Jejoo

Dans la même rubrique

Mampirafy ahy ve izy ? ahoana ny ahafantarana

19/08/2019

Mampirafy ahy ve izy, fanontaniana iray izay maro mpanontany ary mety hanimba ny tokantrano koa na mitombina na tsia ny valiny. Midika mantsy fa efa misy ahiahy ao anatin’ny olona mametraka izany fanontaniana izany . Na izany aza, misy tokoa ny fambara hamantarana raha miaraka amin’olona hafa ny lehilahy na tsia :

 Lire la suite...

Tsiambaratelo hialana amin’ny hasarotam-piaro

12/08/2019

Mahasaropiaro anao fatratra ny vadinao na ny olon-tianao. Raha azonao natao dia niaraka taminy foana na aiza na aiza alehany.

 Lire la suite...

Torohevitra 10 hambaboana lehilahy tiana

29/07/2019

Ahoana ny atao mba hambaboana ny lehilahy manintona ny tena, maka ny fony ary mitazona izany mandrakizay ? Ireto misy torohevitra mety hanampy anao

 Lire la suite...

Tia ahy ve izy ? ahoana ny hahafantarana ?

22/07/2019

Fanontaniana maro be mpametraka ity hovaliana androany ity. Tena tia ahy ve ny vadiko na ilay olona miaraka amiko io? Misy fambara hahafahana manamarina fa tena tia ahy izy? Ireto ny tsara ho fantatra mahakasika izany :

 Lire la suite...

Tsiambaratelo mampaharitra ny fanambadiana

15/07/2019

Inona ny tsiambaratelo mampaharitra ny fiarahana sy mikolo ny fitiavana eo amin’ny olon-droa ?Mety fihetsika kely sy bitika izy ireny kanefa misy vokany. Atoronay anao ny santionany :

 Lire la suite...

Ny atao haha-latsa-pitia azy tanteraka

08/07/2019

Tianao ho latsa-pitia tanteraka aminao ve izy ? Azo atao ihany izany. Ireto misy torohevitra mety hanampy anao : Efa mba nifanerasera aloha

 Lire la suite...

Azo havotana ny tokantrano miha-rava…

24/06/2019

Azo hatao ny manarina sy manavotra ny tokantrano mitady ho rava raha arahina ireto fitsipika 10 ireto. Tsy mora tokoa kanefa azo atao tsara :

 Lire la suite...

Love

Torohevitra 5 hanadinoana tanteraka ny olon-tianao taloha

01/07/2019

Vehivavy maromaro no nizara tamin’ny Jejoo ny fomba nanadinoany ny olon-tiany izay nandao azy sy nisaraka taminy. Azonao angalana hevitra izany satria nandaitra tamin’izy ireo.

 

 

Nanapaka tanteraka ny fifandraisana

Tsy misy « remède-miracle » mampanadino mora foana ny olona niaraka taminao izany.  Ny nataoko dia nofafako tanteraka tamin’ny fiainako izy sy ny momba azy rehetra. No “bloquer-ko” izy tao anaty Facebook. Nofafako ny laharan’ny findainy. Notapahako koa ny fifandraisana tamin’ny namana iombonanay. Fantatro fa tsy mety fa tsy zakako ny nahita an-dry zareo. Tao anatin’ny nataoko koa ny tsy mandeha amin’ny toerana rehefa fandehananay. Tena hoe : karazana famafana fitadidiana faobe mihitsy no nataoko. (Karen)

Tsy tonga lafatra izy

Nandritra ny fiarahanay dia tadidiko mihitsy fa toy ny tonga lafatra tsy misy kianina mihitsy io olon-tiako io. Izany tokoa angamba ny hoe :mahajamba io fitiavana io. Rehefa nisaraka izahay dia nisokatra tsikelikely ny masoko. Nataoko lisitra koa ny « défaut »-ny rehetra. Teo vao tsapako fa olona tsy matotra mihitsy izy, manambany olona ary izaho tafiditra ao anatin’izany. Anisan’ny nataony matetika nandritra ny fiarahanay koa ny mibaiko ahy amin’ny tokony ho fitondran-tena hananako. Tsy tsapako mihitsy izany tamin’izay mbola niaraka. Izahay efa nisaraka vao tsapako. Tena nahatsiaro ho toy ny olon’afaka aho avy eo satria afaka namadika iny pejy iny. (Lova)

Manao zavatra foana

Vao nisaraka aloha izahay dia tena mafy dia mafy ny nanjo ahy satria dia tany aminy foana ny saiko na vao mifoha na any am-pandehanana na rehefa ao am-pandriana. Vao tsy misy atao kely aho dia lasa mahatsiaro ny fotoana mamy niarahanay.  Dia latsa-dranomaso eo indray aloha. Tsy mety mihitsy ilay mipetrapetraka tsy manao na inona na inona fa manjary mandefa eritreritra any aminy. Nanomboka teo dia mitady zavatra hatao foana aho. Tsy dia mandeha taxibe aho raha tsy tena voatery fa aleoko mandeha an-tongotra. Mialohan’ ny hatory dia mandoko ireny sarisary mandala ireny aho fa ireny hono mantsy manala « stress ». Tena nandaitra tamiko mihitsy.  (Koloina)

Mifanadala amin’olona

Vao nisaraka tamin’ilay olona niaraka tamiko aho dia lasa somary nadiditra. Mivoaka alina matetika. Mifanadala amin’olona ao anaty Facebook. Tsy tena hoe : miaraka mivantana akory fa mba mifanadaladala fotsiny. Tsy naharitra be akory izany. Soa ihany koa. Azoko antoka fa tsy tsara ho ahy ny nanao izany foana fa mety ratsy fiafara indray aho. Fa nanampy ahy kosa anefa izany hamerenako ny fahatokisan-tenako izay very mihitsy taorian’ilay fisarahana. Fantatro fa mbola afaka  mambabo aho, fantatro fa mbola tsy very anjara aho. Ny tsy ataoko intsony fotsiny dia ny milalao. (L)

Mifantoka amin’ny asa

Mety hoe : tsy maharesy lahatra ny maro indray ny ahy ny fomba nataoko saingy tena nahomby tamiko ilay izy. Ny asako no nanavotra ahy tsy ho revo ao anatin’ny « depression ». Tena nifantoka tanteraka tamin’ny asako aho vao nisaraka izahay. Tsy mijanona ny asa raha tsy efa hatory. Vizana loatra aho isaky ny hariva hany ka lasa mora matory tsy manam-potoana iasana saina aminy akory. Nahitam-bokany ho an’ny asa koa ny ezaka nataoko rehetra. Vao maika nanamafy ny fahatokisan-tenako ny fankasitrahan’ny lehibe sy ireo mpiara-miasa amiko ny fomba fiasako. Nanokatra varavarava maro ho azy izany. Lasa mihamaro karazany koa ny olona mifanerasera amiko ary iray tamin’izy ireny no miaraka amiko amin’izao. (Sylvie)

 

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo