Jejoo

Dans la même rubrique

Manampy ny vady hiala toaka

19/07/2019

Ny olona tena tia dia ny olona mahatsapa fa tiana. Ny tena ato hoe fitiavana dia tsy misy fepetra! Rehefa tiana ilay olona dia tena tiana, ary fitiavana manaiky hamindra fo no manentana azy.

 Lire la suite...

Vehivavy 16 taona aho, tia lehilahy iray 20 taona.

19/07/2019

Hitako niaraka tamin’olon-kafa anefa izy tamin’ny volana febroary teo ary rehefa nanadihady aho dia fantatro fa efa 4 taona niarahana ry zareo.

 Lire la suite...

Adidin’ny raim-pianakaviana ny mitandro ny fahadiovan’ny zanany vavy

18/07/2019

Ilaina ny raim-pianakaviana, ary tena manana adidiy lehibe tokoa hanabe ny zanany vavy kanefa tsy fanaontsika loatra izany.

 Lire la suite...

Raha ny olon-tiako ve no mahateny ratsy amiko foana isaky ny tezitra amiko dia mbola mety ho tia ahy ihany izy ?

18/07/2019

Samy manana ny fomba fanehoany hatezerana ny olona, arakaraky ny fomba nitaizana azy, ny kolontsainy sy ny soatoaviny.

 Lire la suite...

Rahoviana no tokony hiresaka “sipa” ny ankizy vavy?

17/07/2019

Ankehitriny dia efa mandroso be izany resaka “sipa” izany. Any am-pianarana ohatra dia efa misy an’ilay hoe : “… I anona = i anona”;

 Lire la suite...

Votsy : Inona no mahatonga azy?

17/07/2019

Manaratsy endrika sy manelingelina be ny tanana na ny faritra misy azy ny votsy. Inona marina no mahatonga azy io? Marina ve fa noho ny vary masaka nipetaka tamin’ny tanana na ny kiran-trondro no mahatonga azy ireny ?

 Lire la suite...

Inona no sakafo mahangeza vetivety fa tena kely loatra aho ka mba te hitombo haingana ?

16/07/2019

Sady ny tena mampalahelo ahy dia kianin’ny olon-tiako foana aho amin’ny hakeliko ary asainy manao “régime”.

 Lire la suite...

Conseils

Tia namana tafahoatra loatra ny vadiko ary mampiady anay matetika izany.

11/07/2019

Ny miaraka mirevirevy sy mivoaboaka amin’ireo namany no tiany kokoa noho ny miaraka amiko, na miaraka amin’ireo zanakay mianadahy. Inona no ataoko ?

 

 

Raha ny fitenenana azy fotsiny mba hifantoka kokoa amin’ny ao an-trano dia tsy handaitra. Mila mitady fomba hahatamana azy ao an-trano ianao, miaraka amin’izay. Isan’izany ny famelàna azy hitondra ireo namany ao an-tranonareo. Sao mantsy tsy ankasitrahanao loatra ireo namany, nefa namany tiany, ka mahatonga azy handany andro miaraka amin’ireo any ivelany. Azonao atao koa ny mamorona zavatra iarahanareo manao, na iarahanareo mianakavy. Kendreo mba ho zavatra mahaliana azy izany. Ataovy tsindraindray aloha amin’ny voalohany, ovaovao koa, hahafantarnao izay tena ankafiziny. Rehefa hitanao fa mahazo tsirony izy dia ampitomboy tsikelikely ireo karazan-javatra iarahanareo manao. Fa na izany aza, omeo fotoana foana ihany koa izy mba hiarahany amin’ireo namany. Hevero ho toy ny fiainany manokana izany, ary araraoty koa mba hananao fiainana manokana, hiarahanao amin’ireo namanao, hialanao voly irery, hanaovanao metimety…

Misy vehivavy tiako izay, miara-mianatra aminay. Efa notoriako fitiavana izy dia niteny tamiko hoe aleo rehefa afaka bac vao miaraka izahay, fa bedy izy. Izahay amin’izao « classe de première ». Tena bedy marina ve izy sa tsy te hiaraka amiko ? Dia hiandry azy ve aho nefa mbola ho ela izany ho afaka bac izany ?

Maro ny ray aman-dreny no mametraka io fepetra io amin’ny zanany, hoe : aleo rehefa mba manana bac vao miditra amin’izany fiainam-pitiavana izany. Araka izany, azo inoana fa marina ny teniny, raha tsy hoe : misy anton-javatra hafa mahatonga anao tsy hino izay valin-teny nomeny anao izay angamba. Ny anton’ilay fiandrasana ny bac ho afaka mantsy, dia mba hahafahana mifantoka kokoa amin’ny fianarana. Amin’izay koa, efa mba lehibe sy tomponandraikitra kokoa amin’ny fanapahan-kevitra raisina. Ny hiandry azy na tsia indray, dia fanapahan-kevitrao madiodio. Tsy azo terena mantsy ianao hiandry azy, nefa tadidio fa misy fitenenana ihany koa manao hoe : izay tia mahandry.

Tena porofom-pitiavana marina ve ny firaisana ara-nofo ? Mangataka ny hiray amiko foana mantsy ny olon-tiako, nefa izaho mbola tsy te hiditra amin’izany. 17 taona aho ary 19 taona ny lehilahy miaraka amiko.

Porofom-pitiavana ny firaisana ara-nofo, saingy tsy izany ihany no atao hoe : porofom-pitiavana, fa misy zavatra hafa be dia be. Porofom-pitiavana ihany koa ny fiandrasana ny fahavononan’ny olona miaraka amin’ny tena. Raha mangataka anao hiray ara-nofo aminy ary ilay olon-tianao, ho porofom-pitiavana dia izao avaly azy : porofoy amiko ihany koa ary fa tia ahy ianao, satria izay tia mahandry. Raha tsy mahandry ny fahavononanao izy fa misaraka aminao, dia tsy tena tia akory izany, fa ny fahadiovanao fotsiny no tiany alaina. Tokony ho fantatrareo koa anefa fa mbola tsy ampy taona ianao. Ny lalàna eto amintsika dia manasazy ny olona miray ara-nofo amin’ny zaza tsy ampy taona, eny na dia nanaiky aza ilay tsy ampy taona. Heverina ho toy ny fanararaotana ara-nofo foana izany.

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo