Jejoo

Dans la même rubrique

Te hihena 7 kilao…araho ireto

18/07/2019

Indro atolotra anao ny atao raha te ho very eo anelanelan’ny 3 ka hatramin’ny 7 kilao mora foana. Mety

 Lire la suite...

Torohevitra tsotra hanalana ny kibo ho an’ny lehilahy

12/07/2019

Tsy ny vehivavy ihany akory no miasa saina amin’ny vatana mirafitra tsara. Olan’ny ankamaroan’ny lehilahy koa ny fisian’ny kibo mandroso be. Ahoana ny atao mba hiverenan’ny kibo fisaka misy hozatra mirafitra tsara sy ny vatana salama tsara? atoronay anao :

 Lire la suite...

Vita “régime” : Fomba 6 hitazonana ilay lanja

20/06/2019

Rehefa tena mihafy sy miharitra dia tena mampihena tokoa ny régime izay arahina. Ny tena olana matetika dia ny mitazona ny lanja rehefa vita ny régime natao. Atoronay anao ary ny tsara hatao mba tsy hiverenan’ny lanja very intsony.

 Lire la suite...

Te hampihena fe, fadio ny siramamy!

13/06/2019

Azo hatao tsara ny mampihena ny fe amin’ny alalan’ny fanamboarana ny sakafo. Hanampy anao hanatratra izany tanjona izany ireto torohevitra manaraka ireto.

 Lire la suite...

Fomba maro hampihenan-tena amin’ny sakamalaho

06/06/2019

Manana fahafahana mampihena sy mitroka tavy ny sakamalaho. Ireto misy karazana fomba maromaro azo ampiasaina hampihenan-tena amin’ny alalan’ny sakamalaho :

 Lire la suite...

Mampihena tena amin’ny voankazo

09/05/2019

Azo ampiasaina hatao fototry ny fifadian-kanina atao hampihenan-tena ny voankazo. Tsy hataotao foana kosa anefa fa tena misy tsara ho fantatra mba hampahomby izany.

 Lire la suite...

Régime : Tandremo fa mety hampiakatra tosi-drà

11/04/2019

Raha jerena ambangovangony dia an-kavitsiana ihany angamba ny vehivavy tsy mbola nanandrana nanao régime fampihenan-tena eran-tany.

 Lire la suite...

Regime

Mampihena tena amin’ny akondro, mahavery 3 kilao ao anaty herinandro

11/07/2019

Be gliosida be ny akondro. Matetika izy no voarara ao anaty régime fampihenan-tena. Azo atao fototry ny régime fampihenan-tena kosa izy fa misy kosa ny fepetra arahina :

 

 

 

 

Fitsipiky ny régime

Kely dia kely ny kaloria entin’ny akondro. Be fibres anefa izy sady be  vitamina koa. Ankoatra ireo dia misy singa antsoina hoe :“lipase” ao anatiny izay mandoro ny kaloria haingana be. Tsy tokony hampatavy mihitsy araka izany ny akondro. Ao anatin’ity régime ity kosa anefa dia misy ny fepetra tsy maintsy arahina raha tiana hahomby ny régime atao :

• Ny akondro no atao foto-tsakafo amin’ny sakafo maraina. Tsy mihinana zavatra hafa
• Misotro rano betsaka mandritra ny tontolo andro fa atao rano mitovy mari-pana amin’ny hafanana ety ivelany ihany .

• Tsy voafetra sady tsy voafaritra ny sakafo atoandro sy hariva. Tokony ho ferana kosa ny fatrany ary kendrena ho ara-pahasalamana izany. Arafeto ary kendreo ho be otrikaina. Tsara raha natoraly avokoa ny sakafo hohanina fa tsy dia ho be sakafo voahodina ara-indostrialy. Tsy maintsy alohan’ny amin’ny 8 ora alina ny sakafo farany.

• Tsy mahazo mihinana tsindrin-tsakafo hafa afa-tsy ny akondro ihany

Raha voahaja ireo fepetra rehetra ireo dia mety hahavery 2 ka hatramin’ny 3 kilao ao anatin’ny herinandro.

Tombony

•Mahavoky ny akondro ka tsy ahiana loatra hitsakotsako

• Be vitamina B ny akondro, iny vitamina iny no mahamirana lalandava, tsy dia hampijaly loatra noho izany ny fanarahana ilay régime sady tsy dia miferin’aina koa.

• Azo atao solon’ny « céréales » ny akondro noho izy be fibres sy be vitamina.

• Azoazo ny vidiny

• Mitondra vitamina C sy potasioma ho an’ny vatana ny akondro.

Torohevitra fanampiny :

Tsy dia ny akondro loatra no mampihena. Manampy ny vatana hahatazona tsy mihinana elaela izy. Mitazona ny otrikaina hijanona ao anaty koa rehefa misotro rano be. Misoroka ny fitia tsakotsako izy noho izany. Akondro vaovao hatrany no hohanina. Tsy misy otrikaina intsony ny akondro nandrahoina.

 

Ny lesoka

Tsy mety ho an’ny olona kely tahana « glycémie » ity régime ity.

Fantaro koa fa mety hampitohana ny fihinanana akondro 4 ka hatramin’ny 6 isan’andro. Tsy maintsy fehezina noho izany ny isan’ny akondro hohanina ao anatin’ny régime.



 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo