Jejoo

Dans la même rubrique

1. Tsy nahatratra ny fotoana fankalazana ny andro nahaterahan’i Nelson Mandela ilay mpihira Johnny Clegg na « Zouzou blanc »

18/07/2019

fa nodimandry ny alatsinainy lasa teo vokatry ny homamiadana nikiky azy. Izy mantsy no namorona ilay hira « Asimbonanga »,

 Lire la suite...

1. Ho ampitaina amin’ny alalan’ny boky natao an-tsary ho an’ny ankizy ny tantaran’ny tarika Metallica.

16/07/2019

Niarahan’ny tarika nanatontosa niaraka tamin’ilay mpanoratra Howie Abrams moa ity boky “The ABCs of Metallica” ity, izay mety hivoaka amin’ny volana novambra any.

 Lire la suite...

. Niditra eo amin’ny sehatry ny varotra kojakoja ho an’ny tarehy ihany koa i Lady Gaga.

13/07/2019

1 Nozarainy tao anaty tambazotra sosialy ireo sary voalohany amin’ny vokatra hamidiny izay mitondra ny marika Haus Laboratories. Ahitana lokomena sy “gloss” izany .

 Lire la suite...

1. Ny faran’ny volana mey lasa teo no namoaka ny fitsarana frantsay fa nonina tao Frantsa i Johnny Hallyday nanomboka ny taona 2017 ka hatramin’ny daty nahafatesany.

12/07/2019

Noho izany, dia ny fitsarana frantsay no miandraikitra ny raharaha rehetra mahakasika ny fanambaram-pananana izay napetrak’ity mpihira ity, mialohan’ny nahafatesany.

 Lire la suite...

1. Namoaka fanambarana ny printsy William, izay fantatra loatra amin’ny fisokafan-tsainy ka handeferany sy hanekeny zavatra maro.

03/07/2019

Hafatra nampitainy ho an’ireo LGBT na ireo lahy samy lahy sy vavy samy vavy miaraka na ireo pelaka sy sarim-bavy.

 Lire la suite...

1. Niova ny fomba fiakanjon’i Céline Dion, fotoana vitsy taty aorian’ny nahafatesan’i René Angelil vadiny.

02/07/2019

Afaka naneho ny tena naha izy azy izy, hoy ny hevitry ny maro fa niova ihany koa ny mpampiakanjo izay niara-niasa taminy.

 Lire la suite...

1. Rehefa avy nandany vola mitentina 23.000 euros i Jack Johnson mba hitoviana amin’i David Beckham dia tapa-kevitra fa haka ny endrik’i Victoria Beckham,

28/06/2019

vadin’ity mpilalao baolina kitra malaza indray. Nahatsapa indray mantsy ity tovolahy 22 taona ity, taty aoriana fa isan’ireo

 Lire la suite...

People

1. Ny faran’ny volana mey lasa teo no namoaka ny fitsarana frantsay fa nonina tao Frantsa i Johnny Hallyday nanomboka ny taona 2017 ka hatramin’ny daty nahafatesany.

11/07/2019

Noho izany, dia ny fitsarana frantsay no miandraikitra ny raharaha rehetra mahakasika ny fanambaram-pananana izay napetrak’ity mpihira ity, mialohan’ny nahafatesany.

 

Izay, raha tsiahivina dia nampisy olana teo amin’i Laeticia Hallyday sy David ary Laura zanak’ity mpihira ity. Nolavin’i Laeticia Hallyday indray ity didy navoakan’ny fitsarana frantsay ity ka nampiakatra ny raharaha izy. Maniry ny hamaha ity resaka lova ity any Etazonia mantsy ity vadin’i Johnny Hallyday ity.

2.       Noroahina avy tao Iran i Joss Stone, araka ny filazany. Manatanteraka  fitetezam-pirenena mantsy izy amin’izao fotoana, ary efa nandalo teto Madagasikara. Tao Kish no faritra faha-200 saika hamaranany io fitetezam-pirenena, natombony 5 taona lasa io saingy nosakanana teo amin’ny seranam-piaramanidina izy no sady nasaina niverina. Noheverin’ireo tompon’andraikitra hanolotra seho ankalamanjana mantsy ity mpihira ity. Efa hatramin’ny taona 1979 nefa no voarara ny fanaovana fampisehoana an-kalamanjana ao Iran,  raha vao vehivavy iray ihany no mihira eo.

Rinahsoa

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo