Jejoo

Dans la même rubrique

Ny fomba fitiavana tena maha-sambatra…

13/01/2020

Maro ny vehivavy mahatsiaro mijaly ara-pitiavana. Anisan’ny mampijaly azy ireo indrindra ny tsy firarahiana sy ny hasarotam-piaro. Mety avy amin’ny fanavahana ireo fihetseham-po roa ireo koa anefa no ahafahana mitady vahaolana amin’izany.

 Lire la suite...

Mahatratra ny vady nampirafy, ny tsy tokony atao !

06/01/2020

Mampirafy ny olon-tianao, na ny vadinao. Rehefa tratranao izy, dia manazava, miangavy, mifona, mandamin-dresaka.

 Lire la suite...

Hadisoana telo tsy mahasambatra ny mpivady

30/12/2019

Amin’izao vanim-potoana izao indrindra no tsara hanaovana jery todika hanatsara ireo lesoka hita ao anatin’ny fiainan-tokantrano. Misy santionany telo matetika fanao ireto tokony hahitsy :

 Lire la suite...

Nampirafy izy, mbola azo itokisana ve?

16/12/2019

Marary ny ampirafesina. Ankoatra ny alahelo sy ny hatezerana dia tsy maintsy mipetraka koa ny fanontaniana ny amin'ny tokony atao.

 Lire la suite...

Fambara 4 fa tsy natao ho anao izy

02/12/2019

Tsy ny fe-potoana niarahana no hahafantarana raha tena natao ho anao na tsia ny olona iarahanao fa ny fifandraisana misy sy mampifamatotra anareo. Raha ireto 4 ireto no mitranga dia tsy natao ho anao izy.

 Lire la suite...

Kitso : kitikitiho hianohana fahafinaretana faratampony!

26/11/2019

8.000 isa eo ho eo no isan’ny retsika amin’ny kitso. Izany rahateo no mahatonga azy ho taova itoeran’ny fahafineratan’ny vehivavy. Araraoty ny fikitihina azy raha te-hambabo vehivavy.

 Lire la suite...

Fiarahana vao miandoha, fadio ireto…

25/11/2019

Tsy ampy ny mitia fotsiny fa misy ny fihetsika tsy maintsy tandremana raha tiana haharitra ny fiarahana ho an'ireo vao miaraka amin'ny olon-tiany.

 Lire la suite...

Love

Ny atao haha-latsa-pitia azy tanteraka

08/07/2019

Tianao ho latsa-pitia tanteraka aminao ve izy ? Azo atao ihany izany. Ireto misy torohevitra mety hanampy anao : Efa mba nifanerasera aloha

 

Marihina am-boalohany aloha fa natao ho an’ireo olon-droa efa hita ho misy soritra fifandraisana na « complicité » ireto torohevitra ireto fa tsy ho an’ny olona mbola tsy nifanerasera taminao mihitsy akory.  Tsapanao fa mankafy ny miresaka aminao izy saingy tsy ampy ilay tselatra irosoana lalina kokoa sisa. Marina fa tsy azo terena ny fitiavana. Azo hatao kosa ny manampy tosika ny olon-tiana hanapa-kevitra. Ireto no atao :

Tsy manatona azy akaiky loatra

Nialohan’ ny nahita azy dia vehivavy mahaleo tena ianao. Aza miova amin’izany mihitsy. Mijanona ho mahaleo tena hatrany. Indraindray aza dia tokony hanalavitra azy kely mihitsy. Amin’izay mantsy izy halahelo anao. Tsy hanana fahafahana na fotoana hahalelovana anao kosa izy raha toa ianao ka eo foana, vonona ny handray azy isaky ny mitady anao izy. Rehefa eo ianao indraindray dia hahatsapa kosa izy fa sarotra ilay tsy misy anao.

Manana fiainana ankoatra azy :

Ny vehivavy latsa-pitia matetika dia manakatona ny fiainana ivelan’ilay olon-tiany ary lasa mifantoka aminy tanteraka. Hadisoana tanteraka izany. Ho sempotra mantsy izy ka ho mora leo anao indray. Ny tena mety dia ny manohy ny fiainana toy ny taloha ihany. Mihaona amin’ny namana, miaraka amin’ny fianakaviana. Tohizo ny fanaovana ny alavoly fanaonao. Hanampy anao tsy ho « lakaoly » be aminy koa ny manao izany.

Mitazona mistery ny ampaham-piainana

Mora leo izay ny lehilahy. Tsy mety aminy ny fiainana feno fahazarana be fa mila zavatra miovaova sy manaitra izy. Ahoana ny hanaovana an’izany? Voalohany indrindra aloha dia tsy maintsy mitazona ny ampaham-piainana ho mistery na dia efa te-hizara aminy ny momba anao rehetra aza ianao.

Manao izay hahatonga azy ho gaga aminao

Asehoy azy mian-dalana fa tsy lafy iray ihany ny maha-ianao anao. Amin’izay ho gaga foana izy raha vao momba anao. Ho leo anao mantsy izy raha fantany ao anatin’ny volana vitsy avokoa ny momba anao rehetra sy ny toetranao. Raha noheveriny fa olona maotina sy matotra be ianao dia hanaitra azy ny hahita anao hitarika azy handeha hivoaka hiaraka handihy ohatra. Tena handaitra manokana ny manao zavatra iray izay tsy ampoiziny ho vitanao. Tandremo anefa, aza manery tena be ndrao hanao adalana indray.

Mijanona ho ianao ihany

Aza mampiseho lafy ankoatra ny maha ianao anao anefa. Azo antoka fa ilay ianao amin’ny tena maha-izy azy anao no nanintona azy hiresaka aminao. Ny hany ataonao kosa dia ny mikolo ny mistery momba anao mba hahatonga azy te-hahafantatra anao be be kokoa. Tsy tokony ho ao anatin’ny fotoana fohy izany.

Hary

 

 

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo