana ary manintsana ireo poizina ao anaty mantsy ity akora iray ity. Rehefa tratran’ny gripa ary dia azo hatao ny misotro divay mafana. Toy izao ny fanaovana azy.

 Lire la suite...

Santé

Tsy fitovian’ny sokajin-drà amin’ny reny sy zaza: maha-afa-jaza na mahatonga « jaunisse »-ny zaza vao teraka.

11/07/2019

Isan’ny fototra iray mety hampisy olana ny fitondrana vohoka na tsy hahatomombana azy ny tsy fitovian’ny sokajin-drà na « rhésus » eo amin’ny reny sy ny zaza, na ilay antsoina hoe :« incompatibilité foeto-maternelle ».

 

 

 

Inona moa izany ny atao hoe : « rhésus » ?

Karazana sokajin-drà mitovy laharana amin’ny A, B, O ny « rhésus », misy eo amin’ny olombelona tsirairay. Karazana « antigène », tahaka amin’ny marika, mipetraka amin’ny fonon’ny sela mena (globule rouge) izy io. Ilay tarehimarika + na -, mipetraka akaikin’ilay AB (+) na AB (-) sns ireo no atao hoe : “Rhésus". Rehefa misy rà tsy mifanaraka aminy ohatra, dia mamokatra « anticorps » maro ny « rhésus ».

 

“Rhésus” tsy mitovy : mipetraka ny olana

Misy karazany 2 ny rà anatin’ny olombelona:misy ireo olombelona ahitana ilay “antigène” na ireo lazaina hoe  :manana “rhesus +”, raha misy ihany koa ireo olombelona tsy misy “rhesus” na tsy misy “antigène”, ka manana “rhesus –“. Zavatra 3 no mitranga:

·         Raha samy manana “rhesus –“ ny lahy sy vavy dia lasa “rhesus –“ ihany koa ny zanany.

·         Raha samy manana “rhesus +” ny lahy sy vavy dia lasa “rhesus –“ na “+” ilay zanany.

·         Raha manana “rhesus –“ ilay vehivavy kanefa miaraka amin’ny lehilahy manana “rhesus +”. Dia tsy maintsy “rhesus +” anefa ny zanany, izay tsy mifanaraka amin’ny reniny mihitsy. Ity fahatelo ity no tena mipetraka ny olana satria tsy manaiky ny zaza am-bohoka ny rà an’ilay reniny, raha toa nisy fifangaroan’ny rà eo aminy sy ilay zaza am-bohoka.

 

Mety ho afa-jaza, maty am-bohoka, na manao "jaunisse" …

Tsy tokony hifandray ny rà eo amin’ny reny sy ny zaza, mandritra ny 9 volana, raha tsy hoe : nisy fandehanan-drà be tampoka tamin’ilay vehivavy, ka hampifangaro azy. Noho izany lasa mamokatra “anticorps”, mamono ilay sela menan'ilay zaza am-bohoka ilay "anticorps"-ny reniny. Amin’izay fotoana izay dia mety hanao “anémie” ilay zaza an-kibo, satria potehin’ilay “anticorps” avy amin’ny reniny ny sela mena ao anatiny. Mety ho faty am-bohoka ilay zaza na ho afa-jaza ilay reniny. Marihina anefa fa tsy maintsy hisy fifangaroina foana izany, rehefa eo am-piterahana. Raha toa ka tsy saro-piterahana ilay reny, dia tsy hitondra takaitra ny zanany; mifanohitra amin’izany kosa raha saro-piterahana anefa izy dia mety ho maty ilay zaza na teraka soa aman-tsara fa miloko mavomavo be rehefa mivoaka.

 

Mila manaraka fitsaboana amin’ny vohoka faharoa

Raha nandeha tsara ny vohoka voalohany, matetika no tsy maintsy misy olana foana ny vohoka faharoa eo amin’ilay vehivavy “rhesus –“. Ny antony dia satria notahirizin’ny vatana ny tranga niseho tamin’ny vohoka voalohany ka efa misy “anticorps” ho azy ny vatana. Vokany mety tsy ho tafapetraka mihitsy ilay zaza satria “rhesus +”, raha tsy manaraka fitsaboana ny reniny.

 

 

Inona ny tokony atao àry raha fantatra fa “rhesus –“ ilay vehivavy kanefa efa nitondra vohoka?

Tsy maintsy arahi-maso akaiky mihitsy aloha ny vohoka, indrindra raha vao voalohany. Jerena akaiky ny isan’ny “anticorps” ao anatin’ny vatana, manomboka amin’ny faha-enim-bolana, hitondrana vohoka. Raha vao ambony ny tahan’ny “anticorps” na koa nisy ny fandehanan-drà  be loatra, dia tsy maintsy mitsindrona “Immuno-globuline Anti-D” haingana ilay vehivavy, hisorohana ny firongatr’ilay “anticorps”. Araka ny  nambaran’ny OMS moa dia in-2 no tsindrondra atao, farafaha-keliny: manomboka amin’ny faha-28 hatramin’ny faha-30 herinandro hitondrana vohoka ny tsindrona voalohany. 72 ora aorian’ny fiterahana kosa ny tsindrona faharoa. Eo amin’ny 85 euros eo moa ny vidin’io tsindrona io amin’izao fotoana.

 

Inona avy ny antony mahatonga ilay fifangaroan’ny rà?

Betsaka ny antony mety ahatonga ny fifangaroan’ny rà eo amin’ny reny sy ny zaza:

·         Dona nandritra ny vohoka.

·         Ny “amniocentese”.

·         Fanalan-jaza.

·         ...

Tsara ny manamarika fa rehefa indray mandeha nisy fifangaroina fotsiny ny rà eo amin’ny vohoka voalohany, na tsy azo aza ny zaza, dia efa mamokatra “anticorps” ny vatan’ilay reniny, ka tsy maintsy manaraka fitsaboana rehefa hikasa hitondra vohoka indray.

 

Isaorana ny Dokotera Miora Tantely Rakotoarison

 

Nangonin’i Nelly-Bri

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo