Jejoo

Dans la même rubrique

Molokely : Ireo tsara ho fantatra mahakasika azy

14/01/2020

Taova tsy tena manaitra firy, ny lehilahy na ny vehivavy ny molokely amin’ny fivaviana. Isan’ireo faritra azo ambara ho itoeran’ny filangolangoan’ny vehivavy anefa io faritra io,

 Lire la suite...

Paozy eo am-pandriana, samy manana ny tsirony

07/01/2020

Maro karazana ireo paozy azo atao mandritra ny firaisana ara-nofo. Samy manana ny mampiavaka azy sy ny mampatsiro azy avy izy ireny. Santionany ireto entina aminao ireto.

 Lire la suite...

Vehivavy dongadonga : Mahay mampirevy !

06/01/2020

Tsy ny vehivavy tsara bika sy mirafi-batana tsara ihany no afaka manome fahafinaretana lafatra eny am-pandriana.

 Lire la suite...

Mitelina tsirinaina dia… mihena !

24/12/2019

Valim-panadihadiana medikaly, navoakan’ny profesora Ingrid Fleisher,

 Lire la suite...

Ireo nofinofim-pilàna maro mpankafy

18/12/2019

Ankavitsiana ireo mpifankatia no sahy mamboraka ny nofinofim-pilàny sy ny faniriana mampientana azy.

 Lire la suite...

Tsy ampy rano…tandremo ny “infection urinaire”!

04/12/2019

Amin’izao fotoanan’ny mafana izao indrindra no tena betsaka ny olona tratry ny “infection urinaire”, satria tsy misotro rano.

 Lire la suite...

Miray ara-nofo mandritra ny “regles”

03/12/2019

Tsy misy mihitsy ny fandrarana ara-medikaly, raha hiray ara-nofo mandritra ny fotoana hahatongavan’ny fadimbolana.

 Lire la suite...

Sexo

Miray ara-nofo miadana, manome fahafinaretana kokoa !

02/07/2019

Misy karazany maro ny fomba ifampizaràna mamy eo am-pandriana. Arakaraky ny aingam-panahin’ny mpifankatia ihany koa.

Fa isan’ny mitondra fahafinaretana lalina ny miray ara-nofo amin’ny fomba miadana, na ilay antsoina hoe : “slow sex”.

Firaisana miadana

Araka ny nambaran’i Alain Heril, manam-pahaizana momba ny saina sy ny fananahana, dia mifototra amin’ny fahatsapana entin’ny savaranonando sy ny firaisana ara-nofo miadana ny « slow sex », izany hoe : tsy atao lohalaharana ny fifampitsofohan’ny taovam-pananahana ary raha efa tatsofoka indray ny filahiana dia atao izay ahatsapana ireo fahafinaretana madinika kanefa mafonja entin’izany.  

Fanaovana azy

Atao maharitra, araka izany ny savaranonando. Fomba ahafantarana ireo faritra tena mora tohina rahateo izany. Ny tanjona dia ny hahatsapana fahafinaretana, fa ihany koa hiakaran'ny filàna. Tsy misy fetra ny ora hanatanterahana azy, raha ny fanazavan’i Alina Heril hatrany. Rehefa tafiditra indray ny filahiana dia ezahina ho tsapan’ny andaniny 2 ny fahafinaretana azo isaky ny manao fihetsika iray ny lehilahy, na ny vehivavy.

Manome vahana ny kalitao

Nanambara moa ity manam-pahaizana ity fa ny kalitaon’ny firaisana ara-nofo no tadiavina fa tsy ny hery, na ny fahaizana manao izany. Izany no antony mahatonga azy tsy mikendry ilay fahafinaretana lehibe, fa ireo fahafinaretana tsotra sy madinika, izay rehefa mitombo tsikelikely dia ahazoana ilay fahafinaretana faran-tampony ihany.

Tiasoa

 

 

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo