Jejoo

Dans la même rubrique

Nono sa fitombenana no ankafizin’ny lehilahy ?

06/08/2019

Samy manana ny nofinofim-pilàny ny lehilahy rehetra , ka mety samy hanana ny faritra manintona azy avy eny amin’ny vehivavy.

 Lire la suite...

Kitso : ivon-toeran’ny fahafinaretana!

30/07/2019

8.000 isa eo ho eo no isan’ny retsika amin’ny kitso. Izany rahateo no mahatonga azy ho taova itoeran’ny fahafineratan’ny vehivavy. Rantsan-tanana fotsiny dia efa ampy hahatakarana izany, raha mahay milalao azy.

 Lire la suite...

Fahafinaretana samy irery : ny marina sy ny diso…

23/07/2019

Mbola azo lazaina ho zava-pady ny firesahana izany « masturbation » izany, izay fomba atao hahazoana fahafinaretana ara-nofo samy irery, raha ao anatin’ny fiarahamonina malagasy. Noho izany indrindra dia betsaka koa ny resaka, tsaho sy honohono manodidina azy…

 Lire la suite...

Miala kely amin’ny mahazatra …

16/07/2019

Isan’ny antoka iray hahazoan’ny vehivavy fahafinaretana ny fomba fitsofoky ny taovam-pananahan’ny lehilahy any anatiny.

 Lire la suite...

Ambony seza, latabatra… fahafinaretana tsara kokoa

09/07/2019

Ankoatra ny fandriana dia misy toeran-kafa azo hanatanterahana ny firaisana ara-nofo. Sady mba miova amin’ny mahazatra izany no mahafantatra paozy hafa, mampianoka fahafinaretana hafa ihany koa.

 Lire la suite...

Miray ara-nofo miadana, manome fahafinaretana kokoa !

02/07/2019

Misy karazany maro ny fomba ifampizaràna mamy eo am-pandriana. Arakaraky ny aingam-panahin’ny mpifankatia ihany koa.

 Lire la suite...

Fahafinaretana azo ao anatin’ny 1 minitra !

08/06/2019

Mila taitairina foana ny fiainana ara-pananahana mba tsy hahamonamonaina ny mpivady, rehefa eny ambony fandriana. Tsy mila fanomanana be tahaka ny inona, fa ireto zavatra ireto dia mety hahazoana fahafinaretana, anatin’ny 1 minitra monja.

 Lire la suite...

Sexo

Tandremo ny miray mandritra ny fadimbolana!

04/07/2019

Miakatra kokoa ny tahan’ny tsiry mpanentana rehefa akaiky ny fadimbolana na mandritra ny fadim-bolana mihitsy. Raha hiray ara-nofo amin’io fotoana io anefa, inona no mety hitranga ?

 

 

 

Mampitony ireo fanaintainana

Miankina amin’ny vehivavy tsirairay no hahazoana fahafinaretana na tsia mandritra ny firaisana ara-nofo rehefa tonga ny fotoana. Misy ireo milaza fa mahazo fahafinaretana kokoa amin’io fotoana io, satria mitony ireo fanaintanana ateraky ny fadimbolana, rehefa miray ara-nofo. Ny tena marina anefa dia ny saina no mahatonga an’io eritreritra io.

Inona avy ireo fiantraikan’ny fanaovana firaisana ara-nofo rehefa fadimbolana?

·         Tsy dia misy fiantraikany mivantana saingy mora mifindra kokoa ireo mikraoba, otrikaretina.

·         Mora mitombo be ihany koa ireo otrikaretina.

·         Mety ho bevohoka ihany koa anefa, indrindra raha tena vetivety ny tsingerim-bolan’ilay vehivavy ka akaiky be ny fotoana maha-lonaka. Mitombina ihany koa moa ny vohoka raha toa ka nanadino fanafody fanabeazana aizana, raha mpinana izany.

 Inona no fiarovana tena tsara indrindra?

Aleo mampiasa fimailo foana. Io ihany no antoka sady miaro ny otrikaretina tsy hifindra no miaro amin’ny vohoka tsy niriana, raha ohatra ka tena tsy mahatana mihitsy mandritra ny fadim-bolana ny mpivady.

Isaorana ny Dokotera Robert Rakotondramanana

Gynécologue – Obstétricien

Nelly-Bri

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo