Jejoo

Dans la même rubrique

Inona ny « BB Crème » mety amin’ny hoditro ?

19/07/2019

Efa tsy zoviana amin’ny maro loatra intsony ny « BB Crème » amin’izao vaninandro iainantsika izao.

 Lire la suite...

Eye-liner : Inona no manendrika ny masonao?

17/07/2019

Manana ny fitsipika sy ny lalànany koa ny fanosorana ny « eye-liner ». Tokony atao manaraka ny firafitry ny maso izany mba hitondra fanovàna amin’ny tarehy.

 Lire la suite...

Mampirongatra mony ny rarin-tsaina …

15/07/2019

Marobe ny antony mety hahatonga ny mony hipoitra eo amin’ny tarehy. Ny rarin-tsaina na ny “stress”

 Lire la suite...

« Anti-rides » natoraly, azo amboarina ao an-trano

13/07/2019

Azo atao tsara ny manafina ireo kentrona madinika eo amin’ny tarehy. Tsy voatery hividy akora eny an-tsena aza fa afaka manamboatra ny « anti-rides » manokana ho anao ao an-trano.

 Lire la suite...

Mamaritra volomaso mifanaraka amin’ny endrika

12/07/2019

Azo lalaovina sy haingoina hanova ny endrika ny volomaso eo amin’ny handrina. Rehefa hanamboatra volomaso, noho izany dia mila mitandrina tsara, sao mifanipaka amin’ny endrika andrasana no fivoakan’ny tarehy. Na ny endrik’ilay nanamboarana azy, na ny hateviny, dia samy zava-dehibe avokoa. Manana ny lamaodiny koa anefa izy ireny.

 Lire la suite...

Ireo sakafo 5 mana-antitra haingana be

10/07/2019

Isan’ireo fambarana havizanana mitarazoka ny firorahan’ny tarehy, ny fiovan’ny lokony ho lasa matroka, ny kentrona, sy ny maro hafa.

 Lire la suite...

Mahay misafidy menaka tarehy

09/07/2019

Miantoka ny fahasalaman’ny hodi-tava sady mitazona ny hatsaran’ny tarehy tsy ho antitra aloha loatra ny fanadiovana azy isan’andro sy ny fanosorana menaka manamandina. Raha vao diso safidy anefa amin’ny fifantenana izay menaka tarehy ahosotra, dia simba tsikelikely ny tarehy.

 Lire la suite...

Beauté

« Pédicure » tsotra kely vita ao an-trano

11/07/2019

Na ririnina aza ny andro ka somary tavela ny kapakapa mampiseho tongotra, dia tsy maintsy kolokoloina foana ny tongotra. Azo atao tsara ny mikolokolo azy ao an-trano, na ireny antsoina hoe « pédicure » ireny. Dingana 3 ireto atoronay anao ireto.

 

 

 

Mikarakara hoditra

Raha vao tsy karakaraina matetika ny hoditra amin’ny tongotra dia mihamatevina sy mamorona faritra mihamafy. Mahavara isa-kerinandro, mandona ny tongotra amin’ny ranon-tsira matimaty, mandritra ny 20 minitra. Hamainina avy hatrany dia hosorana menaka manamandina ary fonosina amin’ny ban-kiraro mandritra ora iray, na alina iray.

Manamboatra hoho

“Coupe-ongle” lava  no ampiasaina. Ahitsy hifanaraka amin’ny firafitry  ny rantsan-tongotra ilay hoho ary omena endrika araka izay hitiavana azy. Ranitina amin’ny « lime » izany avy eo.

Manosotra « vernis »

-          Rehefa afa-po tsara tamin’ny fanamboarana hoho dia hosorana « vernis » amin’izay. Ny « base » no ahosotra voalohany. Na tsy tia manao « vernis » aza dia ilaina ny manosotra « base », hiarovana azy. Sady miaro ny hoho mantsy no asan’ny “base” no mampitazona ny “vernis” ahosotra ao aoriany.

-          Hosorana an’izay loko tiana amin’izay. Atao indroa mihosotra izany ka rehefa voahosotra indray mandeha avokoa ny rantsana rehetra ary maina tsara, izay vao alefa ny manaraka.

-          Azo atsofoka ao anaty rano mangatsiaka amin’izay ny tongotra mba hahamaina vetivety ireo “vernis”.

Manamandina

Ora iray ao aorian’ny nanosorana “vernis”, sy isan’andro avy misasa, dia hosorana menaka manamandina foana ny rantsa-tongotra sy ny elakelany rehetra. Tandrovy mba halefaka foana ny hodi-tongotra sy ireo manamorona ny hoho, mba ho salama sy ho mora koloina ny tongotrao. 

Ando

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo