Jejoo

Dans la même rubrique

Maska manatsara ny volo “afro”

21/11/2019

Anisan’ny karazam-bolo tena ilaina fikarakarana be ny karazam-bolo “afro”.

 Lire la suite...

Maska miaro ny volo mibofoka

14/11/2019

Toe-javatra tena manahirana ny vehivavy amin’ny volo matetika ilay izy mibofoka iny, toa lasa manaratsy ny endrik’ilay volo. Ity misy fomba iray hikarakarana ny volo manao toy izany.

 Lire la suite...

Maska vahona, ikoloana volo “frisés”

07/11/2019

Mahazo vahana eto amintsika tato ho ato ireo vehivavy tia mitazona ny volony natoraly izany hoe :

 Lire la suite...

Maska tongolo gasy

31/10/2019

Zavatra tsy dia fanao loatra ao an-trano ny mampiasa ny tongolo gasy amin’ny volo. Azo atao tsara anefa ny manao izany indrindra ho an’ireo izay te-hanalava volo amin’ny fomba tsotra.

 Lire la suite...

Maska natoraly, ho an’ny volo mitera-menaka be

17/10/2019

Mila fikarakarana sy “produits” manokana ny volo mitera-menaka mba hanamandina azy.

 Lire la suite...

Ranona ovy sy tamenak’atody…mitsabo volo simba

10/10/2019

Fantaro fa antony iray mahatonga ny tsy fahasalaman’ny volo ny tsy fikolokoloana azy amin’ny “soins” na amin’ny fampiasana akora natoraly manatsara azy. Iray amin’ireo “soins” azo hatao ao an-trano indray ity entina aminao ity.

 Lire la suite...

Rehefa inona no manatona matihanina?

03/10/2019

Misy ireo fikarakarana momba ny vatana izay ilana fahaizana sy teknika ny fanaovana azy. Tsy voatery ho voafehin’ny tsirairay anefa ny fanaovana azy. Ndao ary ho fantarina eto ambany ireo fikarakarana volo 5 tokony hamonjena toerana natokana ho an’ny volo (salon)

 Lire la suite...

Coiffure

« Jus » tongolo, manafina ny volofotsy

11/07/2019

Anisan’ny zavatra manahirana ny akamaron’ny olona mahazo taona ny mitady fomba entina hanafenana ireo volo fotsy amin’ny volo. Izy io izay mipoitra tsikelikely noho ny fihenan’ny “melanine”sy ny “réaction du peroxide d’oxygène”.

 

 

Ny “facteur génétiques”, ny “stress”be loatra ary ny fomba fiainana amin’ny ankapobeny no anisan’ny antony mampisy ny volo fotsy. Misy ny fikarakarana azo  hatao mba  hanafenana ny volo fotsy  tsy ho hita be satria izy ireny dia  tsy afaka miala no sady mitombo foana. Ny tongolo eto no akora ampiasaina noho ny  habetsahan’ny “soufre” ao aminy.

Fomba fikarakarana ilay “jus d’oignon”:

·         Maka tongolo lehibe iray efa mivaofy  dia kikiso.

·         Tsihifo tsara dia alaivo ny ranony ary ampio ranona voasarimakirana kely.

·         Iny fangaro iny avy eo no hosorana amin’ny volo ary somary arahina hotra malefaka rehefa manao azy.

·         Avelao  hiloana eo  mandritra ny ora  iray.

·         Rehefa vita dia kombano amin’ny rano matimaty ary sasao amin’ny”shampooing” izay efa nahazatra anao amin’ny farany.

Ataovy in-droa isan-kerinandro  ilay izy.

Ny voka-tsoa entiny:

Tsara ho an’ny fikarakarana ny volo fotsy izy ity satria:

-Manamafy ny fikorinan’ny rà indrindra ny any amin’ny faritry ny  loha ity ranona tongolo ity.

-Manala ny angadrano ao amin’ny volo.

-Manampy amin’ny fitombon’ny volo ary manatsara ny volo simba ihany koa.

 

                                                                                                                                                                            Sariaka

 

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo